Ejipta: Ao amin'ny Twitter, ny fikarohana an'i Wael Ghonim

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny Egypt Protests 2011 (Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Ao amin'ny Twitter, maneho ny ahiahiny mikasika ilay Ejiptiana  mpitoraka bilaogy sady mpitantana ny Google Middle East ,  Wael Ghonim, izay tsy hita nanomboka ny Alakamisy ireo namany. Ghonim, izay nianatra tany Cairo ary ankehitriny dia Tale Ara-Barotry ny birao  Google any Afovoany Atsinanana, dia nandefa tweet ny faniriany handray anjara amin'ny hetsi-panoherana ny 25 Janoary:

Na eo aza ny fampitandremana voaraiko avy amin'ny havana sy namana, hanatrika ny hetsika amin'ny #Jan25 aho. Mety hisy ho any amin'ny hetsiky Gam'et Dewal ve?

Ghonim, izay nitafa tao amina seha-pifanakalozan-dresaky ny Al Jazeera tsy ekla akory izay mikasika ny fahalalahan'ny aterineto, dia nandefa tweets avy any amin'ny hetsika ny 25 Janoary. Ny faha-26, taorian'ny fanakanana ny Twitter,  naneho ny hatezerany iny momba ny sivana atao ny tweet izay mety ho lasa “top tweet”:

Izay governemanta matahotra ny  #Facebook sy #Twitter dia tokony hitantana tanàna iray ao amin'ny Farmville fa tsy firenena toa an'i #Egypt #Jan25

Ny faha- 27, mangataka ny mpanjohy azy hivavaka ho an'i Ejipta izy, sady nanamarika ny tahony manokana noho ny hetsika ny androtr'iny. Nanomboka hatreo, nangina tanteraka ny famahanany Twitterary ary manahy ireo namany fa tsy hita izay nalehany. Tokony ho tamin'ny 4:30 tolakandro, ora ao Cairo, @mskayyali dia nandefa tweet:

Wael Ghonim @ghonim avy amin'ny Google Middle East dia tsy hota hatramin'ny Alakamisy. Mila ny fanampianareo izahay mba hanely ny feo sy hanampy hkarihana azy. #egypt

Ora vitsy taty aoriana, nandefa ny sarin'i Ghonim tamin'ny   tweet i @sokkari , mangataka ny mpamaky ao Cairo hizara azy io sy hitady azy.

"Wael @Ghonim tsy hita hatramin'ny Zoma," hoy i @sokkari," Azfd avereno alefa tweet mba ho fanampiana amin'ny fitadiavana azy."

Habib Haddad, namana irain'i  Ghonim, nandefa tweet ho an'ny olona mba handray fepetra:

SOS: Tsy mbola afaka mahalala ny misy an'i @Ghonim! Dingana manaraka, manandràma manontany olona manana fahefàna, Anaty aterineto na Ivelan'ny aterineto, mba mandefa antso an-telefaona ka manampy anay hahalala hoe aiza i Wael Ghonim

@mzaher koa dia nametraka anmtso ho an'ireo mpanjohy azy mba hilaza aminy raha nisy nahita i Ghonim:

Tsy hita i Wael @Ghonim hatramin'ny Alakamisy. Raha mahafantatra zavatra ianareo mba ilazao aho na i @njarrar. #Egypt #Jan25 http://twitpic.com/3uy2z5

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.