- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika: Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? – Tapany 1

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Foko sy Fiaviana, Tantara

Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? ,tsy dia mino an'izany loatra [1] i Sentletse Diakanyo [2], Afrikana tatsimo mpitoraka bilaogy . Hoy izy, “raha ara tantara, tsy sarotra mihitsy ny dikan'ny teny hoe “Afrikana”. Ho an'ny Afrikana amin'izao fotoana, mbola tsy sarotra ihany koa ny dikan'izany. Ny Afrikana manerana ny kaontinanta sy ny ampielezana  kosa no nahalala efa ela ny dikan'izany manohatra azy ho mainty hoditra.”

Ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe“Tsy Afrikana daholo akory isika, fa izay mainty hoditra” [1]dia niteraka fanehoan-kevitra mahaliana teo amin'ny aterineto miaraka amin'ny olona izay manaiky miaraka aminy raha ny hafa kosa dia mandray ny heviny ho mpampisaraka.

Hoy izy [3], “Mety ho Afrikana foana ianao amin'izay karazana loko tianao raha mbola mainty koa ianao.”:

Hoy i Henry Ford nilaza indray mandeha izay hoe, “Mety hahazo ny loko rehetra ianao raha mbola mainty koa izany”. Mitovy amin'izany ihany, milaza ny mponina teraka tany Afrika hoe, “Mety ho Afrikana amin'ny loko rehetra ianao raha mbola mainty ihany koa.” Nisy fangatahana tampoka ho an'ny afrikana ho tonga amin'ny karazana loko. Nandritra ny andro maron'ny fanandevozana raha toa natao entana famarotra ny Afrikana, tsy nisy mihitsy loko nangatahana taminy afa-tsy ny mainty. Ankehitriny misy ny andrana amin'ny taonjato faha 21 amin'ny famaritana ny lokon'ny Afrikana. Te horasina ho toy ny Afrikana ihany koa ny fotsy hoditra.

Miaro ny heviny i Sentletse [3] fa na i Nelson Mandela, filoha voalohany voafidy ara-pomba demokratika tany Afrika Atsimo aza , dia nahay ny tena dika marin'ny teny hoe “Afrika”:

Teo amin'ny fanokanana an'i Nelson Mandela ho Filoha voalohan'ny Repoblikan'ny Afrika Atsimo  voafidy tamin'ny fomba ara-demokratika, hoy izy: “I Afrika Atsimo izay nitolomantsika, firenena izay ahitana ny vahoakantsika rehetra, na izy Afrikana, na hafa fihodirana, Indiana na fotsy hoditra, eo an-tanany  ny maha olom-pirenena iray azy.”

Ao amin'ny bokiny, Manoloana  ny Havoanan'i Kenya [Facing Mount Kenya] , ny filohan'i Kenya voalohany , i Jomo Kenyatta, no nanazava tsara fa ny teny hoe “Afrikana” dia midika hoe ireo mponina teratany Afrika [3]:

“Ny Afrikana dia voavolavola, eo amin'ny rafi-pitondrana ara-kolotsaina sy ara-tsosialy nandritra ny taonjato maro, ho amin'ny fahalalahana izay zara raha hitan'ny Eoropeana, ary tsy amin'ny nahariana azy mihitsy izany hanaiky fanandevozana mandrakizay izany.” Ireo no tenin'i Jomo Kenyatta, Filoha voalohan'i Kenya, avy amin'ny teny famaranan'ny bokiny Facing Mount Kenya tamin'ny taona 1938. I Kenyatta ihany koa, dia miseho ho toa tsy mijaly amin'ny fampiasana ny teny hoe “Afrikana” hilazàna ny olona rehetra ankoatry ny mponina teratany avy any Afrika — ny mainty hoditra.

