Haiti: Fisamborana tsy ho ela an'i Duvalier?

UPDATE: 7:23 pm AST – @kiskeacity nandefa tweets fa hoe i  ‘Baby Doc’ #Duvalier dia voaheloka momba  ny kolikoly ao Haiti http://ht.ly/3G5s4#BabyDoc

UPDATE: 4:15 pmAn-dàlana hody any amin'ny hoteliny i Duvalier; toa hiresaka amin'ny media atsy aroriana kely.

UPDATE: 2:05 pmVoalaza fa toa tonga any amin'ny “Parquet” ny ‘cortège’.

Efa talohan'ny tamin'ny iraikambinifolo ora io maraina io,   rakotry ny sahoan-dresaka ny Twitter  fa hoe i Jean-Claude “Baby Doc” Duvalier, ilay mpanao jadona taloha voaozona nitsoak nialokaloka tany Frantsa ary niverina tampoka tany an-tanindrazany tamin'ny Alahady alina, dia tratry ny fepetra fampisamborana.

@emilytroutman no nanokatra ny sehatra raha nandefa tweet hoe:

VAOVAO MAFANA: Notaterin'i Radio Caraibes fa  hosamborina androany i #Babydoc. Mihidy mafy ny fiarovana ny hotely. #Haiti

Fotoana fohy taorian'izay, @kiskeacity, mponin'ny aterineto any ampielezana, dia nanomboka namerina namoaka tamin'ny tweet ireo fanavaozam-baovao avy amin'i @jacquiecharles, solontena irain'ny Miami Herald, izay nohelohin'i @RAMHaiti ho tsy manamarina mihitsy ny zava-misy. Kanefa, i @jacquiecharles dia manavao matetika ireo tweets alefany:

Manamboninahitra dimy amin'ny HNP (polisim-pirenena Haitiana) no hita tany Karibe. Nizotra ho an'ny an'efitranon'i  Duvalier. #haiti #elections

Tonga eto hana fisamborana ve ry zareo ireto? Izany no teny re. #haiti #elections

Miaramila roa avy amin'ny HNP, mirongo fiadiana no niakatra ny rihana taorian'ny nidinan'ny farany tamin'ireo  manamboninahitra. #haiti #elections

Miaramila enina mirongo fiadiana avy amin'ny SWAT Haitiana no nitsambikina tao aorian'ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Sahala amin'ny fanarian-dia no fahatsapanay azy, nefa inona no antony? #haiti #elections

Vao tonga mihitsy ny Lehiben'ny Fampanoavana sy ny mpitsaran'ny filaminana. #haiti #elections

Na ilay mpitsara Gabriel Ambroise na ny Lehiben'ny Fampanoavana Aristides samy tsy te-hilaza raha manana taratasy fampisamborana izy ireo na tsia. Polisy maromaro  kokoa. #haiti #elections

ny HNP tsy hiteny raha misy tokoa taratasy fampisamborana, nilazàna fotsiny izy ireo handefa polisy hanamafy ny fiarovana ilay hotely. #haiti #elections

Tsy ela taorian'izany, toa sahala amin'ny hoe  nandefa antso ho ana mpisolovava ara-dalàna i Duvalier:

@jacquiecharles: #Haiti Tonga ny mpisolovava Reynold Georges. Lazaina koa fa an-dàlana i Gervais Charles. Efa an-taona maro i  Charles no tsy nisolovava an'i JCD. #haiti #elections

Hatreto aloha, tsy misy afaka manamafy na iray aza raha tena voasambotra tokoa i Duvalier. Ny hita hatramin'izao dia, tamin'ny 1:10 folakandro,  nivoaka izy avy ao amin'ny hotely ary nohodidinin'ny polisy efa ho ora roa izay, ary angamba noho ny antony nambaran'i @carelpedre tamin'ny tweet:

Jean Claude Duvalier sy ireo Mpisolovava azy dia ho any amin'ny Fitsarana ao Port-au-Prince mba hanohy ny fakàna am-bavany. #babydoc

Sahala amin'ny resy lahatra i @carelpedre fa hoe:

Toa sahala amin'ny tena nisy ihany ilay fisamborana an'i Jean Claude Duvalier taorian'ny fihaonany voalohany tamin'ny fitsarana Haitiana

Na dia nanao “hetsika manohitra ny fisamborana azy” aza ireo mpomba an'i Duvalier, mbola mitoetra ho manjavozavo ny andinindinin'ny fihazonana azy hatramin'izao.

Nanamafy izany indrindra i @carelpredre:

Jean Claude Duvalier, ny manodidina azy & ary ireo mpisolovava azy dia samy mandao ny Hotely Karibe izao. Mizotra ho any amin'ny “Parquet” izy mba hanontaniana misimisy kokoa.

Global Voices dia hanohy hanaraka ny fivoaran-draharaha ary hamoaka fanavaozam-baovao isaky ny misy azo atolotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.