Aostralia: Fanao “Tea Party” ho fanoherana ny hetran'ny karbôna

Millicent wind farm, South Australia at sunrise. Image by Flickr user Bush Philosopher - Dave Clarke (CC BY-NC-ND 2.0).

Famokaran-angovo avy amin-ny rivotra ao Millicent, atsinanan-i Aostralia nandritra ny fiposahan'ny masoandro . Sarin i Flickrn Bush Filozofy – Dave Clarke (CC BY-NC-ND 2.0).

Raha mpanoro lalana ny tontolombolongana Oz,  dia ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny hetran'ny toetr'andro no fifidianana federaly manaraka ao Aostralia. Nanjary resaka nahatezitra sy famelezana olo-tokana ny niafarany.

Nizaka maraina mangotraka ny praiminisitra Julia Gillard androany maraina  nandritra ny resadresaka tao amin'ny onja-peo raha hiroso hiady hevitra politika momba ny fikasany hametraka sara ny fandefasan'ny fitaovana ampiasaina karbôna.

Nanambara i Ramatoa Gillard omaly fa hanomboka ny volana jolay 2012 ny soritrasa saingy tsy nanambara izy hoe tahaka ny ahoana ny habetsaky ny karbôna mety handoavam-bola ary tsy nanome daty mazava tamin'ny orinasa hoe inona ny fepetra mahafeno ilay fandefasana [karbôna].
Niditra an-tsehatra tamin'ny ady momba ny karbôna i Gillard

Tsy dia liana loatra ny resaka momba ny toetr'andro i Simon ao amin'ny  Australian Climate Madness. Nifantoka tamin'ny fampanantenana tsy notanterahina tamin'ny fifidianana 2010 izy  ka nanameloka ny praiminisitra ho mpandainga:

Ilay adalan'ny Toetr'andron'ny taona. Julia Gillard, ilay nandainga tamin'ny vahoaka Aostraliana alohan'ny fifidianana farany teo fa tsy hisy ny hetra alaina momba ny karbôna, nefa nanambara izy ankehitrio fa ho tahaka ny vidin'ny karbôna ny hetra alaina momba izany. Araka ny ho fantatry ny mpamaky bilaogy eto, tsy hanaovana na inona na inona momba ny toetr'andro izany sara alaina amin'ny reska karbôna izany, fa  hanimba fotsiny ny fari-pianan'ny Aostraliana sy ny toekareny. Raha tenenina amin'ny fomba hafa dia fihetsika tsy misy fiantraikany ho an'ny tontolo iainana fa hampanginana ireo mpiandany amin'ny resaka maitso diso tafahoatra izay iankinan'ny [sezan’]i Gillard ihany.
Abbott: “fikomian'ny vahoaka” manohitra ny hetran'ny karbôna

Nampiseho karazana fomba fijery hafa mihitsy momba ny fitomboa-kafanana amin'ny ankapobeny ao amin'ny Embrace Australia i Robert Pearce sy ny tokony hisian'ny “asa” atao :

Na dia eo aza ny sara izay hiara-dalana amin'ny hetran'ny karbôna, dia toa tsy tonga saina loatra ny ilàna mijery vina lavitra momba ny hetran'ny karbôna  Atoa Abbot mba hampirona ny toekarena rahampitso ho amin'ny fihenan'ny fandefasana karbôna sy hanome valisoa ireo izay mandeha amin'iny lalana iny rahampitso ary hanasazy ireo izay tsy miraharaha ny hoavin'ny planeta.
Arahamaso i Gillard  amin'ny fanambarany ny hetran'ny karbôna

I Ozzie Saffa Afrikanina atsimo taloha dia nanazava ao amin'ny bilaoginy ny hoe “fankasitrahako ho an'i Afrika atsimo; ny fianjeran'i Etazonia sy i Eoropa; ny fifandrasaina ara-pirazanana; ny hoavin'i Aostralia; fanasilamoana [silamo] izao tontolo izao  ary ny kivazivazy momba ny fitomboan'ny hafanan'ny planeta.’ Ny tsikera atao amin'ny hetran'ny karbôna dia mapahatsiahy ny fomba firesaka fanaon'ny Tea Party tany Etazonia nanoherana an'i Barack Obama:

Tezitra i Aostralia – tezitra i Aostralia satria mampitsikasina an'i Aostralia amin'ny tany ny governemantan'ny Antokon'ny Mpiasa sosialista.

… Rehefa mijery ianao , dia fandrobana ny sarangan'ny mpanankarena sy antonony (tsy mpitaraina) izao handoavam-bola ho an'ny mahantra izay efa migoka ny fikarakarana ara-tsosialy isan-karazany.  Sosialisma mahazatra 101
Fitaka ny hetra aloa amin’ ny karbôna hoy i Julia Gillard

Mampitomany an'i Gary Sauer-Thompson ao amin'ny Public Opinion ny fampidirana politika ity lohahevitra ity :

Sarotra ny ahalala fa ny fanekena dia natao mba hampienana ny fanampian'i Aostralia amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro , na koa hoe vahaolana politika mba hampiemotra ny fitrandrahana ara-barotra indray. Amin'izany sehatra izany, dia nirona tany amin'ny tetikady politika aho hatramin'ny nilazana ny mifanohitra ny zava-miseho.

Amin'izany dia any amin'ny resaka politika ny ady — fa tsy polisy, tsy misy porofo, ary tsy misy siansa. Ny firaisan-dina, ireo lehiben'ny mpandoto ny tontolo iainana, ny indostria mineraly sy ny fanaovan-gazety dia hiady mafy izany politika izany.
ALP sahirana amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro?

