Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Ny 21 Febroary 2011, nandefa tweet manome rohy mankany amina lahatsoratra momba ny fanarahan'ny media iraisam-pirenena ireo hetsi-panoherana manerana ny ‘Tontolo Arabo’ kanefa manadino tanteraka ny any Afrika i @kenyanpundit :

@davidisen dia namerina nitoraka izany tweet izany ary nanampy fa samy tsy miraharaha an'i Gabon ireo mpitati-baovao:

Izaho (ny mpanoratra) no namaly an'i @kenyanpundit fa manana antony azo ekena tsy handrakofany an'i Côte d’Ivoire ireo mpanao gazety roa [tsy miteny frantsay]:

Any Afovoany Atsinanana ny mponina any dia miteny Anglisy, ary nanome ahy hevitra ny hanomboka fanentanana amin'ny tweet mba hahazoana ny mpitatitry ny CNN Anderson Cooper handrakotra an'i Côte d’Ivoire:

@Darth_Sideous dia nahita antony iray hafa mahatonga ny tsy firaharahian'ny gazety Amerikana ity [tsy misy SOLIKA]:

Nangataka ny hanajanonanay ny fanentanana i @Darth_Sideous satria tsy nisahirana hamaly na iray tamin'ireo tweetnay aza i @andersoncooper:

Nisy media hafa nanao izany, ohatra ny France 24, “Aza mifototra amin'ny Tontolo Arabo fotsiny. ‘Mandriaka koa ny rà aty an-tananan'Abidjan“:

@Darth_Sideous dia nisaotra ny TV5 Monde tamin'ny fanokanana ny ampahany tamin'ny fandaharam-baovaony ho an'ny zava-misy any Côte d’Ivoire:

Tamin'ny andro fahatelon'ny fanentanana, raha mbola mitohy ireo herisetra hatramin'ny Asabotsy 19 Febroary 2011, @Belligiani dia nilaza ny fara-heviny fa “tsy miraharaha an'i Côte d’Ivoire” ny media Amerikana:

Ny iray amin'ireo tweet voalohany izay milaza fa anatina ady an-trano i Côte d’Ivoire dia avy amin'i @SenamBeheton :

Ny Zoma 25 Febroary 2011, nitatitra ny mpiara-miasa ao amin'ny UNHCR fa 20,000 farafahakeliny ireo olona nitsoaka ny ady tany amin'ny Renivohitri’ Côte d'Ivoire, Abidjan. Ora fohy taorian'ity famoahana ity lahatsoratra ity dia nitoraka tweet i @andersoncooper :

Hitana azy ho to teny” ireo Ivoariana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.