Ejipta: Ny mahery fonay, Wael Ghonim

Nandritra ny andro maro ny Ejiptiana,  nikaroka teny rehetra teny an'i Wael Ghonim, mpitantana ny Google izay tsy hita nanomboka tamin'ny 27 Janoary. Androany, taorian'ny sahoan-dresaka maro, navotsotra i Ghonim.

Google tenany mihitsy no anisan'ny voalohany nandefa fampandrenesana tao amin'ny Twitter:

Afaka ny mavesatra– nafahana i Wael Ghonim. Ny fitiavanay ho azy sy ny fianakaviany.

Ora vitsy nanaraka ny famotsorana azy, efa nanao valan-dresaka roa sahady i  Ghonim. Ny voalohany, nalefan'i @HabibH tamin'ny tweet , etsy ambany, miaraka amina dikanteny avy amin'ny/sy azo tsidihana ao amin'ny Alive in Egypt:

Ny faharoa, ho an'ny DreamTV,  dia nalefa nivantana ary nalefan'ilay mpanao gazety Sultan Al Qassemi tweet mivantana, izay nalaky voadika tamin'ny teny Anglisy. Ireto manaraka ireto dia fanambaràn'i Ghonim nopaingorina avy amin'ny tweets:

Wael @Ghonim: Mila antsipirihany ry zareo, vaovao. ” Vahiny ve ireo olona nanomana azy ity?” Tsy nanao hadisoana izahay, antso ilay izy

Wael @Ghonim: Ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana dia tsy nitatitra ny marina, izany no mahatonga ny olona hanaraka ny fahitalavitra tsy miankina ankehitriny

Namarana ny fandefasany tweets tamin'ity fanambaràna ity i Al Qassemi:

ny tenin'i Wael @Ghonim farany: Te-hiteny amin'ireo fianakaviana namoy zanakalahy aho hoe tsy hadisoantsika izao. Hadisoan'ireo mifikitra amin'ny fahefana.

Azo jerena ao amin'ny YouTube koa (amin'ny teny Arabo) ilay valan-dresaka no sady voadika  ato.

Ejiptiana sy hafa maro be tao amin'ny Twitter no voasarika tamin'ny valan-dresaka nataon'i  Ghonim, ka niantsoan'ny maro azy ho mahery fo. @EgyptSecularist manoratra hoe:

Kihon-dàlana iray amin'ny revolisiona iny. Ny fihetseham-pon'i @Ghonim dia hanome hery bebe kokoa ny ao  #tahrir. Ho andro mitalakotrokotroka ny rahampitso.

@SarraMoneir ihany koa dia naneho ny fankasitrahany:

mitomany i Ejipta… safotry ny ranomasoko aho. ANDRIAMANITRA ANIE HITAHY ANAO RY @Ghonim

@CaireneGirl Sherine Elbanhawy koa mankalaza an'i Ghonim:

@Ghonim Mirehareha izahay manana anao. Tsy misy manome tsiny anao. Tena tia tanindrazana marina ianao. Tianay ianao. Atrakao avo ny lohanao. Nanafaka an'i #Egypt ianao #jan25

Ilay mpanao gazety mipetraka any Kairo, Ben Wedeman (@bencnn) dia manaiky:

ny valan-dresak'i wael @ghonim tao amin'ny DreamTV: Horohorontany. #Jan25 #Egypt #tahrir

Ilay Ejiptiana mpanao gazety, @SarahCarr dia manana fomba fijery toy izay ihany koa:

Amin'ny manaraka raha mbola misy misalasala ny amin'ny anton'ny fibodoana ao Tahrir dia asaivo mijery ny valan-dresaka nataon'i @ghonim izy #jan25

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.