Libya: Ny mpikarama an'ady Afrikana (Lahatsary)

Iray amin'ny zava-manahirana indrindra ny miresaka azy nandritra ny roa herinandro nanoherana ny Kolonely Muammar Al Gaddafi any Libya izay dia ny fitateram-baovao fisiana lazain'ny mpitondra Libyana “Mpikarama an'ady Afrikana” ampiasaina hampijoro ny fitondrany efa mihozongozona.

Efa nitantara ny fisiana mpikarama an'ady avy any Serbia midaroka baomba sivily hatreny amin'ny voromby ny Global Voices. Fa ny ankamaroan'ny tsahotsaho miresaka ny momba ity mpikarama an'ady ity dia mandoko azy ireo ho “vahiny” na “Afrikana” — midika hoe avy any Afrika atsimon'i Sahara sady “Mainty”. Manako na aiza na aiza any amin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena, any amin'ny haino aman-jery arabo, ary any amin'ny fitaovan-tseraseran'olo-tsotra sy amin'ny lahatsary moa ity tantara ity.

Maninona no mametraka endrika mainty amin'ity tantarana mpikarama an'ady ity nefa fantatra fa ny mponina any Libya dia sady misy mazava no misy matroka ny volo-kodiny?

Ao amin'ny taratasy misokatra ho an'ny Al Jazeera navoakany tao amin'ny bolongana Sky, Soil & Everything In Between, i KonWomyn no manahy ny fomba fanatsoran'ny mpitantara ny fanazavazavana ho “mpikarama am'ady avy any Afrika”, tsy mikaroka lalina kokoa hoe iza tokoa moa ireo olona ireo, ary iny fomba fanazavazavana iny no arahin'ny haino aman-jery manerantany.

Ny antony hafa mahatonga ity resaka ity miparitaka fatratra ihany koa dia noho ny tahotra. Ao amin'ny fanehoan-kevitra amin'izay voasoratra ao amin'ny bolongana Arabist.net no anoratan'i “Benedict” momba ity mpikarama an'ady vahiny ity:

… in a climate of fear and scarce information, rumours that violence is being carried out by shadowy outsiders often spread widely (e.g. the rumours of ‘Arabs’ beating protesters in Iran in 2009). Secondly, there are plenty of African migrants in Libya who may be seized as scapegoats by angry crowds, and there are also black Libyans, some of who may be members of the security forces.

Ao anatin'ny tontolo anjakan'ny tahotra sy ny tsy fahazoam-baovao loatra no miely ny tsaho fisiana olo-tsy fantatra loatra (ohatra ny tsaho momba ny ‘Arabo’ midaroka ny mpanao fihetsiketsehana tany Iran tamin'ny 2009). Faharoa, betsaka ny mpifindra monina Afrikana any Libya izay mety hataon'ny vahoaka tezitra [sorona] olona faniliham-pahadisoana, nefa misy koa ny Libyana mainty, ary ny sasany amin'ireny dia mety ho mpitandro ny filaminana.

Na izany aza, ireo mpikarama an'ady any Libya tratra rehefa alaina ny taratasy momba azy dia hita fa avy any Tonizia, Nigeria ary Ginea (Conakry) sy Tchad. Tany Ghana moa dia nisy ny tsaho fa hotolorana hatramin'ny 2500 dolara amerikana izay olona ao Accra vonona hiady ho an'i Gaddafi. Ny any Ethiopia ihany koa dia nisy ny tatitra fa nisy nindramina hiady ny olona avy ao. Indro misy lahatsari-na lazaina ho mpikarama an'ady nosamborin'ny mponina tao AL Barqa, Libya.

Map of Libya and the Mediterranean Sea

Saritanin i Libya sy ny ranomasina Mediterranee

Mizotra ho any Libya

Ho an'ny maro any Afrika atsimon'i Sahara, efa hatry ny ela i Libya no nanintona eo amin'ny sehatry ny asa ary nitoetra ihany koa ho fitodian'ny  fiantsoana ho an'ireo izay mitady ny hifindra monina ho any Eoropa manavatsavana ny ranomasina Mediterranee. Hevitreverina ho 1,5 tapitrisa ny olona avy any atsimon'i Sahara no monina any Libya, miasa amin'ny sehatry ny solika sy ny orinasam-panorenana ny ankamaroany.

