- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Nisy mafana fo iray indray voasambotra, misy manontany ao amin'ny Facebook

Sokajy: Azerbaijan, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Taorian'ny ireo zavatra nampiahiahy izay mety ho fikasana ofisialy ny hanaratsy na hanakana ny fampiasana ny Facebook [1] avy amin'ireo feo hafa any Azerbaijan dia avy indray ireo vaovao mikasika ny fisamborana mafana fo iray hafa, Bakhtiyar Hajiyev. Poa toy izay dia niparitaka tao amin'ny Twitter ny teny ary taoriana kely dia voamarina tamin'ny alalan'ny tatitra amin'ny teny Anglisy avy amin'ny Radio Free Europe [2] (RFE).

Hajiyev, 29, mpianatra nivoaka tao Harvard ary mpifaninana ho solombavambahoaka taloha, dia iray amin'ireo mpikarakara ny fanentanana amin'ny 11 Martsa izay miantso ny fanaovana fihetsiketsehina hanoherana ny fitondrana.

[…]

Namoaka ity antso ho an'ny mpitandro filaminana avy amin'ny anaran'ny “vondrona Azerbaijani tanora iray” tao amin'ny pejy Facebook-ny i Hajiyev :

“Nahafantatra izahay avy amin'ny fivoaram-baovaon'ny tontolo arabo fa rehefa mangataka fahalalahana ny vahoaka, dia manatontosa izany hatramin'ny farany. Miantso anao izahay hijoro amin'ny lafiny marin'ny tantara, fa tsy hanao herisetra manoloana ny vahoakantsika, mba hananganana fiarahamonina mirindra sy faly miaraka amin'ny vahoaka ara-dalàna aty Azerbaijan.”

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity i Hajiyev no voatana ary voampanga ho nandositra ny raharaha miaramila.  Miteny izy sy ireo mafana fo hafa fa ny fanamelohana azy dia misy ambadika politika.

Raha iray amin'ireo fito moderateran'ny pejy Facebook iray hanao fanoherana amin'ny endriny tahaka ny tany Ejipta, dia toa i Hajiyev irery no mitoetra any amin'ilay repoblika Sovietika taloha manankarena solika. Amim-panesoana, ny iray amin'ireo mpikirakira hafa ireo dia tamin'ny tompon'andraikitra-na[RFE] Azerbaijanandro vitsy talohan'io [3] fa nanokatra ny pejy izy raha nonina tao Azerbaijan na dia mety ho voasambotra aza.

Miteny ireo mpanohana fa ny fitanana an'i Hajiyev dia toa manaporofo izany, indrindra fa nanarakaraka ny fisamborana mafana fo iray hafa tamin'ny volaa lasa teo izany, dia i Jabbar Savalan. Niantso ny hanaovana hetsi-panoherana amin'ny fomba Ejiptianina ihany koa ity tanora mafana fo ity tao amin'ny pejy Facebook-ny.

[4]