Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Etazonia: Mpitoraka Bilaogy Momba ny Siansa Manazava ny Horohorontany Sy Ny Tsunami

Raha mbola miezaka mamantatra ny antony fisian’ny horohorontany mpandringana, ny tsunami, ary ny tahotra momba ny hery nukleary i Japana sy ny ankabeazan’ny firenena erantany, dia ireo mpitoraka bilaogy siantifika kosa mizara izay zava-misy fantany ho fanazavana ireo zava-nitranga. Ireo mpitoraka bilaogytsiantifika dia tsy miezaka mamantatra izay zavatra nitranga fotsiny ihany fa manao izay hahazoan’ny olona tsirairay izay azavainy..

Mihasimba ny Tany

Ilay astrophysicien Théorique, Ethan Siegel, tao anaty lahatsoratra Manomboka amin'ny Bang! tao amin’ny Scienceblogs.com dia manome fanazavana fototra:

Ny tany dia toy ny mofomamy boribory lehibe iray maro sosona. Ny ao afovoany indrindra — dia vita amin'ny vy sy nikela — no matevina indrindra amin’ny sosona rehetra, ary ny lithosphere – ny fonony ambony indrindra amin'ny tany no manify indrindra … Raha tiantsika ny hanana tontolo mitombina tsara, dia tokony ho toy ny “tongolobe” tonga lafatra izy io, miaraka amin’ireo singa fototra mavesatra sy matevina mitangorona eo afovoany – isaky ny sosona iray – mihena tsikelikely ny lanjany rehefa miha manalavitra ny ivony. Tian’izy ireo ho tahaka izao izany, voafono tsara sy voarafitra mafy tsara, toy ny filentiky ny vato any anaty rano, fitsingevanan'ny vongan-dranomandry eny ambonin’ny ranomasina, na fiakarany balaonina voasesika helium ho eny an'habakabaka… Indrisy anefa fa ny planeta dia tsy mafy orina mihintsy amin’izao fotoana izao. Saingy, rehefa mifandimby ny fotoana, ny hery misintona ao aminy dia miezaka manampy azy ho tonga amin’izany. Amin'ny fomba ahoana? Amin'ny fitondrana ireo sombin-javatra mavesatra sy goavana ho eo afovoany ary fampakarany moramora ireo singa madinika sy maivana …Dia izany no mitranga — amin'ny reska angovo— isaky ny misedra horohoron-tany isika!

Nandrita izay fotoana izay dia niteny ny dikan'ny zavatra nitranga tany Japana ao amin’ny biloginy Highly Allochthonous i Chris Rowan, geologista avy any Chicago.

Ny horohorontany nitranga ny Zoma ary voarefy ho mahery vaika tokoa tamin'ny fitaovam-pandrefesana teto an-tany, miaraka amin’ny onjan’ny horohorontany re nanerana an’i Amerika Avaratra sy nahitan'ny fitaovam-pandrefesana ny isa ambony indrindra tany Royaume-Uni. Raha atambatra ireo zavatra azo avy amin’ny tambajotra iraisam-pirenena fandrefesana ny fihetsehan'ny tany, dia azo aseho kajiana ho sarinà mekanisma ‘focal’ toy ny baolina iray ny fiovàn'endriky ny tany ao anatin'ny horohorontany. Ny mekanisma ‘focal’ an'io horohorontany io, aseho etsy ambany, dia manondro tsindry, avy any amin'ny ilany somary mitongilana miankandrefana na ilany somary mitongilana amin'ny farany atsinanana.

Focal mechanism for the main shock, and cross-sections of the two possible fault orientations

Mekanisma 'focal' avy ao amin'ny foiben'ny fihetsehana, ary tondrozotran'ireo mety ho lalanjotra roa azo saintsainina. Loharano: Chris Rowan, Highly Allochthonous

Mahavariana, i Siegel sy ireo siantifika sasany (toa an'i Irene Klotz ao amin'ny Discovery News) dia milaza fa ny fanisahana ireo akora matevina sy mavesatra ho eo akaikiny ivon'ny tany dia hampitombo ny hafainganam-pandehan'ny fihodinan’ny tany amin'izao fotoana ka hampihena ny andro iainana ho toy ny ampahan-tsegodra vitsy monja. Mitovy ny hevitra fototra hitan'ny tsirairay rehefa mijery ireny mpikorisa amin’ny skate ireny na ireo mpandihy rehefa miodina izy ireo no sady mampitombo ny fahaingam-pandehany amin'ny famoretana ny tànany.