Miasa miaraka ara-politika sy manampy ara-bola ny governemanta atsimon'i Sahara rahateo i Gaddafi. Efa nanofana vondrona mpioko maro rahateo ny miaramila Libyana taloha, ary efa nanakarama mpikarama an'ady rehefa nisy nilana izany taloha.

Nandritra ny fotoana voalohany nanjakany ihany koa i  Gaddafi izay fantatra sy notonony am-pitiavana ho ny “ Guide” no niezaka nanambatra sy nanao izay haha-Arabo ny ampaha-tany atsimo indrindra ny tanihain'i Sahara tamin'ny alalan'ny fanerena ny tanora mpifindra monina hatrany Sahel ka hatrany Pakistan hiady ho toy ny andia-tafika tokana tany amin'ny ady nitranga tany Tchad, Uganda, Palestina, Libanona ary Syria.

Fanafihana mpifindra monina

Ny olana hita avy hatrany dia tafihin'ny olona any Libya izay hita fa avy any Afrika atsimon'i Sahara satria raofiny ho mpikarama an'ady. Ao amin'ny bolongana mpanao tamberina Ethiopiana , maro ny mamosa-kevitra ao amin'ny lahatsoratra iray miresaka mpikarama an'ady Ethiopiana ahitana ahiahy fandrao asaritaky ny mpanao fihetsiketsehana ny mpifindra monina tsy manantsiny.

Hoy ny nosoratan'ny mpamosa-kevitra iray “Ganamo” :

Some of those could be innocent refugees. During uprising in a mob mentality people most often do not differentiate well between criminals and innocent foreigners. I have to say this because I believe it from learning it through an experience. While revolution must go on we must be carefully to stand for refugees. Specially Ethiopians in Diaspora since their government cares only for their money and abandons them on their times of need, while other countries are evacuating their citizens. Where will Ethiopian Refugees in Libya go?

Mety ho mpifindra monina tsy manantsiny ny sasany amin'ireo. Mandritra ny fitroarana moa tsy ao an-tsain'ny olona loatra matetika ny manavaka ny vahiny mahavita heloka sy ny vahiny tsy manantsiny. Tsy maintsy milaza iany aho satria nianarako avy tamin'ny zavatra efa niainana. Tokony hitandrina mafy isika rehefa mandeha ny revolisiona hiaro ny mpifindra monina. Indrindra moa ny Ethiopiana am-pielezana noho ny mpitondra ao tsy miraharaha afa-tsy ny volany ihany ary mandao ireo mpifindra monina ireo ao anatin'ny fotoan-tsarotra, raha manavotra ny olom-pireneny kosa ny firenen-kafa. Aiza no handehanan'ny mpifindra monina Ethiopiana eto Libya?

Hitan'ny mpamaham-bolongana sy ny mpazoto an-tserasera sasany avy any Afrika atsimon'i Sahara ho varavarana misokatra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana [diso toerana?] avy amin'ireo avy any Afrika Avaratra ity resaka mpikarama an'ady ity.

Ao amin'ny bolongana pan-Afrikana i N Thompson no manoratra:

Africans in the main have been sympathetic and supportive of the desires of Tunisians and Egyptians in their protests. However, the African media and forums are beginning to ask if the prominence and publicity given to so called African mercenaries running amok amongst Libyan protesters pillaging and raping is beginning to tell a rather interesting story about the motives of some Libyan protesters.

On Sudan.net a question posted by a member of the forum – Is Libya racist? – has generated many emotional responses. Surely, isn’t the first rule of any revolution to garner as much international support from all quarters as possible?

Nanohana sy niray fo tamin'ny fanirian'ny Ejipsiana sy ny Toniziana nandritra ny fihetsiketsehana ny Afrikana tamin'ny ankapobeny. Na izany aza dia manomboka manontany tena ny haino aman-jery Afrikana sy ny any amin'ny fanaovana dinika an-tserasera any amin'ity fanasongadinana izay lazaina ho mpikarama an'ady Afrikana mandroba sy manao an-keriny ny mpanao fihetsiketsehana ity ka manomboka mahaliana izay tena ao an-dohan'ny mpanao fihetsiketsehana Libyana sasantsasany.

