Azerbaijan: Maro Ny Fihetsiketsehana, Maro Koa Ny Fisamborana…

Taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ireo tanora mafàna fo omaly tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nanao ny azy koa androany ireo mpanohana ny antoko mpanohitr'i Musavat. Nalaina tàhaka ihany koa tamin'ny hetsiky ny mpandàla ny demaokrasia tany Ejipta sy Tonizia, tsy tena goavana toy ireny anefa ilay hetsika fa raha ny vivavina dia vitsivitsy ka hatramin'ny anjatonjatony eo ny olona tao, saingy nafonja ihany ilay izy.

Tsy dia nisy koa tatitrabetska manao ahoana tany anaty aterineto toy ny  Facebook sy ny Twitter, saingy izay nitranga kosa dia efa afaka milaza ny tantara fohin'ny ezaka tsy firaharahàna ny fameperana henjana ny fahalalahana manao famoriana olona ao anatin'ilay repoblika manan-karen-tsolika tao amin'ny repoblika Sovietika fahiny.

@FuserLimon Misoka any koa ny hetsi-panoherana faharoa, mikarakara famoriam-bahoaka ao ankianjan'ny Fountain ny antokon'i Musavat ao #baku #azerbaijan

@parvanapersiani Nakatona daholo ny làlana rehetra mihazo ny kianjan'i Fountain, toerana hisian'ny fihetsiketsehan'i #Musavat ny #11march ao #baku #azerbaijan

Raha mbola ao anatin'ny fihetsiketsehana indrindra ary maro ireo mpanao fihetsiketsehana no voasambotra, tanora azerbaijani mafàna fo iray no nanondro olona ambony iray mpikambana ao amin'ny amtokon'ny mpitondra, ny  Yeni Azərbaycan Partiyası (Antoko Politika Vaovao Azerbaijani) mitazana avy eny aminà trano fisakafoana iray tsy lavitra eo.

@parvanapersian Mubariz Gurbanly sy Siyavush Novruzov mipetraka ery aminà toerana iray fivarotana pizza, mihinana sy mitazana ny herisetra ataon'ny polisy amin'ny vahoaka. #11march #azerbaijan #baku

@parvanapersian manampahefana iray hafa mpikambana ao amin'ny governemanta ihany koa eo amin'ilay toerana fivarotana pizza, mihinana&mitafa amin'i gurbanly sy novruzov, mijery ny heisetran'ny polisy #11march #baku

@rashadbayramov miezaka manadio ny kianjan'i Fountain mba tsy hisy mpanao fihetsiketsehana ny polisy. Ampolony ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra. Mitohy ny hetsika ao an-dalamben'i Nizami #march12 #12mart

@parvanapersian andian-jatovo vaovao mizotra hihazo ny kianjan'i Fountain #11march #12march #azerbaijan #baku

@parvanapersian andian-jatovo iray mihazakazaka mankany amin'ny kianja azneft, tsy maharaka azy ireo ny polisy 🙂 #11march #12march #azerbaijan #baku

Sary: Abbas Atilay / RFERL

Na izany aza, ny fanisàna azy ireo ho anjatony na  an'arivony dia tsy nankaiza tamin'ireo polisy ry zareo mpanao fihetsiketsehana, sady tsy ela akory fa ora roa taorian'ny nanombohany dia efa nitsahatra ilay fihetsiketsehana

@parvanapersian Maty momoka ny hetsika nataon'ny #Musavat, nandao ny sehatra ireo polisy, mbola be ny fandranitana eny amin'ny manodidina #11march #azerbaijan #12march #baku

@rashadbayramov Nifarana daholo ny hetsika #azerbaycan #azerbeycan #azerbaijan #march12 #12mart

Hatreo amin'io dingana io, na izany aza, marobe ireo hafatra mivantana nalefa tamin'ny finday mampiseho amin'ireo mpanao gazety izay mbola teny an-toerana, na dia efa lasa aza ireo mpanao fihetsiketsehana. Kanefa,  tsikelikely, nihahenjana ny toe-draharaha mandra-pandefan'ilay tanora mafàna fo sady mpitoraka bilaogy @ilkin_alisoy izay tsy nampoizina mihitsy hoe voasambotra.

Niely ny feo tao amin'ny Twitter fa voatazona i Alisoy ankoatra ireo maro hafa talohan'ny nahazoana fanamafisana fa hoe nalefa any amin'ny fitsarana izy. Eo anelanelan'ny 50 sy 100 hafa no voatana araka ireo loharanom-baovao samihafa, ary toy ny  maro tamin'ireo tanora nafàna fo ny omalin'iny, i Alisoy sy raha kely indrindra iray amin'ireo no voaheloka hifonja 8 andro.

@onewmphoto Nihenjana kely ny fanarahana ny hetsika ao Baku, Azerbaijan, MIVANTANA avy amin'ny finday ny an'ireo  polisy sy ireo mpanao gazety http://bit.ly/g4vQ67
@parvanapersiani notaterina, i Ilkin Alisoy – nandefa mivantana live bambuser avy any amin'ireo mpanao fihetsiketsehana voatazona. Tsy takatro ny findainy #11march #12march #azerbaijan

@Ilkin_Alisoy Səbael District Court. #march11 #11mart #azerbaijan #persistance

Mahatsikaiky, na izany aza, tsaraina avy amin'ny lahatsariny nalainy sy nivoaka tao amin'ny Bambuser, i Alisoy dia tsy nandray anjara tamin'ilay fihetsiketsehana sady nitatitra fotsiny ny zava-nitranga tamin'ireo tapaka sy namana mpanao gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.