Zeorzia: Polisy noroahina taorian'ny nahafantarana azy tamin'ny Facebook

Bekotromaroholatry ny adin'i Zeorzia tany Abkhazia sy Ossetia Atsimo ampolony no nitokona tsy hihinan-kanina nanomboka ny 27 Desambra mangataka ny governemanta mba hijery ny olana ara-tsosialy mianjady amin'izy ireo sy hamerina ny fihenan-tsara amin'ny fitsaboana azy ireo. Mitokona eo amin'ny kianjan'ny maherifo anoloan'ny tsangambato ahatsiarovana ny miaramila lavo an'ady ao Tbilisi ny Bekotromaroholatra ary efa nilaza fa tsy maintsy hiala eo izy ireo ny 6 Janoary, datin'ny krisimasy ôrtôdôksa.

Manasongadina ny fangatahany i Tamada Tales, bilaogy EurasiaNet .

Mitoby mihoatra ny herinandro eo an-kianja fahatsiarovana ny miaramila lavo ao afovoan-tanànan'i Tbilisi ny mpiady tranainy nandirtra ny adim-pisintahana tany Abkhazia sy Ossetia atsimo nandritra ireny taompolon'ny 1990 ireny mangataka tombontsoa avy amin'ny fanjakana sy fiovam-pihetsika amin'ny toetra somary “tsy matotra” ataon'ny governemanta azy ireo. Voafetra amin'ny zavatra ilaina amin'ny andavanandro ihany ny vola raisin'izy ireo isam-bolana izay mitentina eo amin'ny 12 dolara sy saram-pitaterana maimaim-poana any amin'ny fitateram-bahoaka.

Na izany aza, tapaka izany fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'ny mpiady tranainy ampolony izany ny 3 Janoary rehefa avy nanivaka teo amin'ny toeram-pitokonana ny mpiambina ny filoha. Tsy nisy fampitandremana  akory tonga dia nosamborina ny tranainy sasany ary nampiasana hery mihoatra ny tokony ho izy aza. Asongadina manokana ny daroka nataon'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny raharaha anatiny (MIA) an'i Eka Matiashvili, mpikatroka antoko mpanohitra izay nanatrika teo mba hanohana ny mpanao fihetsiketsehana.

Na dia naneho ny horonantsary mikasika ny fihetsiketsehana tany Moskoa ny androtr'iny ihany aza ny fahitalavitra Zeorziana iray, dia kely ihany ny vaovao mikasika izay niseho tany Tbilisi. Ary miaraka amin'ny tsy fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy avy amin'ny governemanta, dia milaza ny mpikambana ao amin'ny parlemanta fa tsy fantatr'izy ireo akory hoe nisy an'izany. Etsy andanin'izany, niparitaka haingana tamin'ny aterineto ny sary miaraka amin'ny horonantsary nalefa tamin'ny Youtube ary zaraina eo amin'ny Facebook. Betsaka no tohina.

Manameloka ny fampiasan-kery diso tafahoatra nataon'ny polisy ny ambasadaoron'i Etazonia any Zeorzia, John Bass, ary ny mpampiasa Facebook, i Arachveulebrivi Gamofena (Fampirantiana tsy mahazatra) kosa dia naneho rakitsary avy tamin'ny horonantsary. Nozaraina tamin'ny maro indray ny sary ho an'izay te hamantatra ny polisy tompon'andraikitra tamin'ny hetsika feno herisetra nandritra ny fanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana.

Taorian'ny fizarana teo amin'ny Facebook, dia fantatra ilay olona tompon'andraikitra tamin'ny fidarohana an'i Matiashvili, ary hita fa i Otar Gvenetadze 26 taona. Teo vao nanao fanambarana ofisialy [GE]mikasika ny korontana ny minisiteran'ny raharaha anatiny. Araka ny tranokalan'i
MIA, dia noesorina tamin'ny asany i Gvenetadze noho ny fandikana ny lalana etikan'ny polisy.

Na izany aza, tsy i Gvenetadze irery no tompon'andraikitra tamin'ny nanafihana ny mpanao fihetsiketsehana, nefa tsy misy hafa voalaza teo amin'ny fanambarana ofisialy. Miezaka mamantatra azy ireo amin'ny alalan'ny pejin'ny Facebook i Amoicani Mishas JALATEBI !!! [GE] (Fantaro ireo mpamono an'i Misha).

Ny resaka nandritra ny fifidianana amin’ izao fotoana izao izao dia misokatra eo amin'ny forum.ge [GE], izay lehibe indrindra any Zeorzia, toerana izay nahitana olona naneho ampahan-dahatsoratra avy amin'ny Lalam-panorenana Zeorziana maneho hoe andalana aiza no nohitsahin'ny polisy. Amin'ny vato miisa 229 dia 192 no naneho hevitra mitaky ny hanadihadian'ny MIA ny tranga.

ყოველივე ზემოაღნიშნულიდან გამომდინარე, მოვითხოვ დაიწყოს სისხლისამართლებრივი დევნა პოლიციის იმ თანამშრომლების მიმართ, ვინც მონაწილეობდა ამ დანაშაულში [..] და დაისაჯოს უკლებლივ ყველა, კონსტიტუციით აღიარებული ნორმების ფეხქვეშ გათელვის გამო, [..] ან გამოდით და თქვით, რომ თქვენი ხელდასმით მოხდა ეს ყველაფერი და ბიჭებს საშობაო პრემიები ჩამოურიგეთ.

Taorian'ny filazana voalaza etsy ambony, mangataka aho ny hanenjehana ny olona izay nandray anjara ny tamin'ity heloka be vava ity [famonoana], ary tiako ny hanasaziana ny tsirairay hatramin'ny farany indrindra ireo polisy nandika ny zo voalazan'ny Lalàmpanorenana, na tongava ka lazao aminay fa ianao no nibaiko ny fanaparitahana ny olona ary ireo lehilahy ireo dia nahazo fanomezana Krisimasy manokana.

Ny  InterPressNews aterineto ihany koa dia nanao fitsapan-kevitra vonjimaika ka tamin'ny olona 1495 dia ny 84.3% no nanohana ny fijery hoe tsy tokony handrava fihetsiketsehana ny polisy. Milaza ihany koa ny fitsapa-kevitra hafa fa maro ny olona mihevitra fa tokony hifona amin'ny tranainy ny filoha Zeorziana Mikheil Saakashvili.

Etsy andanin'izany, amin'ny fisiana mpampiasa Facebook miisa 457.680 eo amin'ny firenena, sy fananana ampahan'olona maro indrindra miditra amin'ny tambanjotran'ny tranonkala sosialy [valan-tserasera] eo amin'ny faritra, maro no mihevitra fa dingana lehibe ho an'ny gazety an-tserasera ny hetsika natao hamantarana ireo tompon'andraikitry ny herisetra nitranga tany an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.