Bahrain: Ny Andron'ny Hatezerana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsdi-panoherana Bahrain 2011.

Tamin'ny toerana maro  no nahitàna hetsika tany Bahrain androany, tao anatin'ilay nantsoina hoe Andron'ny Hatezerana teto Bahrain. Taitran'ireo zava-doza ny  mponin'ny aterineto rehefa nahita ny fomba feno habibiana nataon'ny polisy nanoloana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana hatramin'ny maraina vao niposaka, ary nalaky tokoa ny fifanakalozana rohy mankany amin'ny Twitter sy ireo tambajotra sosialy hafa misy an'ireo lahatsary mampihoron-koditra maneho ny habibian'ny polisy.

Still from a video showing riot police charging at a peaceful demonstration in Diraz village, Bahrain on 14 February 2011, firing as people flee. Video posted on Youtube by user smodh92.

mbola avy aminà lahatsary ahitàna ireo polisy mpandrava korontana manosika ireo mpanao hetsika am-pilaminana tao an-tananan'i Diraz, Bahrain tamin'ny 14 Febroary 2011, mitifitra an'ireo olona manao tari-dositra. Lahatsary nampakarin'i smodh92 tao amin'ny Youtube .

Mpanao fihetsiketsehana iray no notaterina fa maty (novonoina) ary maro ny olona nambara fa naratra tamin'ny fitifirana mivantana sy tena akaiky tokoa nataon'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny bala fingotra tany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, araka izay azonareo jerena rahateo amin'ity lahatsary ity sy  ity saripika ity.

Mitaraina ankehitriny ireo mpandefa bitsika (tweets) fa hoe mihisatra ny aterineto. Raha ny sasany miady hevitra fa hoe misy idiran'ny governemanta io, ny hafa kosa malaky manondro ny fihisarana ho mety ateraky ny fahatsentsenana rehefa  mirohotra ny olona mitsidika tranonkala hijery izay zava-nitranga teto amin'ny firenena androany .

Androany koa (14 Feb), pejy nisy lahatsary iray tao amin'ny Youtube no nosivanin'ny governemanta ary voalaza fa toa ny kaontin'ilay mafàna fo Mpiaro ny Zon'olombelona Nabeel Rajab koa.

Indro misy fantina fanehoan-kevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter:

@chanadbh: mitohy ny fanivànana aterineto eto #Bahrain: voasakana ny fantsona  Bambuser an'ilay mafàna fo @Nabeelrajab, ankoatra ireo lahatsary hafa momba ny hetsi-panoherana

@BuZain: @ahmedalsairafi tsy mitombina ny fialàna bala amin'ny hoe be loatra ny mampakatra zavatra. Ny fantsona fampakarana ny iraisam-pirenena dia matetika no manana fatran'onja mitovy na ny midina na ny maka, na ny mandefa @eyade @ammar456

@BuZain: @JustAmira sarotra lazaina. Nandefa andrana aho fa tsy nahitana vokatra mahafa-po hatreto. Mazava izao fa ny mampakatra amin'ny iraisam-pirenena no mihisatra.

@eyade: marina ny an'i @BuZain, tsy mino an'izany aho, tsy zavatra mitovy ny mampakatra sy ny misintona @ahmedalsairafi @ammar456

@ba7ari: nahisatry ny fitondrana ny aterineto mba hanakànana  ny olona tsy handefa izay zava-mitranga eto  ​#Bahrain #Feb14 #HRW #EU

@bh14feb: Azo heverina ho an-dàlam-panakendana ny hafainganam-pandehan'ny eterineto ny governemanta mba hibahanana ny olona tsy hitatitra ny heloka bevava ataon'ny polisy #bahrain

@ahmadbr: Arakaraky ny handehanan'ny fotoana no vao mainka koa mampihisatra ny aterineto #Bahrain #batelco #Internet #feb14

@nadooi_wish: avereno amin'ny laoniny ny aterineto eto #Bahrain.  Mahatonga fofona ahy izy ity an!

@BaghdadBrian: #VOAMARINA avy any #Bahrain fa tena milona be, ny aterineto amin'ny ankapobeny no mihisatra, toa tsy misy kinendry, na sakanana #friendinbahrain

@phoul: Ho an'ireo vahoaka ao #Bahrain: Mampiasà Tor mba hialàna amin'ny fanakanana ny aterineto sy hialàna amin'ny fanaraha-maso. https://www.torproject.org/ #Tor

@justamira: Miala aina ny aterineto. Veloma ry solosaina finday, handeha haka an'ireo voromailala faniraka efa nofaniko ho amin'ity andro manjombona ity #Feb14 #Bahrain

@M_Sharaf: sady tapaka ny aterineton'ny Viva sy Zain no miverina miditra indray iray minitra aorian'izay … manandrana ny bokotra  fanapihana ve #Bahrain ?

@MennatAllah87: #Algeria- voasakana koa ny aterineto tahaka izay nisy tany #Egypt. Ankehitriny dia ao #Bahrain ry zareo no mitsapatsapa vodin-tsoavaly ..Mihisatra; tsy misy olona afaka mampakatra na inona na inona. HENATRA.

Any anaty bilaogy, Bint Battuta in Bahrain dia nandika sasantsasany tamin'ny fitakiana nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana; Mahmood Al Yousif mangataka mba ho ny fahendrena no omena toerana ary maminany ny fomba hataon'ny polisy hisahanana ny olana ara-politika ao amin'ny fireneny ny mpanoratra.

Mitady misimisy kokoa mikasika ny hetsika any Bahrain, araho ny tenifototra #14Feb ao amin'ny Twitter

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsdi-panoherana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.