Japana: “Izay indray ilay feo”

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana  ny Horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity.

Ny feo mahazatra amin'ny rafitra fanairana alohan'ny  horohorontany any Japana (緊急地震速報 Kinkyū Jishin Sokuhō) dia lasa miraikitra any an-dohan'ny mponina noho ny fandefasana izany matetika ao amin'ny fahitalavitra sy ireo fanairana any amin'ny finday, satria mbola mitohy ireo horohorontany madinidinika mandritra ireo andro vitsy taorian'ilay horohorontany tena goavan’ny 11 Martsa 2011. Alefa segondra vitsivitsy alohan'ny fihozongozonana ilay fanairana:

Ny Masoivoho Miandraikitra ny Toetrandro any Japana no miantoka ny fandefasana io fanairana io:

Ny rafitra Fanairana alohan'ny horohorontany dia manome  filazalazana mialoha ny mety ho hery sy ny fotoana hitrangan'ilay horohorontany. Mifototra amin'ny fanadihadiana mailaka momba ny foibe sy ny haavon'ny herin'ity horohorontany ity avy amin'ny alalan'ireo rakitra azo avy amin'ny fitaovana fanarahamaso ny horohorontany eo akaikin'ny foibeny ireny vinavina ireny.

Natao mba hitandroana ny mety ho fahasimbana hateraky ny horohorontany ny Fanairana Alohan'ny Horohorontany amin'ny fametrahana ireo fepetra tahaka ny fanomezana baiko ireo fiarandalamby mba handeha mora, fanaraha-maso ireo ascenseurs mba hialàna amin'ny loza sy ny famelana ny mponina mba hiaro tena haingana amin'ireo tontolo manodidina samihafa, tahaka ny ozinina, birao, trano sy ireo akaiky hantsana.

Manomboka manimba ny sain'ny mponina izany fanairana izany, tahaka ireto tsikera hita amin'ny fitoraham-bilaogy kiritika ao amin'ny Twitter ireto:

@murashan: 緊急地震速報がトラウマレベル

Lasa mankarary saina ny Fanairana Alohan'ny Horohorontany.

@fuhikoo: 地震速報関連の音がやばい怖い。なんなのあのやたら注意をひく不協和音は・・・

Tena mampahatahotra ny feon'ilay Fanairana Alohan'ny Horohorontany. Tsy maintsy natao ratsy feo tahaka izany izy io?

Mampifoha  indray ny tsiaro izany feo izany ho an'i @UnConiglioNero:

速報がなるたび机にはいるんだけど…空襲警報みたいだ。食べ物確保したり、安否確認に苦労したり、デマが流れたり、ぜいたくは敵だムードだったり、おばあちゃんが昔語っていた戦時中の世界。うっかり先日保冷剤を捨ててしまい、何も捨てなかったおばあちゃんのもったいないスピリットを思い出す。

Tonga aho dia misitrika tahaka ny kanakana ao ambany latabatra isaky ny maheno ny Fanairana. Tahaka ny feon'ny fanairana rehefa misy fanafihana eny anabakabaka izany. Mitady sakafo, miezaka manamarina ny fahaveloman'ireo olon-tiana, tsaho tsy misy fotony, fahatsapana horohoro… tahaka izao tontolo izao tamin'ny andron'ireo ady izay mazana notantarain'ny nenibeko ahy. Omaly, nanary rano fampangatsiahana sasany tsy nahy aho, ary nampahatsiaro ahy ny mottainai [‘aza mandanindany foana, aza mangataka’] toe-tsain'ny nenibeko, izay tsy nanary na inona na inona mihitsy.

@NaokoBrigid dia manampina ny sofiny:

@NaokoBrigid: 怖い(>_< )(>_< )(>_< )地震警報(>_< )

Matahotra (>_< )(>_< )(>_< ) Fanairana amin'ny horohorontany (>_< )

Ireo fanairana amin'ny finday

Ireo tambajotran'ny finday dia nanome tolotra izay manaitra ireo finday isaky vantany vao misy ny Fanairana:

Screenshot of Earthquake Early Warning function by mobile phone company 'au'.