Grog’s Gamut aka Greg Jericho moa dia manadihady amin'ny antsipiriany ny toerana politika misy ny mpitarika:

Manomboka anio ny fifanandrinana lehibe amin'ireto mpanao politika amin'izao fotoana izao ireto. Na i Abbott na i Gillard dia samy tia miady, ny olana ho an'i Abbott dia tsy manana zavatra iadiana i Gillard tao anatin'ny enimbolana. Fa manana izy izao. Matoky tena izy nandritra ny valan-dresaka niaraka tamin'ny mpanao gazety, ary toa miandry ny fifanandrinana ao amin'ny parlemanta.

Ny andro nanendrena azy ho praiminisitra dia niteny tamin'i Abbott izy hoe , “Manomboka ny lalao”.
Marina tokoa izany ankehitriny.

Rightjab, mpitsikera an-tserasera mazoto momba ny Islamo, dia tezitra koa momba ny asa ho amin'ny toetr'andro ity:

Tsy hampiova ny toetr'andro ankapobeny. Saingy hanaramaso ny antsipiriam-piainantsika ny governemanta.
Orwellian Orstralia

Fanohanana voalanjalanja ny an'i Harry Clarke mpanoratra ny On economics, politics & other things fa tsy vokatry ny ny fihetsika mampionta-po :

Faly aho fa hampiditra karazana haban'ny  karbôna ny governemanta Aostraliana amin'ny volana jolay amin'ny herintaona – ny hevitra itovizana dia eo ho eo amin'ny $26 isaky ny taonina CO2 na dia mbola tsy voalaza aza hoe ohatrinona ny haba alaina. Ary koa ny vina  3-5 taona aorian'izany.  Ny vaovao kely milaza ny sora-bidy momba azy ity dia natolotr'i  Peter Martin ato.   Ny “mitranga mihemotra toa lelon-jaza” amin'ny fanomezana sanda ny karbôna no nahatonga ahy ho malina nefa ity no vaovao tsara indrindra ho ao anatin'ny taona maromaro. Araka izay novakiako, nanapa-kevitra ny hanohitra ny fepetra i Tony Abbott amin'izao fotoana izao saingy mbola tsy nanaiky ny hanaisotra azy koa raha tokony hahazo ny fahefana amin'ny fifidianana manaraka – mora fantarina izany satria tsy manana politika matotra momba ny toetr'andro ny Antoko Liberaly. Ankehitriny miatrika ny asa fandresen-dahatra ity fepetra noraisina ity amin'ny vahoaka Aostraliana ity i Julia Gillard sy ny Antokon'ny mpiasa ankehitriny.
Ny vidin'ny karbôna ao Australia

Café Whispers dia vondrona blaogy izay amoahako lahatsoratra matetika. Tsy nihemotra tamin'ny fitsikerana an'i Tony Abbort , mpitarika ny mpanohitra  mihitsy i Nasking :

Mitady fifantohana amina fomba fanaon'ny ankizy indraindray izy , hoy ity bilaogera ity…Mpaniratsira sy mpanaratsy isaky ny miteny…mpandiso filazana ka lasa foto-bozaka mpanjera eo amin'ny tontolo politika…fefin-tariby mibahandalana mitsilotsilo ho an'ny olona mitaky fanovana izay tsara ho tombotsoan'ny besinimaro…enta-mavesatra ho an'ny Mpiaradia izay nozarazarain'ny fampitahorany, vovòn'alika, milaza TSIA amin'ny zavatra rehetra, ny molotra alohan'ny anantonana eo am-baravarana …vava aloha fa mamonjy asa.

Iray amin'ireo manivaiva an'i Abbort amin'ny tao amin'ny Churchillian hyperbole:

“Hiady amin'izany izahay isa-tsegondra isa-minitra, isan'ora ,isan'andro, isan-kerinandro, isam-bolana,”

(Rahoviana no tsy hanao ny fihatsapan'i Churchill  anoloan'ny fitaratra…miady eny amorondranomasina…ary mivoy bisikileta tahaka ny adala)

Mitohy ny bedibedin'i Abbott

Menzies House , ‘ny fikambanana lohalaharana Aostraliana ho an'ny mpitana ny mahazatra, elatra afovoany-havanana ary mpisaina sy mpikatroka  tia fahafahana baranahiny’, dia anarana azo avy amin'ny praiminisitra mpitana ny mahazatra hafa, ny praiminisitra liberaly Aostraliana Robert Menzies. Nanomboka nisehoseho an-tserasera izy  mba hanamafisana ny fampielezan-kevitra:

Ny Menzies House dia afa-po tamin'ny fanambarana ny tetikasany farany – www.StopGillardsCarbonTax.com

Fantatsika fa ny hetran'ny karbôna dia tsy inona fa fangalam-bola mahamenatra ataon'ny governemanta Gillard-Brown. Tsy mahavita na inona na inona amin'ny fanampiana ny tontolo iainana izany, ary indrindra hanimba ny fianakaviana Aostraliana sy ny orinasa.

Hanimba ny toekarena izany, hahatonga fahaverezan'ny asa, ary ny fandoavan'ny tokantrano dolara anjatony amin'ny hetra fanampiny.
Tetikasa vaovao MH: Ajanony ny hetran'ny karbôna  nataon'i Gillard

Manontany aho hoe iza amin'ny olo-tian'ny mpanjaka anglisy, Bob Menzies, no hanao fanambarana’ typo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.