Avahan'i Sentletse [3]ny eo amin'ny famantarana ny zom-pirenena sy ny famantarana ara-piaviana:

Raha toa ny tantara taloha sy ankehitriny ka manamafy fa tsy Afrikana ny fotsy hoditra; dia satria mitoetra foana  ny fiheverana azy ireny, teraka voalohany indrindra avy amin'ny tsy fahampian'ny fanavahana ny ara-piaviana sy ny zom-pirenena. Ny Eoropeana izay nifindra monina ka nipetraka taty Afrika tamin'ny alalan'ny fakàna ny zom-pirenena dia manaiky tsara ny famantarana ny zony eo amin'ny firenena izay noraisiny ho toy ny azy ireo mihitsy. Ireo taranany aty amin'ny andiany manaraka amin'ny alalan'ny fahaterahana koa dia hizaka ny zom-pirenena eo amin'ireo firenena ireo, fa tsy amin'ny ara-piaviana hoe Afrikana izy. Mijanona ho fotsy hoditra izy na Eoropeana, tahaka ny fahitàn’ ireo mpampijaly nyAfrikana azy ireo. Tsy misy olona fotsy hoditra afaka mizaka ny zom-pirenena  Afrikana amin'ny alalan'ny fahaterahana na amin'ny alalan'ny fangatahana zom-pirenena. Tsy famantarana ara-pirenena ny Afrikana ary tsy ho famantarana ara-pirenena mihitsy. Tsy misy firenena na iza na iza antsoina hoe Afrika.

Na ny Arabo any Afrika Avaratra aza tsy Afrikana [3]:

Ireo  mpamerina  mandinika ny tantarantsika izay te-hosokajiana ho Afrikana fa tsy ho Eoropeana mihitsy na hoe fotsy dia mirona mijery mianavaratra  any amin'ny firenena Arabo sady mitaky, ao anaty fisavoritahana, fa hoe Afrikana ny Arabo, noho izany, manan-jo ihany koa izy ireo ny hilaza ny tenany ho Afrikana. Angamba noho ny tsy fahampian'ny fahalalana ara-tantara no nahatonga ny sasany hilaza fa Afrikana ny Arabo. Ny teny hoe “Arabo” dia avy amin'ny famantarana ny olona ara-piaviana avy any amin'ny Peninsule Arabo izay nambabo an'i Egypta (izany hoe lasa anisan'ny Fanjakana Byzantine) sy Libya tany amin'ny taona faha600 taorian'i Kristy ary tonga hatrany amin'ny fifehezana akaiky ny faritra avaratr'i Afrika, isan'izany i Alzeria, Tonizia sy i Maraoka. Noho izany, tsy Afrikana ny Arabo.

Ny Afrikaana [4], fiteny Zermanika Tandrefana ampiasaina any Afrika Atsimo sy Namibia, dia tsy fiteny Afrikana [3]:

Tena mahagaga mihitsy hoe ny fotsy hoditra dia vonona ny hanaiky fa ny fiteny Afrikana fantatry ny rehetra dia ireo fitenin'ny mainty hoditra manokana, na izany aza tsy eken'izy ireo fa “natao ho an'ny mainty hoditra irery ihany ny famaritana hoe Afrikana” . Ny filazana fa teny Afrikana ny Afrikaans dia tsy izy mihitsy toy ny fangatahan'ny taranak'ireo mpiavy Eoropeana ny resaka Afrikanisma. Ny Afrikaans raha avy any fotony dia Danoa notefitefena ary araka ny ambaran'ny sasany dia “endrika hafan'ny Fanagalo”. Tsy fiteny Afrikana mitovy amin'ny tsy maha-teny Afrikana ny tenimparitra Arabo any Egypta io.

Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, dia nahitana tsikera 281 [5]teo amin'ny lahatsoratra. Andeha hojerena ny vitsivitsy amin'izy ireo:

Milaza i Perry Curling-Hope:

teraka tany Afrika Atsimo aho ary toy izany koa ny ray aman-dreniko sy ny ray aman-drenin'izy ireo. Izay no maha Afrikana ahy!!! (Izaho izany no antsoina hoe miloko raha izany, fa tsy fotsy hoditra).

Raha izay tohan-kevitra izay no ampiasainao, dia mety hiverina any amin'ny olombelona voalohany isika. izay mahatonga antsika Afrikana.

Mihevitra aho fa ity bilaogy adala ity dia mamafy resaka fankahalana sy fanavakavaham-bolon-koditra fanaon'ny Afrikana vaovao .

Hoy i wannaknow :

Fotsy hoditra aho. Teraka tany Afrika. Any koa izany ny ray aman-dreniko. Ary ny raibeko sy ny renibeko. Afaka fantariko ny fiaviako, avy amin'ny reniko sy avy amin'ny raiko, miverina any andiany 7  tany aloha tany samy teraka taty Afrika talohan'ny nahitàntsikaa ny Eoropeana. Efa teto efa ela ny fianakaviako miohatra amin'ny ankamaroan'ireo Amerikana tany Amerika, nefa, izy ireo aza manana zo hiantso ny tenany hoe “Amerikana”.

