Libya: “Vaovao mafana: mandainga i Gaddafi”

Ny mpitondra Libyana, ny Kolonely Muammar Al Gaddafi niresaka tao amin'ny fahitalavim-panjakana nandritra ny adin'ny 3 teo ho eo tamin'ny alarobia 2 martsa lasa teo, ary nilaza ho tsy mahafantatra fa manohitra ny fitondrany ireo mpilahatra sy mpikambana sasany ao amin'ny tafika. Ankoatra ny maha-mpanao didy jadona azy, izay nijanona teo amin'ny fitondrana efa ho taranaka efatra nifandimby izao, dia mpanenjika ny vondrona Islamista, ireo firenena vahiny izay lazainy fa mamofona fanjanahana ary ny media iraisam-pirenena koa izy, media izay manao tantara be mikasika ny fitontongan'i Libya mankany amin'ny fahapotehany.

“Tsy sahiko eritreretina akory hoe mpanohitra am-pilaminana misy mamono,” araka ny nolazainy. “Any Amerika, Frantsa, ary na aiza na aiza, raha misy manafika ny toeram-pitobian'ny miaramila hangalarana fitaovam-piadiana, dia tsy maintsy mitifitra izy ireo.”

Nitodika indray tamin'ireo mpanara-dia sy ireo mpanao gazety iraisam-pirenena nanatrika ny lanonana fankalazana ny “fahefan'ny vahoaka” nandritra ny taranaka 3 nifandimby, dia toa nirehareha i Gaddafi raha nikabary, araka ny filazany : ny tsy firaharahiany ny fanovana tany Ejipta tamin'ny volana febroary, ny fahatezerany amin'ireo media iraisam-pirenena noho ny tsy famoahan'izy ireo ny hetsika ataon'ny mpiandany amin'ny fitondrany sy ny fandehanan'ny vahiny mody miala any Libya amin'izay hoy izy misy asa ho an'ny vahoaka Libiana.

Nandany fotoana betsaka izy tamin'ny resaka fifamatoran'ny olana lalovan'ny fireneny sy ny tsikombakomba ataon'ny firenena vahiny – Etazonia sy ny OTAN – hangalana ny solika any Libya sy hanjanahana ny fireneny. Nilazany koa ny vahoaka fa aman'arivony maro no ho faty raha tafiditra any Libya ny miaramila vahiny.

Manolotra fanehoa-kevitra momba ny kabariny ny olona ao amin'ny twitter, fanehoa-kevitra miaraka amin'ny fanesoana izay efa zary mahazatra rehefa miteny i Gaddafi.

@Dima_Khatib:
Miresaka amin'ny olona izay ny ankamaroany dia lehilahy avokoa i Gaddafi, olona mipetraka ao anaty efitrano irery. teo koa ny mpanao gazety iraisam-pirenena. #libya #feb17

@Dima_Khatib: Mikasoaka ny feon'ny fahitalavitra tany Libya, ka ny feon'i Gaddafi dia manako be ohatry ny hira teknô !! #libya #feb17

@ChangeInLibya: tena MANAM-PAHAIZANA izay tompon'andraikitra nampikasoaka ny feon'i Kaddafi iny. #libya #feb17

@JustAmira: mamon-drongony daholo ve ireo mpankafy an'i Gaddafi ireo?

@mosaaberizing: Azoko ekena ihany ny hoe miantso mpikarama an'ady hanampy amin'ny ady, fa ny hoe miantso azy ireo hanatrika kabary sy hitehaka azy dia efa zavatra hafa mihitsy. #GaddafiSpeech

@ChangeInLibya:
Hahahahaha, Aljazeera Arabic tezitra INDRAY ka nanapaka ny kabarin'i Gaddafi#libya #feb17

@Dima_Khatib:
Nandritra ny kabarin'i Gaddafi dia nisy lehilahy iray tany Benghazi nitondra soratra hoe : “Vaovao mafana – mandainga i Gaddafi” !! #libya #feb17

@hudduh:
Tiany hono ny vahoaka ao Benghazi. Tao amin'ny fahitalavitra azon'ny rehetra jerena no nahazoany ny valin'ny hadalany teo no ho eo ihany #feb17 #Libya #Gaddaficrimes


“Vaovao mafana: mandainga i Gaddafi,” avy ao amin'ny pejin'ny Libyan Youth Movement ao amin'ny Facebook.

@JustAmira: Kabary firy ry Gaddafi? Inoanay ianao : tsy misy fanoherana izany. tsy misy olona maty. Mitsangana amin'izay.

