Maraoka: Fitsidihana manokana ataon'ny mpanjaka any Frantsam

Araka ny voalazan'ny mpanao gazety Maraokana mpanohitra  iray nifampitafa tamin'ny vohikalam-pampahalalam-baovao Frantsay Rue89 [fr] dia toa tonga nanao fitsidihana manokana (visite privée) any Frantsa nanomboka ny alakamisy teo ny mpanjaka Mohamed VI avy any Maraoka, ary mipetraka ao amin'ny Lapaben'ny fianakaviany izay akaiky an'i Parisy. Miteraka tombatombana isan-karazany amin'izay tena tanjon'ny fitsidihana ity fivoahana mankany ampitan-dranomasina ity amin'izao gidragidra ankapobeny mitranga any Afrika Avaratra sy ny “Atsinanana akaiky” (an'i Eoropa mazava loatra), indrindra rehefa voasoratra fa toa misy fiaraha-miasakafo manokana iarahana amin'ny Filoha (Frantsay) ao anatin'ny fandaharam-potoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.