Tontolo Arabo: Mifety ny fidarabohan'i Ben Ali

Rehefa mijery ny Twitterfeed-ko, dia toa ny tsirairay no hihevitra fa efa ela ny tontolo Arabo no niandry ity andro ity. Niteraka koronana teo anivon'ny aterineto ireo Tweets nankalaza ny lositry ny filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali avy tao Tonizia.

Ho an'i Bader Al Aujan, avy ao Arabia Saodita, andro iray mampirehareha io:

شكرًا شكرًا شكرًا أهلنا في تونس فما كان يخطر على بالي أن أعيش مثل هذا الشعور بالفخر والعزة والأنجاز
Misaotra anareo, misaotra anareo, misaotra anareo, havana any Tonizia. Tsy nihevitra intsony ny hiaina izao fihetseham-po mampirehareha sy fahatanterahana izao aho.

Ary ilay Saodiana Mohammed Al Dugailbi dia ravo tsy nisy toy izany:

أنا من زمان ما فرحت مثل هال فرحه ودي اوقف السيارة واسلم علي الي يمشون في الشارع تعيش تونس يعيش الشعب التونسي الحر الابي
Efa elabe aho no tsy mba nahatsapa fifaliana toy izao. Satriko raha azo najkanona ny fiara dia handray tanana ireny olona rehetra teny an-dalambe ireny. Ho ela velona anie ny vahoaka afaka eto Tonizia.

Dima Khatib manao fampitahana amin'ny fibodoana na fanafahana an'i Iràka, ary miteny:

Antenaiko fa tsy ho tototra loatra Ing. George Bush ao amin'ny ‘ranch-ny’ ao ka hahita ny fomba marina ataon'ny vahoaka mba hoafa-patorana. Tsy ilàna akory an'ireo tafika vahiny tsy mahay mionona ireo

Youssef Chaker manentana an'ireo Toniziana mba hanohy hatrany ny dia:

, aza manolo jadona amin'ny iray hafa… Tohizo ny làlana ary vitao ny asa.

Avy any Bahrain, Hashim Alawi dia mandefa tweets:

الجبناء من يطالبوا بالحرية والتغيير والعظماء من يصنعوها على الارض .
Kanosa ireo mikiaka fahalalahana sy fiovàna. Ny olona mahery dia ireo izay manao izany eny an-kianja.

Yacoub Slaise manamarika:

Antenaina fa nahavita ny enti-modiny ry zareo Toniziana ary namaky ny ‘Animal Farm’, mba tsy hifarana toa an'io “Napoleon” io

Ary mamaly i Bahrainman :

Nanana “Napoleon” iray i Tonizia, ary leo azy io ry zareo. NIAINA ny ‘Animal Farm’ nandritry ny  23 taona ry zareo!

I Mahmood Al Yousif miteny amin'ireo Toniziana mba hanararaotra ny fandresena azony, farafaharatsiny na dia andro iray ihany aza:

tsinjoko ho misy sahady ve ny nenina any anatin'ireo tweet sasany avy ao ankehitriny? tsy naharitra ela izany! mitsangàna, mitsikia ary mba manam-panantenana na dia ho anio fotsiny aza!

Majda72 koa dia mandefa tweet iray manokana :

Fanamarihana ho an'ny Tandrefana, tsy fisafoahana Islamika akory iny! Raiso ny fomba fitsaratsarànareo ny tontolo Arabo ka alenteho any am.. .

Tao anatin'izay azo heverina ho revolisiona nampiasana ny twitter, ilay Ejiptiana mpanoratra,  Mona ElTahawy,  dia mampahatsiahy antsika:

tsy nitondra ny . Ny fanoherana  nataon'ireo nanam-pahasahiana. Twitter nanome antsika – ny tontolo – ny toerana ery anoloan'ny sehatra.

Ary i  Sameer Padania nanamarika:

Miandry fatratra ilay andro iray hisian'ny rovolisiona nokatsahina hatry ny ela  & tsy hahatsapan'ny tsirairay fa hoe noho ny tanjaky ny teknolojia izany.

ElTahawy koa manampy:

Tanatin'ny ny hetsika tamin-pahasahiana'ireo   ‘ dia nampidaraboka an'i , mpitondra jadona nandritra ny 23 taona. Revolisiona voalohany indrindra taorian'ny fanjanahantany teo amin'ny tontolo 

Ahmad Fahad, avy any Oman, tsy mahavita intsony mamily ny sainy handao ny Twitter:

Fomba ahoana moa izany izao no heveriko hahafahako miasa raha ny governemanta aza voaongana amin'ny alàlan'ny  Twitter?

Ary i Andy Carvin manampy:

Tiako fotsiny ny endrika niofoan'ilay fifanakalozan-dresaka mikasika an'i sy ny hoe misy ireo olona mamaky ny lalampanorenana Toniziana amin'ny antsipirihany.

Egyptian Ahmad Badawy manantena fa ny zavcatra henjana nanomboka tao Tonizia dia tsy mitsahatra eo. Mandefa tweets izy:

يابن علي قول لأخوك . شعب مصر بيكرهوك
Ben Ali, lazao ny rahalahinao (Mubarak) fa ny vahoakan'i Ejipta dia mankahala azy.

Manaraha mandrakariva ireo rako-baovao avy any Tonizia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.