Tonisia: Manako eran-tany ny antsoantson'ireo mpanohitra

Ny kiak”ireo Tonisiana, manohitra ny kolikoly sy ny tsy fisian'asa nandritra ireo roa herinandro lasa, dia mihamalalaka kokoa ao amin'ny Aterineto. Mihetsika manaraka azy ireo sy manely ny antsony ireo mpampiasa aterineto maneran-tany.

Izany dia nanomboka rehefa nandoro ny tenany ny lehilahy iray very asa mba hanoherany ny fanalàna azy tao Sidi Bouzid. Araka ny Los Angeles Times:

Niteraka fifandonana mahery teo amin'ireo tanora mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana izany avy eo
ka nahafatesana tanora iray 18 taona
rehefa nanomboka nitifitra ireo mpanohitra tezitra ny avy ao amin'ny National Guard tany amina tanàna roa manodidina , roa andro taty aoriana.

Niparitaka lavitra nanerana ny Renivohitra sy ireo tananan'i Sfax, Sousse ary Meknassi ny diabe sy ny fihetsiketsehana.

Avy any Inde, misafo loha mametra-panontaniana i Anja Kovacs. Mi-tweet izy:

Nahita fikomiana tena izy i Tonisia nandritra ireo herinandro roa lasa, kanefa tsy dia voatatitra mazava izany ivelan'ny Moyen Orient. Nahoana?

Nanampy izy:

Mba hahalalanao bebe kokoa mikasika ny zava-nitranga tany & hahazoanao ireo vaovao ara-potoana, ireo olona tsara harahina dia i @ , @, @

Mametra-panontaniana mitovy amin'izany ilay Ejyptiana Wael Nofal ao amin'ity tweet ity:

@ Manaraka ny zava-mitranga any ve ianao؟ Hafahafa, nahoana ny media tandrefana no mamily ny tavany ho any an-kafa, tsy toy ny tany tamin'ny taona lasa teo

Ary i DanersB, izay mizara ny fotoanany eo anelanelan'i Beirut, Dobai sy Montreal, dia manamarika:

“optimist” foana! @: Ny tana-paherin'ny mpitondra jadona ao  , , dia mety hampiaka-peo ny tontolo mandritra ireo folo taona ho avy

Avy any amin'ny Etazonia, dia mbola mitondra fanoharana hafa amin'i Iran i HarvardDr – amin'ity indray mitoraka ity dia fanoharana amin'ny fiafaràn'ny vanim-potoana Shah. Manoratra izy (Ar):

مثل شاه ايران اسياده تخلوا عنه: فرنسا تقول: بن على فقد الاتصال بالواقع! تونس حرة السراق برة تونس حرة ليلي برة
Tahaka ny Shah tany Iran, izay nilaozan'ireo lehibeny: Miteny i Frantsa: Very ny fifandraisan'i Ben Ali amin'ny tena zava-misy! Malalaka i Tonisia! Tokony hiala ny mpangalatra! Malalaka i Tonisia! Tokony handeha i Layla (manondro ny vadin'i Ben Ali)!

Avy any Washington DC, dia mivanaka amin'ity rindrin'ny fahanginana ity i Priyanka Joseph. Manoratra izy:

Nisy olona nandray ny onja Kundera. Misy fifandirana any , tsy misy miresaka mikasika izany ireo vaovao aty (tsy mahagaga) na any amin'ny TTrends/my timeline.

Anne Eksten, avy any Denmark, dia manamarika:

Mamaly fanoherana milamina amina bala tena izy ny Governemantan'i , Ny Tany mihotakotaka, ny herisetra /@ @

Ary dia manampy i Mark avy any Hollande, :

“Tsy faly  amin'ireo politika any Tonisia izahay, tsy faly amin'ny zava-drehetra izahay – tsy resaka tsy fanana asa fotsiny izany.”

Ny mpanoratra Ejyptiana Mona Eltahawy dia mamporisika ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny media hirotsaka an-tsehatra:

Ry namana, indrindra ireo izay manana fifandraisana amin'ny media, mitoraha tweet sy RT ary . Ndaho hiara-hijoro amin'ireo Tonisiana manohitra ny famoretana.

Ary i Hisham Kassem, mbola any Ejypta ihany koa, dia mivaralila:

رئيس إسرائيل السابق ادين منذ قليل بتهمة التحرش بموظفه في مكتبه وزين العابدين بيتحرش بتونس كلها وماحدش قادر يحاسبه
Fotoana fohy lasa izay, dia voaheloka ho nanolana an-terisetra vehivavy niasa tao amin'ny biraony ny Praiminisitra Filoha Israeliana teo aloha ary i Zainalabdeen kosa nanao an-terisetra an'i Tonisia iray manontolo fa tsy nisy na iray aza sahy nitàna azy ho tompon'andraikitra.

Nandritra izay fotoana izay, i Portnoy, any Taiwan, dia nanontany tena:

Inona no mitranga any Tonisia?

Raha te-hijery tweet hafa mikasika an'i Tonisia, jereo ny tenifototra  #Tunisia sy #sidibouzid

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.