Amerika Latina : tamberina ny taona 2010

Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay terantany avy any Peru Mario Vargas Llosa, ary ny Global Voices nanao ny fihaonana an-tampony tany Santiago, Chili. Andeha hiverenantsika ireny rehetra ireny sy ny tantara hafa koa nitranga tany Amerika Latina ka nitana ny lohalaharaa tany amin'ny media nandritra iny taona iny.

Loza voajanahary

Niharan'ny loza voajanahary ny faritra tamin'iny taona iny. Tamin'ny volana janoary, Juan Arellano nitantara ny ranom-potaka nikoriana tany Cusco, Peru izay nampihitsoka mpizahantany manodidina ny 2 000 teo, sy Juliana Rincón nanaparitaka  sary mihetsika nanentana ny mpiray firenena hifanampy.

Taoriana horohorontany tany Chili, 27 febroary – sary avy amin ny Felipe Ovalle ao amin ny Flickr, nahazoana alalana tamin ny Attribution-NonCommercial-NoDerives 2.0 Generic Creative Commons License

Tamin'ny 27 febroary, Eduardo Avila nampiseho tao amin'ny lohanteniny ny horohorontany namely an'i Chili, nitantara fa,

Tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana, horohorontany nahatratra 8,8 amin'ny fandrefesana no namely ny sisintany Maule any Chili. Heno hatrany an-drenivohitra izay miala 325Km avy eo amin'ny foibeny izany horohorontany izany.

Pejy manokana no namboarina hanangonana ireo tatitra nomen'ny olona sy ny tantara rehetra navoakan'ny Global Voices stories, tahaka ny soratra nataon'i Felipe Cordero mikasika ny  tsy fitoviana ara-tsosialy nateraky ny horohorontany sy ny tatitra nataon'i Silvia Viñas momba ny Mapuche nasian'ny horohorontany.

Tamin'ny May, nipoahan'ny volokano izay nifoha tampoka tany Pacaya i Guatemala ary orambe niharo tafiotra nentin'ny rivo-doza Agatha no namely an'i Mexique ka niteraka tondra-drano tao amin'ny fanjakan'i Veracruz sy Tabasco tamin'ny septambra. Tamin'ny novambra, ny rivo-doza Thomas namely an'i Costa Rica.

Sarotra ny ririnina tamin'iny taona iny. Ilay mpanoratra Catalina Restrepo nanoratra momba ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra Chocó , ary nampahafantatra antsika ny firaisan-kinan'ny vahoaka any Colombie tamin'ny “Twitterathon” [es] nanangonana fitaovana ho an'ireo niharam-boina nandritra iny ririnina mafy iny.

Venezuela koa nasian'ny orambe, sy ny tondra-drano ary ny fihotsahan'ny tany tamin'ny faraparan'iny taona iny. Nanjary nivadika politika ny ezaka natao hamonjena –araka ny nitantaran'ny mpitoraka bilaogy sasany azy– tamin'ny alalan'ny fandaniana volavolan-dalàna izay namela ny filoha Hugo Chavez special hijanona eo amin'ny fitondrana hatramin'ny jona 2012.

Politika, Fifandraisana iraisam-pirenena ary fifandirana

Lohahevitra mafana foana ny politika any an-toerana ary tsy afaka tamin'izany iny taona iny.

Niatomboka ny taona tamin'ny fandresen'ny antoko ankavanana misy an'i Sebastián Piñera nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taorian'ny 20 taona nitondran'ny antoko ankavia nitambatra tamin'ny Concertación de Partidos por la Democracia (Antoko demokratika). Voamarika ny volana vitsy voalohany nitondrany tamin'ny fitokonana tsy nihinan-kanina nataon'ireo terantany avy any Mapuche mikasika ny lalàna tsy fahazoana manao herisetra, sy ny famonjena ireo mpitrandraka saribao 33 tafahitsoka tany ambanin'ny tany tany avaratry Chili.

Tany Uruguay, José Mujica nanohy ny fampiharany ny lalàna nataon'ny antoko ankavia momba ny Frente Amplio(Antoko mivelatra)  rehefa nandray ny asany izy tamin'ny 1 martsa.

Ny mpifaninana avy ao amin'ny antoko ankavanana Juan Manuel Santos voafidy hisolo ny filoha Álvaro Uribe tany Colombia. Ilay mpanoratra  Julián Ortega nameno ny sorany tamin'ny fifidianana natao ny 30 may tahaka ny hita tao amin'ny media rehetra tany an-toerana –ary indrindra tao amin'ny Twitter– ary rehefa avy eo koa dia namoaka ny fanehoan-kevitry tao amin'ny Twitter nataon'ireo mpitoraka bilaogy tany Colombia .

"Simple things with meaning: physical proof of having participated in the Parliamentary Elections 2010, against the backdrop of the Venezuelan flag because it’s about more than just political parties, I did it and will keeping doing it for my country” Image taken from Flickr user, @Ivanchild. Image used under Creative Common License for non-commercial use.

“Fihetsika tsotra misy dikany: fanaporofoana fa nandray anjara tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka 2010, eo ambanin'ny saina Venezoeliana satria ambonin'ny politika izany, nataoko izao ary mbola hataoko ihany ho an'ny fireneko”. Sary nalaina tao amin'ny Flickr, nahazoana alalana tamin'ny Creative Common License.

