Lahatsary: Hazakazaka am-bisikilety midina an-tendrombohitra mahavariana anaty tanàna

Ao an-tanànan'i Valparaiso any Chile, no efa nisika hazakazaka am-bisikilety misosa midina tao anatin'ny folo taona farany; ny Amboara Valparaíso Cerro Abajo. Ny manavaka azy amin'ny hazakazaka misosa midina amin'ny tanàna na toerana hafa dia ny toerana: any an'arabe sy tohatra ao an-tanàna no izoran'ny hazakazaka.

Hazakazaka midina an-tendrombohitra Sarajevo an i 3dh3m CCBySA


Indro misy lahatsary mampiseho mpifaninana iray mbola manao fanandramana mialoha ny hazakazaka tena izy, mi-zig-zag eny an'arabe tarihin'ny tsipika plastika ary ankafizin'ny mpijery:

Ary hita fa tsy ny alika ihany no manelingelina ny lalan'ny mpitondra bisikileta fa tahaka ny hita amin'ity lahatsary manaraka ity dia misy olona iray liana kokoa amin'ny fandraketana ny hazakazaka ka manadino ny miala amin'ny lalana:

http://www.youtube.com/watch?v=xiUja3r_EWU

Ary amin'ity lahatsary ity, ny mpihakazaka no kinga amin'ny fialana amin'ny sakana isan-karazany, mikintoantoanan'ny tohatra, mitsambikina amin'ny rindrina sy amin'ny solampy:

Saingy tsy any Chile ihany no misy ny hazakazaka midina an-tendrombohitra anaty tanàna: ity hazakazaka manaraka ity, noraiketina avy amin'ny fankantsary atao amin'ny satroka no mampiseho hazakazaka ao a-tanànan'i Sarajevo,  Bosnia sy Herzegovina:

Ary ahoana ny amin'ity iray ity izay hita tao an-tanànan'i Taxco, Meksika, fa misy aza ny miditra an-tranon'olona?

Tsy voateryho lalao sy fanalana azy daholo akory: amin'ity fifaninanana any Cuzco, Perou ity no ahitanao mpihazakazaka mianjera avy eny amin'ny bisikiletany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.