Bahrain: Vaovao miely momba ny Fanaparitahana tao amin'ny Rond-point Pearl

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Vavolombelona nanatri-maso sy tatitra maro samihafa avy ao amin'ny Twitter no misesika tonga mikasika ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Pearl tao Barhain. @Hisham_g mitatitra ny amin'ilay fanafihana amin'ireo mpampita vaovao iraisam-pirenena:

RT @khabarNYC: @chanadbh andiany iray avy amin'ny CNN no nalain'ny mpitandro filaminana tany amin'ny seranam-piaramanidina ny fitaovan-dry zareo…fanampenam-bava ny mpampita vaovao#Bahrain

[Audio] Miguel Marquez avy amin'ny ABC voadaroka tany #Bahrain – ABC News -http://goo.gl/gA3Ts #Feb14

Miantehitra amin'ny harerahan'ny mpampita vaovao ny fitondrana ao  #Bahrain.. niandry ny fotoana fatorian'ireo olona any amin'ny ilabolan-tany andrefana ry zareo mba handarohana sy hanaparitahana an'ireo olona anarivony nanao fanoherana am-pilaminana

[Lahatsary] – قمع السميره السلميه في دوار اللؤلوه -http://goo.gl/9YcSJ #Bahrain

Amira al Hussaini avy amin'ny Global Voice dia mitatitra fa milona sy mitsitaitaika ny aterineto, saingy nahavita nandefa tatitra tamin'ny alalan'ny famahànana Twitter-ny ihany, @justamira:

Misaotra anareo tamin'ny fanohanana: mangataka anareo aho mba handefa azy ireny mivantana amin'ireo olona eny an-kianja: Nitazana an-jorony fotsiny aho: vavolombelona nahita maso an'ity vono olona ity #Feb14

Nanaraka ny  #SidiBouzid ary nitomany; nanaraka ny #Jan25 ary nitomany; dia izao ny#Feb14 eto amin'ny taniko: Nahatsiaro nitonàka sy toa nisy namadika izany aho. #Bahrain

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.