Ejipta: Afaka i Kareem Amer

Ity lahatsoratra ity  dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011.

Ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy malaza Kareem Amer, fantantra amin'ny anarana hoe  Abdulkareem Nabeel Sulaiman, dia nafahana, bitsika voamarina androany ireo.

Kareem, izay niaraka tamin'ilay mpamokatra sarimihetsika mahaleotena Samir Eshra, dia ‘nalaina an-keriny‘ andian-jiolajimboto rehefa nandao ny kianjan'i Tahrir ny 7 Febroary teo. Natolotra ny mpitandro filaminana izy ireo avy eo fa hoe nandika ny tsy fahazoana mivezivezy napetraka teto Ejipta, hatramin'ny nanombohan'ny hetsika tamin'ny 25 Janoary. Taorian'ny andro iray laniny tao am-ponja tao an-toerana, dia nalefa tany aminà fonja miaramila iray izy ireo “tany afovoan'ny tany efitra” izay nandanian'izy ireo ny andro sisa farany teo, nahita maso ireo voafonja hafa “ampijaliana amin'ny rano, daroka amin'ny kobay sy  fandoroana amin'ny herinaratra,” araka ny resadresaka iray nataon'ilay mpitoraka bilaogy tao amin'ny The Daily Beast.

Kareem, izay nandany taona efatra tany am-ponja noho ny lahatsoratra iray nosoratany tao amin'ny bilaoginy, dia navotsotra tamin'ny 15 Novambra lasa teo. Ny fisamborana azy teo aloha, hoe naniratsira ny finoana Silamo sy ny filoha Hosni Mubarak, sy ny herisetra ara-nofo nahazo azy tany am-ponja, dia niteraka fanamelohana avy amin'izao tontolo izao ary ankehitriny dia matahotra ireo mpanohana sao mbola ho voasambotra indray izy.

Ny fisamborana azy faharoa – ary koa ny fanafahana azy , dia niteraka fanehoana firaisankina sy fanohanana teo anivon'ny aterineto.
Indreto fenehoan-kevitra vitsivitsy avy tao amin'ny Twitter taorian'ny fanafahana azy androany:

@waelabbas: maika:  navotsotry ny tafika ilay mpitoraka bilaogy  kareem amer sy sameer eshra

@daliaziada: Vaovao tsara: Votsotra ilay mpitoraka bilaogy Kareem Amer. Vao avy niresaka taminy an-telefaona mihitsy aho izao #FindKareem #Egypt #Jan25

@weddady: Vao avy nahazo vaovao fa hoe afaka i Kareem Amer. #Jan25

@Tom_El_Rumi: Kareem Amer: Nampijaly voafonja ny tafika, nikapoka, nandoro tamin'ny herinaratra, nandetika azy ireny anaty rano mangatsiaka be #aren #jan25 #tra @waelabbas http://curated.by/b/6M

@sarahbadr: fampijaliana any anaty fonja ejiptiana iray — ilay mpitoraka bilaogy malaza kareem amer dia manoritsoritra ny herisetra hitany maso nandritra ny fitànana azy: http://is.gd/6aXNJa #jan25

@Newsman22: Kareem Amer, mpitoraka bilaogy malaza eo anivon'ny Ejiptiana mpanohitra, dia nanday herinandro teo ho eo tany am-ponja noho ny fanitsakitsahana ny fepetran'ny tsy fahazoana mivezivezy.

Ity lahatsoratra ity  dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.