Iran: Mpitoraka Bilaogy Iray Nivavaka Mba Hahita Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Ho Voadaroka

Protests were held in Iran on February 14

Taorian'ireo hetsika maro nihanaka tany Iran tamin'ny 14 Febroary, nofenoin'ireo Iraniana mafàna fo an-tserasera taminà lahatsary ny aterineto, ary sary sy bitska avy eny amin'ny fihetsiketsehana. Mandritra izany fotoana izany, misy fomba filaza iray hafa mikasika ny hetsika. Ireo Islamista mpitoraka bilaogy sy mpomba ny governemanta koa dia niroborobo rehefa tonga ny fotoana hizaràn'izy ireo ny fonba fiheviny teo amin'ny aterineto.

Mpitoraka bilaogy iray mpomba ny governemanta i Mehdi Fatemi Sedr no nanoratra lahatsoratra amin'ny antsipirihany amin'ny fiteny Farsi mikasika ny fomba nandraisany, sy ireo hafa, anjara tamin'ny herisetra natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 14 Febroary, tao anatin'zany ny milisy Basij.

Avy any amin'ny arabe Enghlab, nifindra nankany amin'ny arabe Azadi aho ary  efa nomaniko ny rojo vy. Azoko antoka fa tsy maintsy hiatrika fifandonana izahay. Tao amin'ny arabe Azadi, tsy nahitàna tandindona polisy na kely aza, gaga daholo ny tsirairay. Mpanao fhetsiketsehana iray no nikiaka ny hoe “Matesa any ny mpanao jadona” ary iray hafa niteny hoe “Tsy ho i Gaza, na i Libanona, Iran, Tonizia sy Ejipta….” Tsy misy zavatra azonay andrasana amin'ny tafika, nivavaka tamin'Andriamanitra aho mba handefa Basijis avy any an-danitra, ary dia toa nivaly ny vavakay.

Araka ny filazan'io mpitoraka bilaogy io, ny Valentine's Day – Andron'ny Mpifankatia (14 Febroary ) dia “andro iraisam-pirenena ho fivarotan-tena”. Tamin'ny fisafidianana io andro mahamenatra io hanaovana hetsi-panoherana, dia lazain'ilay mpitoraka bilaogy fa ilay hetsika fanoherana nataon'ireo “lehilahy sy vehivavy mpihatsara vela-tsihy avy amin'ny antoko Maitso” dia efa ratsy jery sahady tamin'ny fanehoany tamin'ny tsirairay ny tsy fananan'izy ireo Andramanitra.

Ahestan, islamista iray sady mpitoraka bilaogy mavitrika, mihevitra fa izay mitranga any Iran dia tsy hafa fa korontana tsotra fa tsy zavatra tahaka ny revolisiona tany Tonizia na Ejipta akory. Manoratra ilay mpitoraka bilaogy [fa]:

Ny olana fototra amin'ilay antsoina hoe  “Hetsika Maitso” dia ry zareo miezaka foana maka tahaka ny Revolisiona Islamika [Iraniana], na Toniziana na ny revolisiona Ejiptiana. Indrisy tsy ny olon-tsotra fa ny mpitarika ny hetsika maitso no tonga amin'itony fehin-teny tokana itony, manantena ny hivadihan'ny tafika  Iraniana ho “Maitso” tahaka ny tafika Ejiptiana izay nanaraka ny vahoaka.

Anaty lahatsoratra iray hafa, io mpitoraka bilaogy io ihany no maneso ny Maitso sady tamin'ny nanoratany tantara mahatsikaiky iray ahitàna ilay Iraniana mpitarika mpanohitra fanta-daza Mir-Hossein Mousavi lasa filoham-pirenena sy manolotra valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny andron'ny 14 Febroary nilaza tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana fa ny revolisiona rehetra fahiny, ankehitriny ary ho avy dia miainga daholo avy amin'ny traikefa niainan'ny Maitso, saingy amin'ny fametrahan'izy ireo ny hetsika ataony amin'ny zavatra niainan'i Ejipta.

Manamafy ihany koa ilay mpitoraka bilaogy fa sandoka daholo ireo lahatsary nakarina tao amin'ny Youtube mikasika ny 14 Febroary ary misy feo vaovao nafangaro taminà horonantsary efa tranainy izay misy mpanao fihetsiketsehana manao lobaka fohy tànana, zavatra tsy dia mahasarika loatra rehefa anivon'ny ririnina ny ao Teheran. Manoratra ihany koa i Ahestan fa ny bitsika tweets sasany dia nilaza fahatany ny hetsi-panoheran'ny 14 Febroary ho hetsika matanjaky ny an-tapitrisany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.