Tamin'ny 26 septambra dia nandatsa-bato ny Venezoeliana nanavao ny Solombavam-bahoakany, sampana tokana mpanao lalàna any an-toerana.  Juliana Rincón nampiseho tamintsika ireo sary mihetsika nalefa na-terinety izay nampirisihana ny olona handatsa-bato, ary Patricia Acosta kosa nitantara ny mahery fihetsika an-terinety nandritra ny fampielezan-kevitra tany amin'ny twitter. Nasehon'i Patricia antsika taoriana kely ny fanadihadihana sy ny fanehoan-kevitry ny mpitoraka bilaogy nanoloana ny vokam-pifidianana.

Andro vitsy taorian'ny nifidianan'i Venezuela ny solombavam-bahoakany, ny 30 septambra tany Equateur, ny fitokonan'ny polisy niteraka savorovoro sy fifandirana raha nikasa hanome lanja manokana iny andro iny ny vahoaka tany an-toerana. Global Voices nanamboatra  Pejy manokana nahitana lahatsoratra vitsivitsy nosoratan'ny mpanoratra toa an-dry Paulina Aguilera sy Milton Ramirez.

Fisehoan-javatra hafa koa no nisy tany Argentine, satria maty tampoka ny filoha teo aloha Nestor Kirchner vokatry ny fijanonan'ny fony tamin'ny oktobra.

Tany Amerika Afovoany, fifadirana teo amin'i Costa Rica sy Nicaragua nandritra ny asa fanadiovana y renirano San Juan River, izay niteraka fifamaliana teo ami'ny roa tonta. Ny mpanoratra avy any Costa Rica Roy Rojas no nanomboka ny fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsoratra nanehoana ny hevitry ny mpitoraka bilaogy any Costa Rica, sy ilay mpanoratra avy any Nicaragua Rodrigo Penalba izay mbola manohy hatrany ao amin'ny lohantenin'ny pejiny miaraka amin'ny soratra andiany faharoa (Jereo eto andiany faharoa) amin'ny fifandirana.

Any amin'ny farany avaratra, ireo mpifindr amonina mankany Etazonia nanakoako eran-tany nandritra iny taona iny, satria vatana mangatsiaka 72 no hita tamin'ny 23 aogositra.

Any Mexique, herisetra mifangaro amin'ny zavamahadomelina no resabe tamin'ny media tany an-toerana nandritra ny taona. Ohatra amin'izany, Juliana Rincón nanoratra:

Ny resaky ny mpitoraka bilaogy any Mexique milaza raha toa ka ny fanehoana ny sary mihetsika alefan'ny olona na ny fanehoana salan'isa no vahaolana amin'ny lazain'ny sasany fa herin'ny media hanafenana ny resaka zavamahadomelina izay fototry ny herisetra na lalana iray ihany izany hambolena tahotra sy horohoro.

Any Mexique ihany, ny fihaonana faha 16 ny Firenena Mikambana momba ny fiovan'ny toetr'andro natao tany Cancun ny 26 novambra hatramin'ny 10 desambra. Ilay mpanoratra Meksikana Andrea Arzaba nahita fa ny fifanarahana momba ny toetr'andro dia solon'ny Fankatoavana y volavolan-dalana. Andrea nanoratra mikasika ny the asan'ireo vaomiera hafa  sy ny fehiny taorian'ny fihaonana.

Kolontsaina

Hita tao amin'ny Global Voices koa ny faritra nanan-karena kolontsaina tamin'iny taona iny. Ilay mpanoratra Meksikana Issa Villarreal nampiaraka ny andian-tsoratra telo mikasika ny soratra eny amin'ny rindrina sy ny zavakanto an-tanàn-dehibe any Amerika Latina. Ny faran'ny taona, ny mpanoratra avy any Venezuela Laura Vidal nitarika antsika hiditra ao amin'ny tontolon'ny boky an-tsary any Venezuela sy ny fisian'izy ireo an-terinety.

Mario Vargas Llosa at the Cervantes Institute in New York on October 7, 2010, after the announcement that he had received the Nobel Prize in Literature. Image by Flickr user Globovision, under an Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons license.

Mario Vargas Llosa tao amin'ny Cervantes Institute tany New York ny 07 oktobra, taorian'ny fanambarana fa izy no nahazo ny loka Nobel momba ny literatiora. Sary avy amin'ny Flickr nampiasa ny Globovision, nahazoana alalana tamin'ny Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons.

Tany Chili, Isabel Allende nahazo ny loka National Prize momba ny literatiora (loka nasionaly), loka izay heverin'ny sasany fa tara ihany ary koa nonkianin'ny hafa. Fa ny tena vaovao lehibe indrindra ho an'i Amerika Latina raha ny resaka literatiora no jerena dia ny loka Nobel, hoy ilay mpanoratra Peroviana Gabriela García Calderón nanoratra:

Tamin'ny alakamisy 7 oktobra, nifoha niaraka tami'nny “vaovao lehibe indrindra eran-tany” ny Peroviana”: Mario Vargas Llosa no nahazo ny loka Nobel tamin'ny literatiora araka ny fanambaran'ny  Swedish Academy.

Silvia Viñas nitantara avy eo ny nandraisana ny loka nanerana an'i Amerika Latina  ary Juan Arellano nanoratra momba ny fifandraisan'ny mpanoratra amin'i Peru.

Taona niainana zava-misy maro iny taona 2010 iny ho an'i Amerika Latina. Nampiaina antsika zavatra tsy fahita firy ny mpitoraka bilaogy tany an-toerana mikasika ireo zava-misy rehetra nanakoako nanerana ny tany ary koa nanokatra ny masontsika hijery ireo zavatra tsy dia asian'ny media sirany loatra. Ato amin'ny Global Voices, hitohy hanome ny feony hatrany ny ekipan'i Amerika Latina amin'ity taona 2011 ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.