Ejipta: Fisehoana tamin'ny televiziona nitarika ny fialàn'ny praiminisitra

Ahmed Shafik, praiminisitra  Egyptiana izay notendren'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, dia noterana hametra-pialàna androany taorian'ny nisehoany tamin'ny fandaharana iray ao amin'ny fahitalavitra ny Alarobia alina lasa teo (2 martsa). Ity fandaharana ity dia  novelabelarin”i Zeinobia tahaka ny tantara ihany.

Tsy holazaiko hoe alina tsy fanadino ilay fandaharana tao amin'ny fahitalavitra Egyptiana satria mbola tsy fahita aty amin'ny tontolo Arabo izany taloha hatramin’ ny nanombohany nampiely sary avy tao Iràka.

Ny alina lasa teo, “ON TV” dia nametraka tantara tamin'ny televiziona raha nandray ny adihevitra politika niaraka tamin'ny praiminisitra sy ny mpanohitra tao Egypta. Ity fizarana ity dia manomboka amin'ny 10 maraina ka mifarana amin'ny 2 ora antoandro, ora eto an-toerana.
Down With Shafik's Government
Sary araikitra (autocollant) milaza hoe: Miala ny governemanta Ahmed Shafik.

Sary @mernathomas

Nandritra ny fizarana faharoa ny fisehoana, niaraka tamin'ireo mpanoratra  Egyptiana roa  sy mpanao gazety i Shafik, Alaa Al-Aswany sy Hamdi Kandeel, tompon'ny Naguib Sawiris, ary koa ireo mpakafy ny fisehoana, Yosri Fouda sy Reem Maged. Mafana ny adihevitr'i Aswany sy Kandeel niaraka tamin'i Shafik sady nitsikera mafy azy .

@Sarah_Akl: Niharatsy ny adihevitra .

Nandritra ny dokam-barotra, maro ny olona niandry fa  hifamono izy ireo.

@luelabie: Andeha hifamono  ao ambadiky ny sehatra izy ireo.

Ny zava-dehibe amin'ity fizarana ity araka ny fahitan'ireo mpijery azy dia ny filazana zavatra betsaka momba an'i Shafik.

@Phi251: الخلاصه .. انه رئيس وزراء لا يملك اى معلومات عن اهم الموضوعات التى يسأل عنها الشارع .. اذن لا يستحق ان يبقى بمنصبه
@Phi251: tsy mahita avaly amin'ireo fanontaniana lehibe apetraky ny vahoaka eny an-dàlana ny praiminisitra. Araka izany dia tsy mendrika ny hijanona eo amin'ny toerany izy.
@ahmedBedeir: رئيس الوزراء حتي الان وبعد 30 يوم لا يعلم من هو مدبر احداث الاربعاء الدامي!؟ اذن من يعلم!؟ عليه ان يستقيل الان
@ahmedBedeir: ny praiministra, 30 andro taorian'ny  fanafihana misy rà mandriaka tamin'ny Alarobia , dia mbola tsy fantany hoe iza no ambadik'izao fanafihana izao! Fa iza no tokony ahalala izany? Tokony hametra-pialàna tsy misy hatak'andro izy.
@rania_hafez: Voafetra ny fahefan'i Shafik ao amin'ny governemanta.

Voatsikeran'ireo mampiasa Twitter fa tsy mahalala fomba i Answany. Na dia izany aza, tsy nanakana azy ireo hitsikera an'i Shafik koa izany.

@NoorNoor1: Aleoko mihaino olona tsy mahalala fomba toy izay mihaino olona mandainga sy mamitaka. Fampitandremana an'i Aswany.
@rania_hafez: Very lavitra i Alaa El Aswany…. Shafik dia tsy misy na inona na inona hoverezina.

Taorian'ny fisehoana, mazava amin'ireo olona sasany ao amin'ny Twitter fa efa mananontanona ny fanesorana an'i Shafik eo amin'ny toerany.

@Yasser__Abbas: Mino aho fa  hanatantara ity fisehoana ity ho ilay “nandray an'i Alaa Aswany ny Seho ka nandresy ny -praiminisitra teo aloha- roa andro mialoha ny nialàny!

Tsara ny manamarika fa mbola mitohy ny fihetsiketsehana mitaky ny fialàn'i Shafik hatrain'ny andro nialàn'i Mubarak tamin'ny 11 febroary, iny fisehoana farany iny dia toy ny fiafaran'ny tantara politikany.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.