Tonizia: Fitanisàn'ny nanatri-maso avy ao Tala

Khayl wa Layl (Soavaly sy Alina) bilaogy Toniziana, dia  namoaka taratasy iray (Ar) avy amina vehivavy iray ao Tala, manome antsipirihany mikasika ireo zava-doza natrehin'izy ireo maso tato anatin'ny andro vitsy lasa.

Olona enina no namoy aina tao Tala, tanàna any amin'ny 200km atsimo-atsinanan'i Tunis renvohitra, ary olona enina hafa naratra mafy rehefa nitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana tany omaly ny polisy, hoy ny tatitry navoakan'ny vaovao.

Manoratra izy ao anatin'ny taratasiny:

بدأت الإعتصمات منذ سنة 2008 لكن رغم تتاليها في السنوات الأخيرة لم يستجب أحد لمطالبهم رغم بساطتها كان آخرها إثر وفات البوعزيزي مع العلم انها كانت سلمية في ظل القمع المتواصل للسلطة و في ظل غياب ابسط الحريات كحرية التعبير كان مقاومة رجال الأمن للمتظاهرين القطرة التي افاضت الكأس فتم إحراق اول رموز النظام دار التجمع واول رموز انتهاك الحرمات مركز الشرطة
Nanomboka tamin'ny 2008 ny fanoherana, saingy na teo aza ny ny fisian'izy ireny nandritra ireo taona teo aloha, tsy nisy mihitsy namaly  ny fangatahanay, na dia faran'izay tsotra aza izy ireny. Ny fangatahana farany indrindra dia taorian'ny nahafatesan'i  Bouazizi. Tokony hahamarika isika fa ireo fangatahana dia tamim-pilaminana na teo aza ny famoretana nitohy foana avy amin'ny mpitondra, sy ny tsy fisian'ny zo fototra, toy ny fahalalahana maneho hevitra. Ny famoretana ataon'ny òpitandro filaminana tamin'ny mpanao fihetsiketsehana no vanja nandrehitra ny afo tamin'ny farany. Io no antony nahatonga azy ireo handoro voalohany ny mariky ny fanjakana, ny Efitrano Fivoriana, ary ny marika voalohan'ny fanitsakitsahana ny momba ny tena manokana, ny paositry ny polisy.

Manohy ihany ilay taratasy:

كان ذلك ليلة الإثنين الماضي… الثلاثاء 10 صباحاً حاول تلاميذ معهد الخروج في مظاهرات تم حصارهم داخل المعهد نجح البعض في الهروب فيما خنق الباقون بالقنابل المسيلة للدموع وفي تمام 12 نجح الباقون في الخروج وبدأت المواجهات. نام أهالي المدينة البارحة على أصوات الرصاص الحي و إستفاقوا على نواح أمهات الشهداء وأصوات القرأن و بدا الحداد. تم حصر عدد الشهداء وهم كالآتي: أحمد عمري 17 سنة تلميذ ، أحمد بلعابي 30 سنة ، أيمن رطيبي 14 سنة ،مروان جملي 19 سنة بكالوريا ،غسان شنيتي 18 سنة جزار العائل الوحيد للاسرة كل هذا و تونس مشغولة بلقاء الترجي التونسي والنجم الساحلي وما كنت نتيجة اللقاء بين أهل، حبيبتي تالة، الأعزل و قوات مدججة بالسلاح !!!!!!!!!!!!!!!!!!وتواصل القمع بقطع الكهرباء والماء و كانت كل المحلات التجارية مغلقة وبصعوبة تم نقل الجرحى للعلاج وحتى دفنهم اشترط السفاحون أن يتم على يد نساء المدينة !!! وفي لحضة تشييع جثمان أحد الشهداء هوجم الأهالي بالقنابل المسيلة لدموع حتى إسقاط النعش!!! و بعد محاولة عديدة تم دفنهم وفي طريق العودة جوبهوا أيضاً بالرصاص والقنابل هذا وأفاد مصدر موثوق من المستشفى المحلي بتالة وفاة ممرض من جراء الصدمة بعد هجوم قوة الأمن
Tamin'ny Alatsinainy lasa teo. Ny Talata tamin'ny 10 ora maraina, nanandrana handao ny sekoly ny mpianatra tamina ivon-toerana  mba handray anjara amin'ny fihetsiketsehana. Voahodidina tao ry zareo saingy tafaporitsaka ihany ny mpianatra sasany, ny sisa kosa sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso tao. Tamin'ny mitatao vovonana, afaka nandao ny toerana ihany ireo ambiny, ary dia nanomboka ny fifandonana. Tao anaty siokan'ny bala tena izy no namonjen'ny olona tao an-tanàna, ny fandriany iny alina iny, ary tao anatin'ny dradradradran-tomanin'ny renin'ireo maritiora, sy ny fiventesana ny Korany sy fanombohana ny fotoam-pisaonana no nifohazany kosa nony maraina. Ireo maritiora fantatra hatreto aloha dia ireto manaraka ireto: Ahmed Omari, 17 taona, mpianatra; Ahmed Bala'abi, 30 taona; Ayman Rutabi, 14 taona; Marwan Jamli, 19 taona; ary Ghassan Shneeti, 18 taona , mpivarotra hena, sady ny hany tokana mamelona ny fianakaviany. Nitranga tao daholo io rehetra io raha mbola seriny  nijery lalao baolina kitra i Tonizia, tsy nisy nihevitra velively izay fifanatrehan'ny olona mitondra tànam-polo avy ao amin'i Tala tsy foiko sy ny mpitandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana. Nitohy tamin'ny fanapahana herinaratra ny famoretana. Nikatona daholo ny toeram-pivarotana rehetra ary tena sarotra tokoa ny nahafahanay nàka ireo naratra ho entina ho any amin'ny hopitaly. Eny fa na dia ny amin'ireo tokony halevina aza, nanaiky ireo barbariana ireo, saingy narahany fepetra fa hoe ny vehivavy irery ihany no afaka mandevina azy ireo! Ary rehefa nitandrozotra ho any am-pasana handevina ny iray tamin'ireo maritiora ny olona, dia notafihana tamina baomba mandatsa-dranomaso, niafara tamin'ny famelàna ny vatam-paty teo amin'ny arabe. Taorian'ny andrana vitsivitsy dia vitan-dry zareo ihany ny naka ny razana, ary nandevina ilay maritiora,  fa rehefa teny an-dalan-dry zareo hody, mbola voatafika indray ry zareo ary tamin'ny bala tena izy sy baomba. Loharanom-baovao avy amina hopitaly ao Tala no nanamafy ny fahafatesan'ny mpitsabo mpanampy iray nandritra ny fanafihan'ny mpitandro filaminana.

Mamarana ny taratasiny ilay ramatoa amin'ny filazàna fa:

ويسود تالة ألان حزنٌ وهدوء فهل هو الهدوء الذي يسبق العاصفة؟؟؟ أم ستستمر بحار الدم في ضل صمت و إستهزاء عجيب وتونس 7 التي تنقل الحقائق على غير حقيقتها ….
Mitafy alahelo sy fahanginana ankehitriny i Tala. Fitoniana mialoha ny kotro-baratra ve izany?  Sa hitohy hiakatra hatrany ny ranomasin-drà, ao anatin'ny tsy firaharahàna tanteraka fanaon'ny Tunis 7 (fantsom-pahitalavitra iray), izay tsy milaza ny marina!!

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.