Ny harivan'ny andro niandrasana ny taona vaovao dia niteraka fanehoan-kevitra kahery vaika ny fanambarana nataon'ny ministra Grika ho Fiarovana ny olom-pirenena, Christos Papoutsis, mikasika ny tsy fsisian'ny indrafo ao anatin'ny politikan'ny governemantany amin'ny resaka fifindra-monina:
Η ελληνική κοινωνία έχει ξεπεράσει τα όριά της όσον αφορά στη δυνατότητα υποδοχής παράνομων μεταναστών. Θέλω να ξεκαθαρίσω ότι στη χώρα μας θα παραμείνουν μόνο εκείνοι οι μετανάστες που έχουν δικαίωμα διεθνούς προστασίας ή δικαίωμα ασύλου. Όλοι οι υπόλοιποι [..] θα φύγουν από την Ελλάδα, είτε με εθελοντικό επαναπατρισμό είτε με υποχρεωτική απέλαση.
Ireo tetikasa naroso ho fampihenana ny fifindrà-monina, isan'izany ny fananganana fefy 12.5 km eo amin'ny sisintany iraisan'i Evros sy Torkia, famerenana ireo toby miaramila taloha ary fanofàna fonja mitsinkafona mba handresen-dahatra sy hitànana ireo mpangataka fialonkalofana, dia tsy nampivaky loha loatra ny Komisiona Eropeana, nefa nahatonga fitsikerana avy amin'ny vahoaka, ireo ankolafy mpanohitra sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Nohamaivanina ireo fepetra ireo, araka ny tatitry ny media.
Ireo fanehoan-kevitra tanaty bilaogy
Apostolos Tsompanopoulos dia mahatsiaro ny vohitry ny nofy sy poety Grika iray malaza, izay nifindra monina:
αυτόματα μου ήρθαν στο μυαλό δύο πράγματα: το τείχος της Μεγάπολης-1, που χώριζε την πόλη από την καταραμένη Γη και τα Τείχη του Κ.Π.Καβάφη. Σκέφτηκα ότι και οι παππούδες μου, εκείνο τον καιρό που ήρθαν στην Ελλάδα, «παράνομοι μετανάστες» ήταν τότε[..] Στη συνέχεια σκέφτηκα ότι όσοι ζουν δίπλα στο ποτάμι, δε θα το βλέπουν πια.
Aνεπαισθήτως μ’ έκλεισαν από τον κόσμον έξω.
Δε μ’ αρέσει ο κόσμος που έφτιαξα, παππού.
Nampahatsiaro zavatra roa ahy izany: ny rindrin'ny Mega-City One, izay nanasaraka izany amin'ny Cursed Earth (Tany voahozona), sy ny rindrin'ny C. P. Cavafy. Nieritreritra aho fa “mpifindra monina tsy ara-dalàna” ireo raibe sy renibeko, rehefa tonga teto Gresy izy ireo [..] Avy eo dia nieritreritra aho fa ireo izay miaina manamorona ny renirano dia tsy afaka hahita azy io intsony.
Nandroaka ahy ivelan'izao tontolo izao izy ireo, tsy nisy fiantrana.
Tsy tiako ilay tontolo noforoniko, ry dadabe.
Fotis Vassileiou mitsikera ny governemanta amin'ny fanisiana rindrina ny firenena amin'ny politika mampijalinyy:
το πιο αποφασιστικό μέτρο εναντίον της παράνομης μετανάστευσης είναι η πολιτική που εφαρμόζει η κυβέρνησή σας. Ποιος μετανάστης παράνομος ή νόμιμος θα θέλει να έρθει σε μια χώρα που η πολίτες της συστηματικά φτωχοποιούνται [..] που κυριαρχεί η βία και η τρομοκρατία κάθε είδους -ιδεολογική, κρατική, αντεξουσιαστική, παρακρατική, ενημερωτική;
Sary noforomporononaa
Vetivety ny nivoahan'ny sary namboamboarina mikasika ity tetikasa famefena ity. Ny mpanao gazety an-tsary mahaleotena Craig Wherlock dia namoaka taharon'afisy fizahan-tany malaza, mampatahotra:
Architect nvenia dia maminavina ny hevitr'ireo mpifindra monina rehefa tonga izy ireo,
… raha ny teratany Evros, alex_walex koa dia nanao sarin'ity fefy ity avy eny amin'ny habakabaka:
malahelo ny tontolo taza-maso izay ho very amin'izany i Eliza Kalesi:
Ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter
Misy ireo fimonomononana noho ilay tetikasan'ny governemanta ao amin'ny Twitter: ny tenifototra #teixos no tonga dia voafidy – izay midika hoe “rindrina” fa tsy fefy amin'ny teny Grika – nalaina avy amin'ilay hira malazan'i Pink Floyd, “The Wall”. Maro ireo mpampiasa Twitter no nanao kilalaon-teny mifandraika amin'ity hira ity, tahaka ny Cavafy:
evb_SKG: Τα τείχη τα γκρεμίζεις περιμένοντας τους Pink Floyd RT @elenirou Τα Τείχη τα χτίζεις Περιμένοντας τους Βαρβάρους; #teixos #kk
Mandrava rindrina ianao hiandrasana ny Pink Floyd
Ny mpiandraikitra amin'ny fanomezam-baovao ho an'ny daholobe ao amin'ny UNHCR Grika , Ketty Kehayoylou dia nampiasa ny Twitter mba hitsikeràny amin'ny fomba ofisialy:
Tetikasa hametrahana rindrina ao amin'ny sisintanin'ny Gr/Tur #UNHCR: ny fanaraha-maso ny sisintany dia tokony ho fiarovana ireo mpialokaloka. Tsy dia mamaha ny tena olana loatra ny fanangànana rindrina.
Anestis dia mifantoka amin'ny resaka tontolo iainana:
Εκτός απο τα προφανή, το τείχος/φράχτης, τι προβλήματα θα προκαλέσει στην τοπική πανίδα; #teixos
Mampitandrina an'ilay ministra i Thanos Koukoulis:
Τα τείχη είναι ανώφελα γιατί έτσι και αλλιώς πέφτουν, είτε από τους αποφασισμένους είτε από τους απελπισμένους #teixos (fyi @Ch_Papoutsis)
Nanao teny tsy loa-body tamin'ny tononkalon'i Cavafy ihany koa i Spyros VJ,
Τα πραγματικά τείχη έχουν χτίστεί επιμελώς στα μυαλά, τα μάτια και τα αυτιά μας. #teixos
Krotkie dia maneso:
γιατί μας πειράζει το #teixos ; είναι απαραίτητο για την επιστροφή στο μεσαίωνα που συντελείται εδώ και μερικά χρόνια.