Meksika: Raharaha fakàna an-keriny niantraika tamin'ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Frantsa.

Ny Filoha Meksikana Felipe Calderón sy ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy teo am-pisakafoanana ny 26 jona 2010. Sarin i Gobierno Federal, nampiasaina tamin ny CC BY-NC-SA 2.0 license

Meksika sy Frantsa  dia manana olana lehibe ara-pifandraisana diplaomatika noho ny fanamelohana ny fakana an-keriny natao-na teratany Frantsay tao Meksika.  Florence Cassez no anarany, ary voasambotra tamin'ny taona 2006 izy, nampangaina ho nanao fakana ankeriny ary voasazy 60 taona an-trano-maizina.

Ny sakaizan'i Cassez dia mpitarika andian-jiolahy antsoina hoe “Los Zodiacos” (midika hoe ry zaravintana), ary ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo nalaina an-keriny no nanamarina fa anisan'ireo andian-jiolahy tokoa izy.

Tamin'ny taona 2009, namangy an'i Meksika ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy ary nangataka ny fahafahan'i Cassez nandritra ny fivahiniany tany. Tokony naverina any Frantsa i Cassez saingy tsy nanaiky ny governemanta Meksikana, izay noteren'ny fikambanana nasionaly “manohitra ny fakana an-keriny”. Ny filazan'izy ireo dia mifototra amin'ny tsy fahatokisana fa mety hahenan'ny manam-pahefana Frantsay ny didim-pitsarana rehefa tonga any amin'ny taniny i Cassez. Nanazava ny fanerena nataon'ny fikambanana tamin”ny governemanta Meksikana” ny bilaogera AguaChile :

Tao Meksika, indrindra, ONG mpanohitra ny fakàna an-keriny malaza tahaka an'i Isabel Miranda de Wallace”s Alto al Secuestro, Alejandro Martí's México SOS sy María Elena Morera's Causa en Común, dia  resy lahatra amin'ny fiampangana an'i Cassez’ ary niantso ny Filoha Frantsay Nicolas Sarkozy mba tsy hitsabaka amin'ny raharaha.

Amin'ity taona ity, ny “Taonan'i Meksika ao  France” dia tokony hankalazaina misesisesy amin'ny fampisehoana ara-kolontsaina sy ara-barotra mihoatra ny 350  nomanina amin'ity taona 2011 ity. Nanambara i Frantsa tamin'ny voalohany fa handroso izy ireo amin'ny fampisehoana ary hampiasa izany, ary etsy andaniny, mba  hanintona ny saina momba ny raharaha  Cassez. Nanambara ny manam-pahefana Meksikana fa tsy hanohana ny fandehan'ny “Taonan'ny  Meksika” sy tsy hamindra an'i Cassez izy ireo.

Ao amin'ny Twitter, ireo olom-pirenena avy amin'izao tontolo izao dia nampiaka-peo. Nandefa hafatra i Juliamanda Garza (@juliagarza) ho an'ireo gazety frantsay:

Monsieur #Sarkozy: Ne “#Cassez” pas la rélation Franco-Mexicaine! cc: @lemondefr @Le_Figaro

Andriamatoa #Sarkozy: Aza tapahina ny fifandraisan'i Frantsa-Meksikana ! cc:@lemondefr @Le_Figaro

Ny mpampiasa enrique-ana (@Desmorningchouu) dia ni-tweet fa ny fanapahan-kevitr'i Sarkozy dia mifototra amin'ny fitadiavan-daza any amin'ny vahoaka:

Francia – Mexico Cassez objeto d discordia, ocacionado p politicos franceses q no encuentran como subir popularidad en elecciones proximas

Ny mpanao politika tsy mahita fomba hankalazana ny tenany amin'ny fifidianana ho avy no no mampisy disadisa eo amin'i Frantsa – Meksika

Nanao kivazivazy mahakasika ny raharaha i Santo García (@Santo_):

@Sarkozy te cambio una Cassez por una Bruni?? jalas o te pandeas??

@Sarkozy Hovaiko  ho Bruni i Cassez? eny sa tsia?

Nampiseho hevitra feno fanantenana i Ximena Vega tamin'ny blaogy Vivir Mexico [es], nanoratra  lesona azo raisina momba an'i  Meksika:

Me parece que una gran lección que México debe aprender de todo esto, además de que Sarkozy haría cualquier cosa por aumentar su nivel de popularidad de ese vergonzoso 38%, es que se deben vigilar los procesos de preservación de la escena del crimen y toma de declaraciones. Una policía federal y estatal mejor capacitada y más profesional puede ser la gran diferencia entre un juicio exitoso y, bueno, una crisis diplomática o un secuestrador en libertad.

Hitako fa ny lesona ngezabe notsoahina momba an'i Meksika, Ankoatra ny fitadiavan-kevitr'i Sarkozy mitady ny fomba rehetra hampitombo ny fankafizana avy amin'ireo olona vitsy mahamenatra 38% , dia tokony arahimaso ny famerenana ny zavamisy nanaovana ny heloka bevava, ary tahaka izany koa ny hanaraha-maso ny fanambarana sy ny filazana .Ny polisy federaly sy ny polisim-paritra tsara ofana kokoa sady voaofana kokoa, dia mahomby lavitra mihoatra ny valim-pitsarana sy ny krizy ara-diplomatika ary ny fanafahana mpaka an-keriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.