Ao amin'ny Sudan.net dia niteraka valinteny nampihetsi-po ny fanontaniana natrangan'ny mpikambana iray manao hoe – Mpanavakavana ve i Libya? Moa ve tsy lalàna voalohan'ny revolisiona ny maka fanohanana iraisam-pirenena araka izay tratra?

Nataon'i Tommy Miles any New York nanako izany eritreritra izany, tamin'ny nanoratany resaka niompana amin'i Afrika Andrefana, Tomathan blog:

In all honesty, I support the people of Libya’s righteous anger against the brutal Gaddafi regime. It will not be going out on a limb at this point to say they will succeed, and that the entire region (including Tchad, Mali, & Niger) will be better off without Gaddafi’s almost constant destabilization of his African neighbors.

But like much of northern Africa, in Libya there is a long history of fear, hatred, and oppression based on skin color. There is a distinct minority of “black” Libyans whose slave origins mean they are still regarded with contempt by some, as there is a large number of political and economic refugees in what is a relatively prosperous state.

Amin'ny fahatsoratra rehetra no ilazako fa manohana ny zon'ny vahoaka ho tezitra amin'ny fitondran'i Gaddafi aho. Tsy dia sarotra loatra ny haminavina amin'izany fa hahomby ry zareo, ary ho mari-toerana kokoa iny faritra iray manontolo (ahitana an'i Tchad, Mali ary Niger) iny tsy misy an'i Gaddafi izay manakorontana matetika ny Afrikana mpifanolo-bodi-rindrina aminy.

Saingy mihoatra noho ny any Afrika Avaratra dia efa voarakitry ny tantara hatry ny ela ny tahotra, fankahalana ary ny fanaovana tsindrio fa lavo miankina amin'ny volon-koditra. Miavaka tsara, any, ny “mainty” vitsy an'isa izay taranaka andevo izany hoe ambanimbanian'ny sasany hatrany izy ireny, raha misy ny mpialokaloka noho ny antony ara-politika sy ara-toekarena ao amin'ity firenena azo lazaina fa manankarena ity ihany.

Hoy ny mpamosa-kevitra iray amin'ity lahatsoratra ity, mitondra ny anarana hoe “Arabo”, tsy mitovy hevitra amin'izay voasoratra:

A purely manufactured controversy. Libyans have also reported that there are European mercenaries and you conveniently forget that because it doesn’t suit your racism agenda. The point of making it known that they are African is identification, it has nothing to do with skin color (a classic case of projection of Western biases), but with identifying a threat (based on language, since “African” denotes a non-Arabic speaking person from the continent rather than a black person as you seem to think). Libyans are more than aware that there are Libyans killing them, after all fighter jets are not being flown by mercenaries nor is the elite army corps that is headed by Gaddafi’s son a foreign one. You would have served yourself better if at this time of great distress for the Libyan people, you remained silent until all the events are known, rather than push an agenda to insult people fighting and dying for their liberty based on nothing but speculation.

Fampiadian-kevitra noforonina fotsiny. Nitatitra ihany koa ny Libyana fa misy mpikarama an'ady Eoropeana ary toa mifanaraka ny hanadino izany ianareo satria tsy mifanaraka amin'ny fanavakavahana tianareo avoitra. Ny teboka hahalalana azy ireo fa Afrikana izy ireo dia amin'ny alalan'ny famantarana, tsy misy idiran'ny volon-koditra mihitsy ( avy amin'ny fomba fijery mitongilana Tandrefana) fa amin'ny alalan'ny loza mitatao (miankina amin'ny fiteny, “Afrikana” rehefa voamarika fa tsy miteny arabo ilay olona avy eto amin'ny kaontinanta fa tsy ilay olona mainty izay eritreretinao). Ny Libyana no mahafantatra kokoa fa misy Libyana mamono azy, rehefa fantatra fa tsy ny mpikarama an'ady no manamory ny voromby mpiady, ary tsy vahiny ihany koa ny vondro-tafika tarihan'ny zanak'i Gaddafi io. Manampy ny tenanao kosa ianao amin'izao fotoan-tsarotra andalovan'ny vahoaka Libyana izao, ny mangina mandrapahafantatrao ny tranga rehetra, fa tsy manery ny fandaharam-potoana hanompa ny vahoaka miady sy maty ho amin'ny fahafahany izay miorina amin'ny eritreritra mandalo fotsiny ihany.

