Hanara-dia an'i Tonizia sy i Egypta va i Alzeria?

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny  Fihetsiketseham-bahoaka taona 2011.

Na dia teo aza ny fionganan'ny Filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali, taorian'ny fikomiana sy ny  fanerena ny Filoha Egyptiana Hosni Mubarak hiala, dia mbola tsy nidina an-dalambe ny mponina Alzeriana .

Ireo andrana roa nataon'ny fandrindrana nasionaly ho amin'ny Fanovana sy ny Demokrasia mba hikarakara diabe ao Alzeria ny 12 sy 19 febroary 2011, dia nandamoka izany, noho ny fametrahana fepetra momba ny fiarovana mba hanakanana ireo Alzeriana tsy hanao fihetsiketsehana, ary koa noho ny faharatsian'ny fikarakarana.

Police out in force to prevent demonstrations from escalating in Algiers, Algeria on 12 February, 2011. Image by ENVOYES_SPECIAUX_ALGERIENS, copyright Demotix (12/02/2011).

Betsaka ireo polisy nanakana ny mpanao fihetsiketsehana tsy hihazo an i Alze, Alzeria 12 Febroary 2011. Sarin ny ENVOYES_SPECIAUX_ALGERIENS, zon'ny mpamorona Demotix (12/02/2011).

Ho an'ilay mpiserasera Alzeriana Dihya Roufi, ny fahasamihafana dia mazava [tsy hita intsony ny lahatsoratra amin'izao fotoana]:

tout le monde en Algérie
est conscient de la nécessité d’un changement mais les paramètres dans
les différents pays ne sont pas pareils donc la méthode sera
différente et spécifique à l'Algérie. En Tunisie: éclatement brusque
parce que les répressions des libértés étaient totales. Pour une
blague, une parole, une chanson contre le régime c'était la prison et
la torture…

Mahatsapa ny maha zavadehibe ny fanovana ny tsirairay ao Alzeria saingy tsy mitovy ny fepetra eo amin'ny firenena maro, araka izany dia hafa sady manokana ny fomba ao Alzeria. Nahitana fivakisana tampoka tao Tonizia satria henjana tanteraka ny famaizana ny fitadiavam-pahafahana ao aminy. Na vazivazy kely, na teny iray, na hira manohitra ny fanjakana dia efa midika fonja sy fampijaliana avy hatrany…

Tamin'ny 12 febroary 2011, manakaiky ny 2000 ireo vahoaka nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana tao  an-kianjan'ny voalohany volana mey ao an-drenivohitr'i Alzeria. Nanakana ny mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra ao amin'ny lalana lehibe afovoan-tanàna ireo mpitandro ny filaminana.

Nanoratra ny bilaogera R.Z hoe [fr]:

Anio raha hiresaka famoriam-bahoaka eto Alzeria, dia tsy lavina fa  mpitandro ny filaminana  miisa 40000 no voaangona mba hanakana sy hanafay ny diabe ho an'ny Fiovana. Ireo mpanao fihetsiketsehana kosa dia tsy nahavory afa-tsy 2000 mpandray anjara. Nisy ny fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana izay hary fiadiana. Niantso olona 16 tamin'izany izy ireo mba hohadihadina ary noahafana avy eo, araka ny nambaran'ny minisitry ny Atitany.

Tsy ny fepetra noraisana momba ny fiarovana amin’ ny fihetsiketsehana  ihany no nahakivy ny vahoaka mba tsy handray anjara. Sasany tamin'ireo mpikarakara  ny diabe dia nankahalaina satria mpikambana tao amin'ny parlemanta ihany. Algerienmeskine nanoratra hoe [fr]:

Miala tsiny ry namana, niara niasa tamin'ny sampan-draharaham-pitsikilovana sy ny fiarovana (DRS) ianareo fa tsy ho an'ny Alzéria.  Tsy manana olana amin'ny Filoha Bouteflika izahay  “Alzeriana” satria izy dia toy ny marionety aminay. Fifangaroana tanteraka ny omaly. Hoy i Sadi, “saribakolin'ny  DRS,” izay tazana eny rehetra eny, ary tsy nisy olona … Hoy i Sadi,voalohany nitehaka mafy tamin'ny famonoana ireo Alzeriana.

Nanao ny azy koa i Khaled Satour tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Alzéria: Ny fandrika  « revolisiona arabo »” [fr]):

Tsy maintsy manafaka ny tenantsika ho afaka amin'ity anjombona  mampidi-doza an'ny”Arabo revolisiona” ity isika izay mampiditra hadisoan-kevitra amin'ny hoe hanomboka hatramin'ny voalohany ary mety daholo rehefa mety ho fiarahana. Mampalahelo tokoa, efa nahita apostolin'ny “demokrasia” sasany isika izay mbola nanohitra; tsy mba nisahirana  nitady taranaka tanora tamin'ireo namana izay nitafa taminy mangingina! Amin'izao fotoana izao, ny fihetsiketsehana nokarakaraina dia ho fampisehoana ivelany fotsiny ihany. Miandry amim-pikirizana ireo vahoaka, somary tsy dia tsara, ny pitik'afo izay handrehitra ny tanan-dehibe manerana ny firenena.  Manoloana ny toe-javamisy akehitriny, manahy aho fa hiharatsy kokoa izy ity fa tsy hihatsara.

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny  Fihetsiketseham-bahoaka taona 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.