Bahrain: Afaka ilay Bilaogera Ali Abdulemam

Ela ny ela fa dia tafavoaka ny fonja ihany ilay blogger Jailed Bahraini Ali Abdulemam. Ampifaliana no nandraisan”ireo mpankafy azy manerantany izany vaovao izany, ra iny tazany tamin'ny alalan'ny an-tserasera iny ny sariny notsenain'ny fianakaviany sy ny namany.

Ali, ilay mpitantana malaza momba ny serasera  forum Bahrain Online dia voasambotra tamin'ny fiatombohan'ny volana Septambra, nandrindra ny famaizana ny mpanohitra , ka 250 ireo olona voasambotra nanomboka ny volana Aogositra . Niovaova teny ny antony niampangana azy ireo raha toa ka heloka momba ny fampihorohorona sy fikasana hanongam-panjakana no niampangan'ny governemanta Barhain azy voalohany. Farany, dia vondron'olona 25 no tafaraka tao amin'ny fonja iray ary notsaraina avy eo, ka anisan'izany ireo mpanao politika sy mpiaro ny zon'olombelona, – Ny didim-pitsarana dia nahatonga adihevitra tetsy sy teroa, ankoatra ny mpanao gazety eo an-toerana, izay tsy nahazo nanatrika nandritra ny fotoam-pitsarana

Omaly, ny mpanjaka  Bahrain Hamad dia nanome baiko mba hanome fahafahana an'ireo voafonja miisa manodidina ny 100, tafiditra amin'izany ny gadra politika, ary anisan'izany i Ali. Ity misy tweets nofidina manokana momba ny fahafahan'i Ali:

@weddady: ALI #ABDULEMAM DIA AFAKA, NIRESAKA TAMINY AHO #BAHRAIN

@OnlineBahrain: BAHRAINONLINE DIA FALY NANDRAY AN I ALI ABDULEMAM. NY TSIRON NY FAHAFAHANA DIA MAHAFINARITRA KOKOA HOY IZY  feb14 #bahrain

@Bahrain: #bahrain Ali Abdulemam of #bahrainonline dia afaka  #blog #blogger

@SAIDYOUSIF: Afaka i #Bahrain ali abdulemam Feb14 http://yfrog.com/h26fdphj

@iDiplomacy: Vaovao tsara #Bahrain, bilaogera & mpandray anjara @globalvoices , afaka iAli #Abdulemam omaly. http://bit.ly/dV5avx via @wedaddy @monaeltahawy

@iDiplomacy: Ali Abdulemam, blaogera #Bahrain, dia notazomina am-ponja ny volana septambra lasa teo satria nolazaina fa nanely vaovao tsy marina izy, ao amin'ny BahrainOnline.org. http://bit.ly/awbmP6

@TruthWitness: ALI #ABDULEMAM, AFAKA ihany. #Feb14 Nisafidy azy mba hitondra teny amin'ny fihetsiketsehana atao ireo tanora #Bahrain #Lulu http://twitpic.com/42rz8w

@MhamadHasan: @JustAmira @weddady http://yfrog.com/h32dt5j Ali #abdulemam fivoahana tao am-ponja ! #bahrain http://yfrog.com/h32b1nj

@MhamadHasan: Ali #abdulemam nivoaka ny fonja! #bahrain http://yfrog.com/h32dt5j

@EthanZ: Faly mahita an'i Ali Abdulemam afaka ny fonja tao Bahrain. Mabrouk ho azy, ho an'ny fianakaviany, ho an'ireo nitolona tamin'ny fahafahany.

@monaeltahawy: Miarahaba ny namako @weddady noho ny hery nasehony mba ho fahafahana ho ahy #Bahrain blogger Ali #Abdulemam izay nahazo fahafahana anio. Mabrouk!

@NadineToukan: 🙂 “@weddady AFAKA IZY!! “@AfriNomad Sary amin'ny fahafahana anio #Bahrain blogger Ali @Abdulemam http://yfrog.com/h6eghoj v @maryamalkhawaja

@elsaheb: Bahrain dingana iray ho amin'ny lalana marina. Nabaribary fa afaka i  Ali Abdulemam.

@JonGarfunkel: 5 volana lasa dia nandany  <$100 mba ividianako dokam-barotra ao amin'ny Google Ads ho fangatahana ny fahafahan'i Ali #Abdulemam http://bit.ly/9pOWUM.  Novidin'ireo Bahrainis tamin'ny ràny. Tonga soa , Ali!

@jamal_alyousif: Fiarabana makotrokotroka ho an'i Ali Abdulemam, ny fianakaviany ary ireo  bilaogera tsy eto an-toerana! #bahrain #feb14

@mehrza: (maniry izany koa ho an'ireo bilogera voafonja maneran-tany) Afaka ny bilaogera #Bahraini Ali Abdulemam! #OR318 /@March18Movement

@lheron: Ali Abdulemam, izay niara niasa tamiko tany WashingtonPost, dia noafahana tahaka ny gadra politika tao #Bahrain telo volana taty aoriana (via @weddady @bahrain)

@JoelleJackson: Tena faly raha nahare fa afaka ihany nony farany i Ali #abdulemam ! Mabrook  aminy sy ny fianakaviany.

@habibh: Faly tokoa nahare fa noafahana i Ali #Abdulemam ! #Bahrain #UniteBH cc @khalidalkhalifa

@BaghdadBrian: Ali #Abdulemam dia afaka. Fiatombohany izao, kanefa hanao ahoana ny ho avy ao #Bahrain ? Moa hahafa-po ny mpanohitra ho toy ny  marika fandavan-tena tsara va?

Na izany aza anefa, ireo mpikatroka dia mitaky fiovana, izay nanomboka tao Bahrain ny Febroary 14, ka mbola mitohy.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.