Sarin'ny fampiasana ilay Fanairana Alohan'ny Horohorontany avy amin'ny tambajotran'ny finday 'au'.

@masiro: 未だに緊急地震速報の音が怖くて、TVと携帯がダブルで鳴ると手が震えてしまうんだ。

Mbola mampahatahotra ahy hatrany ny feon'ilay Fanairana Alohan'ny Horohorontany, ary mangovitra ny tanako rehefa mandefa an'iny ny fahitalavitra ary rehefa manomboka mihovitrovitra ny findaiko.

@nico_okinawa: 疲れたあ・・。今もまた、長野県での地震速報。携帯に通知される音が、本当に「警報」という感じでビクッとする。起こってみると、震度はそれ程大きくなかったのだけれど、いつ、ドカンと大きな地震が起きるかホントに分からないからこの携帯の「警報音」が鳴る度にすごい気疲れをするように…

Tena reraka aho… vao avy naheno indray ilay Fanairana amin'ny Horohorontany tany amin'ny Prefektioran'i Nagano. Ilay feo avoakan'ny findaiko dia tena ilay fototry ny “fampitandremana” mihitsy ary mampatahotra ahy ireny. Tsy avobe foana akory ny heriny nefa tsy fantatsika ny fotoana hahatongavan'ilay tena mahery. Manimba ny hozatro izany isaky ny maneno ilay Fanairana ao amin'ny findaiko…

@mamamamadomado: 怖いよねあれ。うちの方、あの曲に加え、男声の低い機械音でジシンガキマスって言うんだ。( TДT) RT @highme_karan: それ間違いない。あの音怖い。RT @mio2mio: 緊急地震速報の音を、ドリフの退場するときの曲にかえてくれないかな。

Mampatahotra e, sa tsy izany? Miadana, sady feo amboarina ny feon'ilay lehilahy miteny hoe “Mananontanona ny horohorontany” ao amin'ny findaiko. RT @highme_karan: Tena marina! Mampatahotra izany feo izany. RT @mio2mio: Asa raha afaka manova ny feon'ilay Fanairana Alohan'ny Horohorontany ho ilay feon-kira ataon'ireo Drifters [vondrona mpanao hatsikana Japoney] rehefa miala sehatra ry zareo?

Ity misy rindrambaiko iray ao amin'ny iPhone izay manome fanairana sahala amin'izany:

Screenshot of the iPhone app 'YureKuru' (Quake Coming).

Sarin'ilay rindrambaiko ao amin'ny iPhone 'YureKuru' (Akaiky ny Horohorontany).

@kiske dia manome soso-kevitra malefadefaka kokoa ho an'ny sofina momba ‘ity Fanairana ity:

@kiske: 緊急地震速報のアレ恐いから ブライアン・イーノに新しいの頼んで

Tena mampatahotra ny feon'ilay Fanairana. Afaka mahazo ny Brian Eno ve isika mba hanamboarana feon-kira hafa?

@kotetsu1968: そういえばさっき京急の中で一斉に緊急地震速報の音が色んな人の携帯から鳴っていた。凄い緊迫感だった。

Oh, ary fony izaho tao anatin'ny Fiarandalambian'ny Keikyu, nanomboka naneno daholo tamin'ny fotoana iray ireo feo samihafa manaitra amin'ny horohorontany tamin'ny findain'ny mpandeha tsirairay. Nisy fahatsapana fisavorovoroana lehibe nameno ny fiarandalamby.

@sheriii_m: 仕事中に今まで聞いたことのないような音がみんなの携帯から鳴った。地震速報でした。怯えるように仕事を続けたけど、みんな無事。生きてるってすばらしいね!

Tao amin'ny toeram-piasanay, nanomboka niara-naneno daholo ny findain'ny rehetra , namoaka feo izay mbola tsy faheno hatramin'izay. Ny Fanairana Alohan'ny Horohorontany izany. Nanohy niasa izahay na dia natahotra aza. Tsy maninona ny rehetra. Mahafinaritra ny velon'aina, sa tsy izany?!

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.