Fizaran-doka no manamarika ny andron'ny vehivavy erantany ao Ganà

Isan-taona manerana izao tontolo izao no  ankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 8 martsa. Hetsika an-jatony no hita tsy tamin'io andro io ihany fa nandritra ny volana martsa mba hanamarihana ny zavabitan'ny vehivavy teo amin'ny sehatra ara-toe-karena, politika ary sosialy.

Tsy namela io andro io handalo fotsiny i Ganà sy ny vehivavy ao aminy . Maro ny hetsikanandeha ka nitarika ireo bilaogera sy ny fiarahamonim-pirenena ao Ganà hamosaka ny heviny/ny tsikera ato amin'ny aterineto.

Nanambara Ny minisitera misahana  ny vehivavy sy ny ankizy Ganiana fa tokony hankalazaina miaraka amin'ny vehivavy Ganeana nahazo ny lokan'ny Fahatsarana faratampony ity andro natrehan-dRtoa vadin'ny filoha Ernestina Naadu Mills nasaina ho vahiny manakaja .

Ny lohahevitry ny amboara dia “Omena fahefana ny vehivavy Ganiàna mba ho fampandrosoana ny firenena ”. Ny handrisika ny vehivavy Ganiàna no tanjon'ny fifaninanana mba hikatsaka ny tsara indrindra amin'ireo karazana lalam-piainana ary handray ny toerana sahaza azy eo amin'ny fizotry ny fampandrosoana ny firenana. Ny sori-dalana dia anisan'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ary ny lanonana  voalohany nanolorana ny amboara dia natao tao amin'ny Ivo toeram-pivoriana iraisam-pirenena ao Accra ny 8 Martsa 2011.

Ato-Ulzen Appiah, mpanoratra ny “The Vim Views & Versions – Blogs of a MIghTy African” bilaogy nosoratany amin'ny atsipirihany momba ny lanonana izay nahita an'i  Dorothy Gordon, talen'ny ivotoeran'ny fahatsarana indrindra momba ny TIC Ghana-India Kofi Annan nahazo mari-pankasitrahana tamin'ny asany momba ny fampandrosoana ny TIC ao Ganà.

Dorothy K. Gordon mandray ny amboarany TIC

Nanadihady an'i Farida Bedwei i Edward Amartey-Tagoe , mpanoratra ny  ” “Ny famaritana ny atao hoe fahagagana ” toy ny lahatsoratra  Fanampiana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy:

Nahazo ny vokatry ny fitiliana nataon'ny dokotera  momba ny paralysie cerebral (fahalemen'ny atidoha) i Farida ary ao amin'ny fiarahamonina mihevitra ny tratran'io aretina io ho avela sy ijerena azy ireo ho tsy mahavita zavatra ho an'ny mpiara-belona aminy; no nanapahan'i Edward hevitra hanasongadina azy amin'ny alalan'ny fikaroham-balinteny avy amin'ny fanontanian-drazazavavy sasany

Anisan'ny tao anatin'ny fanadihadina ity:

1. Inona no tena nofinofinao?
Ny tena nofinofiko toy ny mpanoratra dia mba hahazo Booker sy Pultzier. Ny nofinofiko toy ny injeniera software/ entrepreneur dia hitarika ireo harena voalohany an'ireo orinasa 100 ao Ganà. Ny nofinofiko toy ny vehivavy Ganiana mana-kilema dia mba afaka manova ny fomba fijery ny fahasembanana ao Ganà sy Afrika.

2. Mihevitra ny tenanao ho mpanoratra sa mpandrindra (programmeur) ianao?
Mihevitra ny tenako ho injeniera rindram-baiko (Software) aho izay manana fahaiza-manoratra voajanahary

3. Momba ny inona ny bokinao ary inona no nanosika anao hanoratra izany?

Mahakasika ny fiaraha-monina Ganiana ankehitriny ny boky avy amin'ny fijerina tovovavy kely sembana . Nanoratra io boky io aho mba hanova ny fomba fijery; fomba fijery ireo izay toa anay ao Ganà, Afrika sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, sy ny fomba fijery ireo olona manana fahasembanana. Manoatra noho ny SIDA izahay, ankizy miaramila, Hanohanana sy Kolikoly ary momba ny fotoana nampahafantarinay izany rehetra izany koa ny boky. Fotoana izao ilazanay ny tantaranay manokana sy hanova ny fijery izao tontolo izao izay kontinanta mahafinaritra antsika.

Ireto ambany ireto ny tweet momba ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy:

Dorothy K Gordon, izay olona tokana nahazo fankasitrahana eo amin'ny sehatry ny ICT. Tsy mora ny nampamirapiratra ny lalampiaina-nodiavina. Miarahaba. #Internationalwomensday @nnenna

RT @nnenna: Ramatoa Affei-Dadzie no Filoha vehivavy voalohany tao amin'ny fikambanan'ny mpanao gazety Ganà#Internationalwomensday @ArriannaMarie

Tratry ny fetin'ny vehivavy ho an'ireo ” andriambavilanitra”  rehetra eo amin'ny fiainako.Ny tiako ambara amin'ny hoe  “manokana” dia ianareo REHETRA izay nanohana ny nofiko/ny fikasako… Andronao izany!Mifalia 🙂 @MacJordan

Mihorakoraha ho an'ireo vehivavy mendrika sy mahagaga izay tsy eto! nahatratra ny fetin'ny vehivavy! #internationalwomensday @Xhumonne

54% ny parlemantera Roandà dia vehivavy!!! dingana manaraka ny filoham-pirenena! Omeo hery ny vehivavy, omeo hery ny firenena! #internationalwomensday #iwd tao amin'ny @BeautyOfRwanda

Vehivavy Ganiana voalohany nosokajiana ho Mpandrindra an-kajimirindra (Programmeur à l'informatique). Namorona ny Camelot. Elizabeth Joyce Villars #Ghana #internationalwomensday tao amin'ny @nnenna

Sary: Nnenna Nwakanma

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.