Mamindra fo amin'ny mpikarama an'ady sasany voasambotra ihany koa ny vahoaka any Libya. Ity lahatsary manaraka dia mampiseho olona mihoatra ny iray miaro ny lazaina ho mpiady amin'ny hatezeram-bahoaka (Fampitandremana: sary mety hanohina).

Mpikarama an'ady tanora iray avy any Tchad no milaza ao anaty resadresaka nifanaovana tamina gazety anglisy  The Telegraph fa nisy olona nihaona taminy nilaza fa tian'izy ireo halefany hiasa any Libya izy. Nefa naodina ho any Al-Bayda ny voromby, tao izy sy ny niara-dia taminy no nomena fitaovam-piadiana ary nobaikoana hamono ny mpanao fihetsiketsehana.

Ny bolongan'i Ridja avy amin'ny nosy Komoro eto Afrika no nandray ity , nandray ity lohahevitra ity [Fr]:

Dans une vidéo postée sur YouTube, un homme noir, présenté comme un mercenaire, reconnaît avoir été recruté par Khamis, l'un des fils du Guide, pour massacrer le peuple. Aveu véritable ou tentative désespérée d'un pauvre diable de se sauver d'une foule qui menace de le lyncher? D'autres films sur Internet montrent les dépouilles de supposés soldats de fortune morts au combat. Les sites des Libyens en exil parlent eux aussi de ces soldats étrangers, évoquant les rumeurs les plus folles, comme des salaires de 30.000 dollars.

Tanaty lahatsary nivoaka tao amin'ny YouTube, lehilahy mainty iray, nambara ho mpikaram an'ady, nanaiky ka nalain'i Khamis, zanaka lahin'ny Guide, handripaka ny olona. Tena fiaken-keloka ve sa fitadiavan'ilay olona hamonjy ny tenany tsy hosaritahan'ny olona? Sarimihetsika hafa hita amin'ny aterineto mampiseho ny sisan'ny lazaina ho zary lasa miaramila maty an'ady. Ny vohikalan'ny Libyana an-tsesintany ihany koa dia milaza ireo miaramila vahiny, mampahatsihy ny tsaho miely indrindra, fa mikarama $30.000 Amerikana.

Vincent Harris ao amin'ny bolongana Colored Opinions, bolongana misahana ny politikam-pifindra-monina Afrikana, mitantara fa manana ny fahadisoany ihany koa ny mpitondra Eoropeana:

Europe has a heavy responsibility for the well-being of refugees in Libya. The reason I say this is obvious, European governments, like the Netherlands, helped Libya to create a buffer against subsaharan African immigrants to Europe. Who does not remember Gaddafi's recent visit to Italy? It seemed funny to see [Berlusconi] one of the most xenophobic presidents receive Gaddafi, but in reality the visit of Libyan president Gaddafi was in line with European policy to use Libya as buffer to counter immigration.

Manana andraikitra mavesatra amin'ny fikarakarana ny mpialokaloka any Libya i Eoropa. Mivandravandra ny antony lazaiko, nanao izay hananganana an'i Libya ho faritra fanakanna ny mpifindra monina Afrikana tsy ho tonga any Eoropa ny fitondrana eoropeana, tahaka an'i holandy. Iza no tsy mahatsiaro ny fitsidihana nataon'i Gaddafi tany Italia? Mampihomehy ihany no mahita [an'i Berlusconi] iray amin'ireo filoha mpanavakavaka indrindra mandray an'i Gaddafi, sainy ny tena marina ny fitsidihan'ny filoha Libyana Gaddafi dia ao anatin'ny politika eoropeana indrindra ny fampiasana an'i Libya ho faritra fanalefahana hanoherana ny fifindra-monina.

Iray amin'ny ahiahian'ny maro indrindra, dia ny olana momba ny mpikarama an'ady ity mbola vao eo amin'ny sehatra fanombohana fotsiny. Avy amin'ny bolongana the Arabist :

… if the regime suddenly collapses, how will the successors of the regime deal with several thousand heavily armed and unpaid mercenaries in Libya’s major cities?

Raha mirodana tampoka ny fitondrana, ahoana indray ny hataon'ny mpandimby eo amin'ny fitondrana amin'ireto mpikarama an'ady an'arivony ary fitaovam-piadiana sady tsy voaloa ny karamany mameno ny tanàn-dehiben'i Libya ireto?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.