Libya: “Ny fahafahana no zavatra tokana irinay

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadiana manokana mikasika ny Fihetsiketsaham-bahoaka tao Lybia taona 2011.

Ny Alahady 27 febroary, andro hafa indray nisiana rà mandriaka tao Libya, toy ny fihetsiketseham-panoherana an'i Kolonely Muammar Al Gaddafi efapolo taona nitondràna dia mitohy izany tamin'ny andro faha iraika ambinifolo

Nilaza ny tatitry ny mpanao gazety eran-tany fa miha-malefaka isan'ora ny herin'i Gaddafi ao Libia, nefa dia mbola mahafehy tsara ihany ireo fitaovam-piadiana maromaro sy miaramila tsy tambo isaina ary mpikarama an'ady avy any ivelany izy. Zavatra hafa ihany koa no nolazain'ny zanany lahy, Seif al-Islam. Nilaza izy fa tsy misy lanjany loatra ny revolisiona, ary ireo mpanohana mahatoky ny fanjakana dia mahafehy tsara ny firenena.  Mihevitra ny [fianakaviana] Gaddafi fa eto Libia no ho velona sy ho faty.

Raha mbola manjavozavo ny ho avy, indreto misy fijoroana vavolombelona avy amin'ny Libiana, izay manohy ny fiainany an-davanandro manoloana ny herisetran'ny polisy sy miaramila izay efa nahafaty olona an-jatony.

Feon'ny tany:

Feb17Voices [Ny feon'ny 17 febroary] dia fandraisan-kevitra an-tserasera an’ ireo antso avy amin'ny Libiana ary mandika an-tsoratra , mamadika ny teny, sy mizara azy ireo amin'ny alalan'ny tranonkala. Ireo olona voakasiky ny tetikasa dia tompon'andraikitra tamin'ny Feon'ny 25 janoary, tetikasa mitovy habe amin'ny fihetsiketsehana tao Egypta. Nanazava ny mpiantso iray fa  mikatona ny ankamaroan'ny magazay ao Tripoli, renivohitr'i Libia.

Re laza ny zava mitranga ao Tripoli . Amin'ireo magazay 100, dia angamba folo fotsiny no mivoha. Na ireo magazay mivoha aza dia sady matahotra ihany. Raha misy fidirana folo, dia iray ihany no mivoha.

Ity misy horonantsary tao  Tripoli nampidirin'ny  Ali Tweel, izay mampiseho ireo olona miandry mofo dipaina ao amin'ny lalana  Jraba ao Tripoli.

Nitatitra ny Al Jazeera fa maro ireo Libiana izay tsy hita popoka, matetika alaina ankeriny manoloana ny tranony. Vehivavy iray tao Tripoli no nilaza  fa miezaka manavotra ny fianakaviany izy. Ity sombiny amin'ny fandikana nataon'i Alive tao Libia:

Matahotra izahay, matahotra izahay satria fantatrareo fa vehivavy izahay, manana zanaka vavy aho. Antsy no mba  fitaovam-piadina ao trano. Tsy manana na inona na inona izahay, fa manana an'Andriamanitra. Matoky an'Andriamanitra izahay, eto anilanay izy. Tsy matahotra ny ho faty izahay.

Ity vehivavy ao Tripoli ity dia miteny momba ny eritreritra sy ny antony manosika ireo mpanao fihetsiketsehana: “OK, vonoy izahay. [Ho faty] izahay na ho afaka. Ny fahafahana no zavatra tokana tadiavinay.”

Ao amin'ny Facebook -n'ireo tanora mpanao fihetsiketsehana Libiana, ity misy fanazavana momba ny antso amin'ireo Libiana mipetraka any UK sy ny rahalahiny izay monina ao Libia.

Ny isan'ny maty voamarina tao Benghazi irery dia 800 farafahakeliny, raha eo amin'ny sehatra nasionaly dia 2000 mahery, raha mijery ireo isa ireo dia maro  koa ireo olona tsy hita, ary ireo miaramila izay tsy nety hiady ka nodorana ary mbola maro koa ireo tsy hita, koa dia mety ho avo roa heny no isan'ny maty. Nisy famonoan'olona tao  Zawiya sy toerana sasany ao atsinanana. Iray tamin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminay no very nandritra ny telo andro ary hita indray tao amin'ny trano mangatsiakan'ny hopitaly.

Tao Alive any Libia dia nandika resaka nifanaovana tamin'ny mpanadihady avy amin'ny radio ao Benghazi, izay manohitra ny radio ofisialin'ny fitondrana fa milamina tsara ao Libia.

Teboka iray tiko omena fanazavana momba ny fanazavan'i Sayf al Islam raha niteny izy fa tsy misy revolisiona tao Libia ary mandeha tsara ny zavatra rehetra ankoatra ny tanana izay eo am-pelatanan'ny mpampihorohoro. Tsy mpampihorohoro izy ireo  Atoa Ghaddafi, olona manana ny maha izy azy sy olona afaka ireo, ka nanda ireo mpiara miasa nirahinao izy ireo satria ianao dia mpiara miasa. Raha olona marina ianao dia tsy nanao izay efa nataonao.

Tao Zawiya, tanàna miorina 30 maily ao antsinanan'i  Tripoli (fiarovana mafy ho an'i Gaddafi) ny media eran-tany dia nitatitra fa voafehin'ny mpanohitra ny raharaha. Tao amin'ny Twitter, ity sombiny tamin'ireo hafatra nipoitra tamin'ny Alahady.

@jrug: Nilaza ny any Zawiya fa entina mitifitra ny mponina sy ny tilikambon'ny moske ny tafondro fitifirana fiaramanidina. Mihofahofa eo amin'ny Lalambe ny sainan'ny mpioko, lasa kosa ny sarin'i  Gaddafi

@jrug: Miaraka amin'ny fiara mifono vy simba. Ireo vahoaka maro be mihiaka hoe miala! miala ny amin'ny fanjakana – Zawiya

@EnoughGaddafi: Nilaza ny tsinambolana mena(croissant rouge) fa efa azo atao tsara ny mandeha amin'ny lalana mihazo an'i Zawiya saingy niova ny toe-draharaha eo amin'ny fandriampahalemana, mampidi-doza ny mandeha mankany #tripoli #feb17


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.