Maraoka: Nanangana ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy ny mpanjaka

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana momba ny Fihatsiketsehana Maraoka 2011.

Taorian'ny fitsidihany tao Frantsa. Ny mpanjaka Maraokana Mohammed VI dia niverina tao amin'ny Lapam-panjakana ao Casablanca mba hanambara  fa hatsangana ny Alatsinainy 21 febroary izao ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy. Protesters gathered in solidarity with Moroccan people in Paris, France. Photo by sebastien rabany, copyright Demotix (20/02/2011).

Ireo mpanao fihetsiketsehana  dia nivory am-piombonana niaraka tamin'ireo vahoaka Maraokanina tao Parisy, Frantsa. Sarin i  sebastien rabany, zon ny mpanoratra Demotix (20/02/2011).

Nanazava izy fa :

Si Nous donnons le coup d’envoi de ce Conseil aujourd’hui, c’est parce que Nous nous sommes constamment refusé à céder à la démagogie et à l’improvisation dans Notre action visant à consolider notre modèle singulier de démocratie et de développement.

Raha androany no nosokafantsika ity filankevitra ity, dia noho ny fandavantsika hatrany izany hoe handaingalainga sy ny hamoromporona an-kamehana izany  amin'ny ezaka nataontsika hanamafisana ny maodely miavaka amin'ny demokrasia sy ny fampandrosoana ananantsika.

Ny toko faha 9 ao amin'ny Lalampanorenan'ny fanjakana Maraokana  dia nampiseho tamin'ny voalohany ny fisian'ny filankevitra:

Andalana faha 94: Ny filankevitra ara toe-karena sy ny sosialy dia tokony mila ny hevitry ny governemanta, ary koa ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona momba ny olana ara toe-karena sy sosialy, ary hanome ny heviny amin'ny ankapobeny mikasika ny toekarem-pirenena sy ny fandaharana momba ny fampiofanana.

Na dia izany aza , ny Mpanjaka Mohammed VI dia tsy nanome hery ny fampandrosoana ny fivoriana hatramin'ny  Octobra 2008,  araka ny hita ao amin'ny lahateniny ho an'ireo antenimiera roa an'ny Maraokanina tamin'izany fotoana izany:

Ny fanapahan-kevitro hametraka  ny filankevitra ara toekarena sy sosialy dia mifandraika  amin'ny politika iombonana mba hampandroso ny fanovàna ny rafitra misy amin'ny ankapobeny.

Mino aho fa ny fametrahana izany  fampandrosoana mifanentana amin'ny Lalampanorenana izany dia hanamafy ireo andrim-panjakana  nasionaly izay hita ny fahombiazany sy ny fitokisany eo amin'ny sehatra politika sy ny lalàna.

Iriko izany filankevitra izany mba ho tafapetraka haingana dia haingana araka izay azo atao ary iangaviako ny governemanta mba hikarakara ny lalàna fototra amin'ny fandrafetana izany ary hanolotra izany amin'ireo parlemantera alohan'ny fiafaran'izao fihaonana izao.

Tamin'ny 5 May 2010, Siham Ali, ho an'ny tranonkala Magharebia, dia nanambara fa  “Sendikà Efatra amby roapolo no mety ho tafiditra ao amin'ny CES; 12 fidian'ny praiminisitra, ary enina avy no fidian'ireo antenimiera roa an'ny parlemanta.

Araka ny hevitr'i Ali: “dia nisy ireo antso marobe ho an'ireo filankevitra ara-toekarena sy sosialy mba hanolo ny antenimieran-doholona.

Ny Mpanjaka dia nanamafy tamin'ny lahateniny tamin'ny Alatsinainy teo fa “ho fanamaroana ny vondrona mandrafitra ny filankevitra izay ahitana ao anatiny vondrona sosio-ekonomika sy olona manam-pahaizana sy manantalenta, dia ambaranay fa ho raisina ho toy ny mpikambana mitovy ao amin'ity andrim-panjakana ity izy ireo.

Indreto ny vaovao farany ao amin'ny Twitter ho valin'ny kabary re farany izay ahitana fanohanana sy fanankianana:

@mhantirah: Ny lahatenin'ny Mpanjaka Mohammed VI dia mampatsiahy ny lahatenin'i Mubarak voalohany. Tsy azon'izy ireo ilay izy

@freearab: Tokony hanjaka ve ny Mpanjakan'i  #Maraoka? sa atao mitondra tahaka ny any Grande Bretagne ny Praiminisitra?

@mokromike: Ny Mpanjaka dia nampiseho ny maha mpanao didi-jadona azy. Izahay Maraokana  dia tsy mankasitraka azy sy ny fianakaviany. M6 mialà!!

@NickKristof: Ny Mpitondra Arabo nahay nandray ny hetsi-panoherana tamim-pahendrena indrindra dia i  Mohammed VI. Noraisiny ho mariky ny fandrosoana ireny.

Navoitran'i Laila Lalami, ao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny Foreign Policy fa tao amin'ny kabariny, ny mpanjaka dia “tsy nanisy teny momba ny fihetsiketsehana tamin'ny 20 fabroary na momba ny fihetsiketseham-panoherana.

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana momba ny Fihatsiketsehana Maraoka 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.