Malezia: Mitombo ny famonoan-tena

Voahazon'ny olana sosialy mampanahy i Malezia tato ho ato: ny famonoan-tena. Maro ireo Maleziana no lasa voakasika ao anatin'izany satria dia ny tanora no mahavita izany. Ny The Star mivoaka isanandro amin'ny teny Anglisy dia nitatitra fa ny sokajin-taonan'olona 20-39 taona eo no tena maro mamono tena, ary na dia roa isan'andro aza ny famonoan-tena voatatitra, mino ireo manam-pahaizana fa mety mbola ho avo noho izay ny tena salan'isa marina.

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, tanora Maleziana roa no namono tena taorian'ny namborahan'izy ireo ny fikasany tao amin'ny Facebook.

Joshua Ong dia nanoratra momba-na Maleziana 22 taona, Alviss Kong, izay namono tena taorian'ny tsy fahombiazana fifandraisana. Tao anatin'izany, nanoratra ihany koa izy

Mbola haveriko ihany fa olana tena mampalahelo izany ary ny fanaovana izany dia tena fitaratra ratsy ho an'olona maro any amin'iny toerana izay mety ahitana olona miaina/misaina te-hanara-dia ny niharam-boina.

Tamina tranga iray hafa tamin'ity volana Febroary ity, nisy mpianatra 17 taona eny amin'ny Sekoly Ambony nitsambikina avy eny amin'ny rihana faharoan'ny sekoliny andro vitsy taorian'ny namoahany soratra tao amin'ny Facebook fa te-hanaisotra ny ainy izy.

Ny mpitoraka bilaogy BusybeingBossy dia nanoratra fa mila dinihina ity olana mitombo ity.

Miteny ireo manam-pahaizana fa alohan'ny fikasan'ny olona iray hamono tena dia hikiaka hiantso vonjy izy . Amin'ny tranga nahazo an'i Sally, nitomany niantso vonjy izy. Kanefa dia asa tany amina manampahefana tsy izy ny antso vonjiny. Tsy nahomby ny trangan'i Sally. Mbola ho lavo ihany ve isika any rahatrizay? Toa ohatrany hamerina ireo fahadisoana tahaka ny fananantsika Maleziana ny fahazarana mamafa any ambany karipetra satria tsy kolontsaintsika ny miresaka mikasika ny famonoa-tena. Mila tonga saina isika fa izao no fotoan-dehibe hiresahantsika mikasika izany olana izany. Raha mietry ianao, iangaviana hitady vonjy any amin'ny manam-pahefana miandraikitra izany marina. Mitadiava fanampiana any amin'ny raiamandreny, havana, dokotera, namana, mampianatra ary mpanome toro-hevitra. Mba mandraisa andraikitra. Lanjalanjao ny fiainana.

Nozarain'i by Sharifah Nong-Jasima ihany koa ity hevitra ity:

Raha ny marina, nihevitra foana aho fa ireo olona milaza fa te-hamono tena ireo dia olona mila fifantohan-tsaina any aminy nefa ankehitriny, taorian'ny namakiako ireo gazety, ny sasany amin'ireo olona manataneraka izany dia manana namana izany amin'izao fotoana dia ‘mandrisika’ azy ireo hanatontosa izany. Ireo tsikera tahaka ny, “Ndeha faty any, ialahy” na “Avelao aho hividy vatam-paty ho anao.” dia mandrisika azy ireo hamono tena ankolaka. Ny olona ory dia mila henoina sy hampiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.