Mbola tsy tany Eoropa mihitsy aho – tsy ilaina marihana akory  hoe tsy manana razabe any.

Esorinao amiko ny zoko hiantso ny tenako hoe Afrikana – nefa, izaho tsy afaka ny hiantso ny tenako hoe Eoropeana. Dia inona izany aho? Fa ianao mihitsy izany no iza no hanàla amiko ny maha izaho ahy? Natao hiaina tsy amin'natony eto amin'ity tany ity, izay na i Afrika na i Eoropa samy tsy misy te handray ahy ve aho?

Fotsy hoditra aho. Ary Afrikana. Raha manelingelina anao izany, dia ny fisainanao izany no ratsy, fa tsy ny ahy.

Milaza i Christopher fa tsy Afrikana izy fa an'i Afrika:

Olona tsy manana loko, TIAKO izany! tena misy dikany tanteraka…'mazava be'ny zava-misy… lozika ary tena nodinihina tsara izany. tsy Afrikana ny tenako saingy mahafantatra tsara fa *an'* i Afrika aho…

Milaza i X Cepting fa tsy misy olona afaka miteny ho tompon'ny famaritana hoe “Afrikana”:

Indiana aho ary koa Afrikana. Izay ihany. Teraka teto amin'ity kaontinanta ity aho, ary mbola tsy tany Inde mihitsy. Tsy tompon'ny famaritana samirery ianao, ary mahazo aina tsara aho mampiasa azy hamaritako ny tenako.

Hoy i yeahboet :

Teraka tany Zambia aho (2 taona fotsiny aho no nipetraka tany), manana ray aman-dreny Afrikana Tatsimo, mihevitra ny tenako fa Afrikana Tatsimo. Raha misy vahiny manontany ny zom-pireneko, dia Afrikana Tatsimo aho ary raha ilaina ny mamaritra lavitra kokoa – dia Afrikana Tatsimo fotsy hoditra.

Tsy manasokajy ny tenako ho Eoropeana mihitsy aho na izany aza, satria tsy an'i Eoropa. Na izany aza, tsy manasokajy ny tenako ho Afrikana ihany koa noho izaho manohana ny hevitr'i Sentletse, mety hoe tsy hisy famaritana iraisam-pirenena izany nefa isika rehetra kosa mahafantatra hoe inona no heverintsika amin'ny teny hoe Afrikana. Manontania mponina iray any Amerika hanasokajy ny tenany ary hilaza izy fa “Amerikana” nefa isika rehetra mahalala hoe Etazonia Amerikana no tian-dry zareo lazaina  fa tsy i Amerika rehetra amin'ny dikany ara-toerana.

Tsy azoko ny olana raha izaho aza faly amin'ny maha Afrikana Tatsimo ahy – hela!

Ny tena Afrikana Tatsimo marina dia ny taranak'i Khoi-San:

Sentletse,

Raha ny lojikanao, dia tena marina fa tsy misy Afrikana manana zo hilaza ny tenany fa Afrikana Tatsimo raha tsy hoe angaha taranak'i Khoi-San. Ireo ihany no foko eo amin'io toerana io mandra-panitsakitsakaa azy ireo sy nanesorana azy ireo teo amin'ny taniny.

Milaza i MoBear:

Izao izany, ianao Afrikana ary izaho Eoropeana – dia ahoana?

Ny nahaterahana any Sina tsy mahatonga ny olona iray ho Sinoa:

Miaraka aminao aho amin'izay Sentletse, ny nahaterahana tany Sina tsy mahatonga ny olona iray ho Sinoa. Fanampin'izany, raha sokajian'ny Misiteran'ny Anatiny ho Afrikana ny mainty, dia tsy Afrikana isika, fa ny Mainty hoditra no izy.

Can white people be Africans? Sentletse Diakanyo [2], a South African blogger, does not think so [1]. He says, “Historically, the term “African” never had any ambiguous meaning. To Africans today it still does not have any ambiguous meaning. Africans across the continent and in the diaspora have long understood its meaning to refer to them as black people.”