@Dima_Khatib:
raha jereko ireo olona mihaino ny kabarin'i Gaddafi dia sorena mitovy amiko ihany! Ny sasany ohatry ny te hatory#libya #feb17

Na dia teo aza ny olana ara-teknika dia maro ihany no afaka nanaraka iny kabary iny mivantana:

@NicRobertsonCNN:#nilaza i Gaddafi fa izay rehetra mamoha varavarana hanampy an'i Libya dia helohina fa mpamadika – nolazainy fa manana sakafo ampy sy fitaovana ampy i Libya.

@SultanAlQassemi:
Gaddafi: Tsy nisaotra antsika i Italia tamin'ny niarovana ny masoivohony. Hosolointsika orinasa indiana sy sinoa ireo orinasa tandrefana aty #Libya

@NicRobertsonCNN: #Gadhafi nanao valim-panafihana tamin'i Etazonia ary nilaza fa tsy hisy fandriam-pahalemana any Mediterranée raha tsy milamina ny any #Libya.

@EyesOnAlgeria:
oham-pitenenan'i Gaddafi: “Raha misy voalavo tafiditra ao anaty lakavinao, ny vahaolana hamonoana azy dia ny fandoroana ny lakavy iray manontolo” #Libya

@SultanAlQassemi:
Gaddafi: Tsy hisy tsy fisian'asa mihitsy any#Libya taorian'i Ejipta sy Tonizia

@SultanAlQassemi:
Al Jazeera nampiseho ny sarin'ny vahoaka nanondro an'i gaddafi tamin'ny kirarony

@SultanAlQassemi: Gaddafi: tsy misy gadra politika any Libya, tsy misy na iray aza. Satria ny politika dia an'ny vahoaka, tianay ny hangalan'ny vahoaka ny fahefana

@Dima_Khatib: nazavain'i Gaddafi ny antony tsy ilazan'ny media arabo ny tena marina any Libya, nolazainy fa mialona an'i Libya ny Arabo satria izy no manana solika be indrindra sy manana velaran-tany goavana indrindra #feb17

@SultanAlQassemi: Gaddafi: nalain'izy ireo ny fitaovam-piadiana matanjaka ary nanomboka nozeran'ny miaramila baomba ny toerana fanatobiana fitaovam-piadiana, amin'izay mantsy tsy afaka ampiasain'ny mpampihorohoro

@Dima_Khatib: Gaddafi : Tsy yankee tahaka an'i Bush sy Clinton i Obama#libya #feb17 #obama

@ShababLibya:
Gaddafi: nogiazan'i Cameron ny volan'i Libya, nosokafako ny masony, tsy ahy ireo, fa an'ny banky libyana#Libya #Feb17

@SultanAlQassemi:Ao amin'ny Al Arabiya izao. Gaddafi: Vonona aho ny hipetraka miaraka amin'ny mpitarika ao amin'ny Al Qaeda ka hifampidinika aminy

@SultanAlQassemi: Gaddafi: ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy rehetra manerana an'i Libya mivoaka daholo haneho ny fanohanany ahy, tsy avoakan'ny fahitalavitra anefa izany, anananay ny sary momba izany.

Rehefa vita ny kabarin'i Gaddafi, mpiserasera twitter vitsivitsy no naneho ny heviny:

@TrablesVoice: mifamahofaho be ny rivotra ao Tajoura, nivoaka koa ireo mpanara-dia an'i Gaddafi niaraka tamin'ny fiarany ka nampaneno anjombona eran'ny tanàna nankalazany ny mpitarika azy ireo.

@JustAmira: taorian'ny kabarin'i Gaddafi, manontany tena aho hoe ahoana izao no ataon'ny media iraisam-pirenena handresena lahatra antsika fa tsy misy na dia iray aza maniry ny fialany

@ToneyBrooks:
#Gaddafi nahazo aina androany maraina. Fotoana lany toa mifanipaka nandritra ny ora roa kanefa anjerany baomba sy dorany ny vahoakany.

@Dima_Khatib: mendrika an'i Gaddafi ny fanamelohana rehetra. Kanefa firy amin'ny olona mitovy aminy sy ratsy noho izy aza no nahazo fanamelohana mavesatra noho ny famonoan'olona nataony? #libya

@libi4ever: malahelo anao aho ry Gaddafi, laingako izany fa mba mandainga ohatranao koa aho, afaka mikakakaka tahaka anao koa aho #libya #17feb

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.