Sady nalahelo i John Horgan siantifika Amerikanina tao amin'ny bilqogy Cross Check no niteny fa tsy mbola fitaovana iray azo haminaniana mialoha ny horohorontany ny siansa kanefa koa tsy hadisoana ny miezaka mamantatra. Ny tetikady mivaingana indrindra – fiezahana mamantatra mialoha ny horohorontany amin’ny alalan’ny fanadihadiana ny horohorontany izay nisy teo aloha– dia tsy nahomby. Ankoatra izay:

Fomba faminavinàna maro no efa natolotra ary misy ny efa nandramana. Ireny dia nilàna ny fijerena mialoha ny mety ho ahiahiana fa mpialoha làlana ny horohorontany, toy ny fiakarana tampoka eo amin'ireo rano ambanin'ny tany; fivoahan'ny entona mitondra taratra radon; fractoluminescence, na tsela-pahazavana alefan'ireo vato voaporitra; fihetsehana tsy mahazatra tsinjo amin'ireo rano mihandrona; fisian'ny onja electomagnétique basse fréquence fiovan'ny fitondran-tenan'ireo biby samihafa. Fomba iray nahazatra hatry ny ela an-dry zareo Japone ny fijerena ny fihetsiky ny trondro-saka (catfish), izay heverina ho isan'ny tena sarotiny amin'ny onja electromagnetique mialoha ny fihetsehan'ny tany. Tsy nisy azo nianteherana daholo ireny na iray aza.

Izany tsy midika fa ny siansa dia tsy nahavonjy aina maro tamin'ny horohorontany. Ohatra, noho ny firoboroboana goavana teo amin'ny sehatry ny fikarohana sy famoronana

Sarinà Tsunamis alefa miadana

Efa hitan’ny olona rehetra izao ny ireo lahatsary mihoatra ny saina misy an'ireo onja goavana tsy hay notohaina nitondra poti-javatra maro nivarina any an-dranomasina, nitelina tanàna sy tany famokarana maro, ary na dia ireo tranobe nirehitra aza moa dia nofaohany avokoa. Raha mbola manomboka mifanontany ny mponina ny amin’izay zavatra nety ho nahatonga ny loza dia nirotsaka an-tsehatra ireo mpitoraka bilaogy siantifika ho famaliana ireo fanontaniana.

Ao amin’ny GeoMika, ilay Fizisianina sy jeolojista Mika McKinnon, dia manome fanazavana fototra momba ny tsunamis, ary mampiseho ny fiavahan'izy ireny amin'ny onja ateraky ny fiakaran'ny ranomasina sy ny onja ateraky ny rivotra.

Ny Woods Hole Oceanographic Institute dia nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube tamin’ny herintaona lasa (Nozarain'ny GrrlScientist tao amin’ny lahatsoratra Punctuated Equilibrium an'i Guardian) mampiseho ny fomba fihoaran'ny rano mandritra ny tsunami.

Grant Jacobs, mpitoraka bilaogy iray avy any Nouvelle Zélande koa dia manome loharano marobe avy amin’ny “US Government's National Oceanic and Atmospheric Administration” – Sampan-draharaham-panjakana Amerikana momba ny Ranomasina sy ny Habakabaka ary koa loharano hafa mifandraika amin'ny rafitra fiomanana sy ny fampandrenesana, ao anatin’izany ny sarintany azo kitihana misy ireo balaonina mitsingevana napetraky ny governemanta Amerikana hanaraha-maso ny tsunami.

Mikatona ny famoahan-kevitra

Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny