Azerbaijan: Miala amin'ny karipetra mankany amin'ny bàn-kiraro

Misy zavatra kely tena mahavariana mikasika ny kolotsaina Azerbaijani izay tena ireharehan'ny eo an-toerana be mihitsy ary ezahan-dry zareo ny mampiseho azy amin'ny vahiny izay mitsidika ny firenena. Iray amin'izany ny karipetra, izay naseho hatramin'izay ireo vahiny ho famantarana ny fahaizana mandray olona, atao eo ambany ny tongotra ho mari-panajàna, na ahantona amin'ny rindirna ho mariky ny fivoarana. Tsy dia misy mahafantatra loatra fa ny karipetra avy any Azerbaijan dia voasoratra ho ao anatin'ny Lisitry fanehoana ny Kolotsaina Nolovaina Hatramin'izay Tsy Mety Miovan'ny Taranak'olombelona (Representative List of the Intangible Cultural Heritage of Humanity) tamin'ny herintaona izay nokarakarain'ny UNESCO ary matetika manintona ny sain'ny mpitoraka bilaogy.

Karipetra avy any Azerbaijan nalain'i Shakkon ao ambany fampiasana ny Creative Commons

Aaron avy any Azerbaijan, ohatra, dia milaza fa tena manana toerana lehibe eo amin'ny tantaran'ny firenena ny zava-kanto sy ny sary sikotra any raha mijery ny mahasamihafa azy sy ny endriny tokana. Milaza ihany koa ilay bilaogy fa mandeha mihoatra ny sisintanin'ny firenena ny lazan'ny karipetra ary mifanaraka amin'ny fomba amam-panao rezionalin'ny Kaokazy Atsimo

Mirehareha amin'ny karipetrany izay mitondra ny onjan'ny tantara i Azerbaijan, izay ara-drariny. Ny loko mafàna sy ny kisarisary hafakely no hafatra teknika tsy lefy sy ny fahaiza manao ara-javakanto izay mbola miverina aman-jatony na anarivo taona mihitsy aza. Mametraka ny endriny maha hafa kely ny karipetra ny tsy fitoviana kely eo amin'ny faritra sy ny foko. Misy sekoly voatokana mihitsy mikasika ny karipetra izay nosokajiana ho Talysh aty atsimon'i Azerbaijan na Garabağ mivoaka mankany atsinanan'i Azerbaijan na ny Quba any amin'ny faritra avaratra. […] Inoana aloha hoe, mandeha hihoatra an'i Azerbaijan ny kolotsain'ny karipetra,  kolotsaina misongadina manerana an'i Kaokazy any Armenia sy Zeorzia, ihany koa, ary lavidavitra kokoa any Azia Afovoany sy Afovoany Atsinanana. Na izany aza, hanjary henatra ihany ny tsy hahalala ny hakanton'ny fandrariana ny karipetran'i Azerbaijan.

CBT any Azerbaijan, bilaogy mpandehandeha an'i Mpilatsaka an-tsitrapon'ny Peace Corps any Azerbaijan, ihany koa dia nandalina ny fomban-drazana fandrariana ny karipetra ary niaina izany traikefa izany voalohany tany avaratry ny firenena.

Tena fidiram-bola be ny fivarotana karipetra any Azerbaijan ary isan'ny iray izay tena arindran'ny governemanta. Ny karipetra rehetra izay miala ny sisintanin'ny firenena dia tsy maintsy voasoratra ary mahazo ny taratasy fanamarinana ny maha vita azy avy any. Mandoa vola be ny olona amin'ireny zavatra ireny ary maherin'izany aza mba hitondrana azy hiantsambo hiampita ranomasina. Nefa manahy aho hoe ireo vehivavy ireo ve mihevitra izany rehetra izany raha mitondra azy ireny. Nefa zavatra efa nataon'izy ireo efa an-taonany maro izany.

Eo amin'ny lahatsoratra mitovy amin'izany, Sheki, Azerbaijan, bilaogy iray ara-kolotsaina, dia mikitika ihany koa ny fomba amam-panao ara-kolotsaina amin'ny fandrariana sy fandrandranana, fa tamin'ity indray mitoraka ity momba ny kidoro  sy ondana , miparitaka amin'ny faritra maro manerana ny faritra raha tsy hoe angaha mihamaty tsikelikely ao Baku renivohitra.

[…] Raha ara-tantara sy ara-pomba amam-panao, efa toy izany foana hatrizay sy hatramin'izao ny zava-misy ho an'ny maro hoe anisan'ny tena entana lehibe entin'ny vehivavy hanambady ny kidoro sy ny ondana izay ho entiny eo amin'ny fianakaviany vaovao…tokony misy kidoro roa ho an'ny fandrian'izy ireo, fandriana no fanomezana hoan'ireo ho rafozaniny, kidoro roa ho an'ireo vahininy efa mahazatra ary mazava ho azy toy izany koa ny ondana sy ondan-dava na mety betsaka aza… […]

[…]

Tena voninahitra hafa mihitsy ho an'ny vahiny ny omena kidoro sy ondana vaovao izay avy amin'ny zavatra nentin'ny vehivavy nanambady… Any Baku vehivavy hanambady vitsivitsy ihany no mandraharaha ny hanana kidoro na ondana vaovao izany…efa saika voavidy daholo ny zavatra rehetra… […]

Ary izany fomba amam-panao izany dia tsy mijanona fotsiny amin'ny karipetra ihany. Mieritreritra ny hanome tombony ny fiarahamonina eo an-toerana, ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny Peace Corps  ao Azerbaijan dia nanangana bilaogy manokana azonareo hamandrihana ban-kiraro amin'ny alalan'ny aterineto. Ary tsy ban-kiraro fe ban-kiraro, fa fahaiza-manao manokana ara-kolotsaina mampiavaka ny Foko vitsy an'isa Talysh monina any atsimon'i  Azerbaijan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.