27 Janoary 2011

Tantara tamin'ny 27 Janoary 2011

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.

Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?

Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny fanontaniana mipoitra dia ny hoe: Fa misy inona ao Suez?

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.

Afrika: Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? – Tapany 1

  27 Janoary 2011

Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? ,tsy dia mino an'izany loatra i Sentletse Diakanyo, Afrikana tatsimo mpitoraka bilaogy . Hoy izy, "raha ara tantara, tsy sarotra mihitsy ny dikan'ny teny hoe "Afrikana". Ho an'ny Afrikana amin'izao fotoana, mbola tsy sarotra ihany koa ny dikan'izany. Ny Afrikana manerana ny kaontinanta sy ny ampielezana kosa no nahalala efa ela ny dikan'izany manohatra azy ho mainty hoditra."