Kiobà: Inona no nambaran'ny telegrama tao La Havane

*Ity lahatsoratra ity dia fizarana fahatelo: Afaka mamaky ny lahatsoratra fizarana voalohany sy ny faharoa ianao eto.

Ny 15 martsa 2007, Any La Havane ny lehiben'ny sampana misahana ny tombotsoa  Amerikana, Michael E. Parmly, nandefa telegrama nanazava ny valin'ny fihaonana manokana tamin'i Martha Beatriz Roque, iray amin'ireo lehiben'ny mpanohitra ao Kiobà. Nandritra ny fihaonana, dia nilaza i Roque fa ny tanjona goavana amin'iny volana manaraka iny dia “ny hahita lalana izay  ahazoana olona an-tapitrisa hidina andalam-be mba hitaky fiovana politika azo tsapain-tanana sy fanovana ara-toekarena.”
Araka izany, hoy ny telegrama, dia mieritreritra ny hampiasa ny  fandevenana an'i Fidel Castro sy ny tsingerin-taona fahafolon'ny fanatontosana ny boky “The Homeland Belongs to All of Us” na “Antsika rehetra ny tanindrazana”, nosoratan'ny mpikambana ao amin'ny ” Working Group of Internal Dissent” na  “Vondrona miasa ao amin'ny Fanoherana anatiny (ao an-tanindrazana?)”: Felix Antonio Bonne Carcasses, René de Jesús Gómez Manzano, Vladimiro Roca Antúnez sy Martha Beatriz Roque Cabello.

Ny telegrama tamin'ny Aprily 2006 dia nanome tatitra momba ny fiambenana maharitra ny fahasalaman'ny ralahin'i Castro tamin'ny alalan'ny Sampana miahy ny tombotsoan'ny firenena Amerikana ao La Havanne. Ao anatin'izany taratasy izany, dia nilaza ny fihenan'ny tsy fisehoana imasom-bahoaka ataon'ny Filoha Kiobàna sy ny faharatsian'ny fahasalaman'i Raúl Castro  i Parmly, nampiasa ny masoivoho Japana Iwata ho loharano nipoiran'ny vaovao izy, izay nanambara fa  “niharatsy ny toe-batan'i Raul no ho ny an'i  Fidel. “

Volana vitsivitsy taty aoriana, dia nambara ofisialy ny aretina mikiky an'i Fidel Castro, izay nitarika ny fialàny. Araka izany, nanomboka ny 02 martsa 2007, nikarakara fihetsiketsehana ara-koltoraly ny mpanohitra. Nandrisika azy ireo ny “sampana misahana ny tombotsoa Amerikana”, araka ny voalaza tamin'ny telegrama mitondra ny lohateny hoe “The Cuban Opposition: The (art) Show Must Go On” “Ny mpanohitra Kiobana: Ny (fomba) dia tsy maintsy tohizana” , ny 5 martsa tamin'ity taona ity. Ny telegrama dia nilaza fa ny mpanohitra dia tokony ho voalohany: “ny fikarohana tsy mitsahatra  ao amin'ny tantarain'olona sy ny vaovao hafa izay manala ny hasin'ny fitantarana maharenoka amin'ny fomba fitsaboana Kiobana. “

Fidel Castro teo anatrehan'ny vahoaka tao an-kianja sy ny fitomboan'ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra, ny tompon'andraikitra ambony Martha Beatriz Roque [MBR anaty telegrama] dia nanazava fa “tokony hampaherezina eo amin'ny fotoana mety ny fanetsiketsehana ny olona mba hiteraka fiovana azo tsapain-tanana. ” Tamin'izany fotoana izany, i Parmly, dia nahafantatra fa ny fihetsiky ny mpanohitra , “izay sady mahasoa no ilaina, dia tsy ampy hanantaterahina ny fanovana ny fanjakana. Araka ny hevitray, XXXXXXXXX ihany [nokosehina ao amin'ny lahatsoratra nadika] ary i Oswaldo Paya [mpanoratra voalohany ny tetik'asa Varela] dia manana ny fankatoavam-pirenena mahaentana Kiobàna iray tapitrisa any ho any. “

Telo taona taorian'ny nivoahan'ny telegrama, dia mbola tsy tanteraka ny soso-kevitr'i Martha Beatriz Roque. Fa mifanohitra kosa ny fahitan'i Parmly, ny tena isan'ny mpanohitra nentim-paharazana dia tsy nahazo ny fanohanan'ny vahoaka ilaina mba hanaovana fihetsiketsehana. Ny mpandimby ny sampana momba ny tombotsoa Amerikana, Jonhatan D. Farrar, tamin'ny telegrama Aprily 2009, dia nilaza fa, “ity no andiana mpanohitra vaovao tsy mahazatra izay antenaina hahavita mametraka dian-tongotra maharitra amin'ny vanim-potoana taorian'ny nitondran'i Castro an'i Kiobà. ” Noho izany hevitra izany, tato anaty ny taona vitsivitsy  dia nifantohana ny nijery ny vitan'ireto endrika roa lehibe ireto: ny fiangonana katolika sy ny “bilaogera fiandry.”

Na izany aza, tao amin'ny telegrama aogositra 2009 “Ny fiangonana katolika sy ny tetezamita Kiobà “. Niaiky i Farrar fa  ” miezaka tsy miditra amin'ny adihevitra mety hanohintohina ny revolisiona ny fiangonana”  ary koa ” nihataka tamin'ireo mpanohitra ny fitondrana tahaka an'i Oswaldo Paya sy i Dagoberto Valdes, izay katolika hiringiriny. “

Noho izany zava miseho izany, ny safidy miompana amin'ny bilaogera fiandry no nahazo vahana kokoa. Fa mba hampandehanana izany, dia tena zava-dehibe ny fampiroboroboana ny fampiasana aterineto sy ny hampihenana ny vidiny. Tamin'ny 18 Aprily 2006, ireo Kiobà nisintaka, Vladimiro Roca sy Elizardo Sánchez dia nangataka fihaonana tamin'ny solontenan'ny sampana diplomatika, Michael Parmly, mba hiresaka amin'ny fanalana ao amin'ny sampana aterineto mpanao gazety tsy miankina miisa folo noho ny “tsy fahaiza-mitondra tena”  tamin'ny  2004.

Nandritra ny fihaonana, Nanambara i Parmly fa mahazo aterineto ny sasany amin'ireo ambasady izay any La Havanne. Anisan'izany ny an'ny Norvezy, ny Alemana, Ny Grande Bretagne (UK) sy ny repoblika Tseky. Ny ambasady Kanadiana koa dia naminavina hamorona foibe ho fampiasana ny aterineto miaraka amin'ny solosaina eo amin'ny valo eo no eo.

Efa-taona taty aoriana, tamin'ny telegrama izay nokilasiana ho “tsiambaratelo”,” nahafantatra i Jonhatan D. Farrar fa “ireo mpiambina taloha mpisintaka dia natokana ary ny governemanta ny Kiobà dia tsy niraharaha loatra ny lahatsoratr'izy ireo na ny fampisehoana satria tsy mba naharesam-peo teo amin'ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena. ” Nandritra izany fotoana izany, dia nampirisika ny fanaraha-maso ny bilaogera ” izay afaka mialoha lalana amin'ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy mety hihamalaza manerantany mba hanome aretina an-doha ny governemantany .”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.