Ejipta: Ho Bokotra Fampandehana Indray Ny Revolisiona Ejiptiana Ve Ny 25 Feb?

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011.

Omaly, iray volana taorian'ny 25 Janoary, nandeha nankany an-kianja  Tahrir ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanao fankalazana sy hiantso fanonganana ny governemanta izay voatendrin'ilay filoha teo aloha, Hosni Mubarak. Manomboka miahiahy ny amin'ny hoavin'ny revolisiona nataony ireo Ejiptiana, ary tsy mbola azon'izy ireo antoka raha azo ametrahana fitokisana ny olona fahiny tao amin'ny fitondran'i Mubarak, izay mbola mitantana hatreto. Efa alimbe ny omaly, nanapa-kevitra ny mpanao fihetsiketsehana sasany fa hitorevaka sy hilasy ao amin'ny kianja Tahrir ary manoloana ny antenimiera.

Ny alina, tsy nandeha araka izay noeritreretin-dry zareo ny zava-drehetra. Nandefa bitsika i Manal mikasika ireo polisin'ny tafika niezaka nanadio tamin-kery ilay faritra.

@manal: Midaroka sy misambotra olona izao ireo polisin'ny tafika eto amin'ny kianja  Tahrir #jan25 Ampio izahay hampahafantatra azy ireo.

Zeinobia nampitaha ny zava-niseho androany tamin'ny zava-nisy tamin'ilay andro voalohan'ny revolisiona.

Toy izao no fomba nanombohan'ny 25 Janoary rehefa nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianja Tahrir ny hery avy amin'ny polisy ny alina taorian'ny misasakalina ary izay no tena antony mampahatahotra mafy ahy ankehitriny!!
Nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana nipetraka tao amin'ny kianja Tahrir sy tao amin'ny kabinetra HQ tao amin'ny làlana Kasr Al Aini ny polisin'ny tafika. Natao haza lambo ireo mpanao fihetsiketsehana ary ireo vavolombelona nahita maso dia nilaza fa nampiasaina hatramin'ny taser [Avy amin'ny mpandika: fitaovana mamoaka herinaratra manangoly] ka hatramin'ny karavasy, voatana ireo mafàna fo. Tsy misy mahazo miditra any izao, tsy mahazo alalana hanangom-baovao mikasika ny zava-mitranga ireo mpanao gazety. Misy tatitra milaza fa hita misy olona misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika miaraka amin'ny polisin'ny tafika, heveriko fa entina hampihorohoroana ny mpanao fihetsiketsehana izy ireny.

Ny sasany amin'ny mpampiasa Twitter etsy ankilany mino fa azo amarinina ireo hetsika ataon'ny polisin'ny tafika.

@anonymous_blank: Nanomboka nihaza ireo mpanao fihestiketsehana tao amin'ny kianja Tahrir izy ireo, mba hisorohana ny fitontonganana bebe kokoa mahazo ny toekarena! Ekeko fa tsy vahaolana ny herisetra, saingy o rey olona e, atsaharo ny filasiana [ao].
@l0gicpath: Hajao ny tafika dia hanaja anao ry zareo ho setrin'izay! Tsy fahazoana mivezivezy manomboka amin'ny 12, dia tsy tokony hivezivezy amin'ny 12! am-pilaminana na tsy ….

Na izany aza, tsy lanin'ny vavonin'i Ahmed Zaki Osman sy Zeinobia ny fanamarinana toy izany.

@ahmedzakiosman: Manana zo hanohitra isika ary momba ny tsy fahazoana mivezivezy, nifidy an'i Tahrir ho trano fonenany ny olona na teo aza ny fandraràna tsy hivezivezy.

Zeinobia manampy hoe:

Fantatro fa hisy hiteny hoe misy fandraràna tsy hivezivezy amin'ny alina ary izaho miteny aminy fa ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina dia tsy manome alalana ny polisin'ny tafika handrava ny fitorevahana amin'ny fomba mahamenatra sy mampietry toy izany. Nandritra ny 18 andro dia namela ny mpanao fihetsiketsehana hitoetra teo araka izay tiany ny tafika tsy nijerena izay fandraràna tsy hivezivezy izany.
Eo indrindra isika, mba taiza ny resaka fandraràna tsy hivezivezy amin'ny alina tamin'ny 2 Febroary rehefa nanafika sy namono mpanao fihetsiketsehana ireo jiolahimboto??
Fihenjanana mampidi-doza io, ary iray tsy azo ekena koa.

Fanavaozana:
Ny tafika dia namoaka fialantsiny tao amin'ny pejy Facebook ofisialiny [Ar].

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.