Vietnam: Fandoroana Tena Ho Fanoherana Ny Kolikoly

Source: http://www.facebook.com/ngochoang.qb.vn

Injeniera Vietnamiana iray, Pham Thanh Son, no toa nandoro tena ho fanoherana ny nakàn'ny manampahefana tao an-toerana ny fananan'ny fianakaviany .

Araka ny ambaran'ny bilaogy Danlambao (izay midika hoe olon-tsotra manao gazety), tamin'ny 17 Febroary tamin'ny 12 ora sy sasany antoandro no nitranga ity fandoroana tena nataon”i Son ity, teo ivelan'ny birao monisipalin'ny tanàna fahadimy lehibe indrindra any Vietnam. Vao maraina tamin'io andro io dia tonga tao amin'ny Komitim-Bahoaka i Son hanao fanohanana ny amin'ny nahazo azy. Rehefa nandà tsy hihaino ny fangatahany ireo manampahefana, dia nandrehitra ny tenany niaraka tamin'ilay kodiarandroany teo amoron-dàlana teo ivelany teo ilay injeniera tanora.

Teo ivelan'ny Komitim-Bahoaka tao Da Nang

Tieu Dieu, mpampiasa Facebook, dia nandefa sary tany anaty aterineto.

Vavolombelona iray nanatri-maso no nanndrakitra ny zava-niseho ho ao anaty lahatsary:

Tany am-boalohany dia nilaza ny polisy fa lozam-pifamoivoizana toy ny fahita no nahafaty an'i Son. Ireo manampahefana koa dia namaritra an'i Son ho toy ny olona manana “olana ara-tsaina.”

Nandritra izany, nisy ny tatitra hoe nandefasan'ireo manampahefana polisy manao fanamiana sivily ny teny ivelan'ny  trano fonenan'ny fianakavian'i Son ary noferana ny fahafahan'ny fianakaviany mandray mpitsidika.

Mitatitra i Danlambao :

Ny fototra nahatonga ity tranga mampalahelo ity dia ny kolikoly manodidina ilay tetikasa Cau Rong (Dragon Bridge). Fantatra fa natetika  no nangataka onitra sahaza ny fananan'izy ireo nalaina taminy ny fianakavian'i Pham Thanh Son. Tsy tonga hatraiza anefa ny fangatahan-dry zareo satria niroso hatrany tamin'ilay tetikasa ireo manampahefana.

Da Nang, any amin'ny morontsiraka afovoany any Vietnam, dia ao anatin'ny firoboroboan'ny asa fanorenana goavana tokoa amin'izao. Natomboka tamin'ny 2009, Cau Rong dia tetezana lavabe mirefy 667 metatra eo an-dalam-panamboarana ao amin'ny reniranon'i Han. Milaza ho efa nanonitra araka ny tokony ho izy sy nanome toeram-ponenana ho an'ireo mponina tao an-toerana ny manampahefan'ny tanàna.

Tao anatin'ny taona vitsy farany, maro ireo tantsaha sy mponina an-drenivohitra tao Da Nang sy nanerana an'i Vietnam no nitaraina mikasika ireo fakàna tany ary nikarakara hetsi-panoherana madinidinika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.