Kazakhstan: Miresaka Finoana ny Mpitoraka Bilaogy

Satria i Kazakhstan tsy manana politika mazava amin'ny resaka ara-pinoana, dia lasa toy ny fanao ny hoe afaka manome ny famaritany manokana ny resaka finoana ny olona tsirairay. Tahaka ny tamin'ny roapolo taona lasa, tsy dia nampihontsona ny rehetra loatra ny fisian'izany hamaroam-pijery izany, izay  navoitran'ny adihevitra momba ny finoana sy ny fomban-drazana, nameno ny tontolon'ny fitorahana bilaogy tato ho ato.

Notarin'ny Fomba fandihy Kara Zhorga ny adihevitra, izay lasa nalaza tokoa teo anivon'ny firenena tato anatin'ny taona vitsy lasa.

Urimtal writes [kaz]: “Mihevitra aho fa tsy dihy fotsiny ny Kara Zhorga, fa tena zavatra iray manontolo mampitambatra ny firenena. Na dia ireo Kazakhs monina any ivelany aza dia mandray anjara amin'izany. Na dia teny somary manamaivana ihany aza no namaritan'ny governemantantsika ireo mpila ravin'ahitra, dia karazana valin-kafatra ho an'ny fanakianana toy ireny ny Kara Zhorga”

Orken nanoratra lahatsoratra iray momba io lohahavitra io [kaz]:

“Ndeha hambarantsika fa mamàka ao anatin'ny kolontsaina Mongoliana na Kalmykian ny dihy, saingy isika no iray amin'ireo mametraha izany ho marika nasionaly. Ny Mongoly, ny Sinoa ary ny Kalmyks dia tsy nisy nandà mihitsy. Izany no antony iheverako hoe mariky ny tsy fahalalana ny hoe maro amintsika no zara raha mahatadidy rehefa resaka fomban-drazana no resahana na rehefa hitondra ny finoana Silamo ho toy ny hery fanoherana.”

Amin'ny 2011,  i Kazakhstan no hitantana ny Fikambanan'ny Kaonferansa Islamika (Organization of the Islamic Conference). Na izany aza dia misy ihany ny adihevitra [kaz] tsy elaloatra izay momba ny  “lalàna iray manan-danja mikendry ny handraràna ny fisalobonana voaly.” Malimetter.org dia manamafy ireo tatitra, ary ireo teboka mikasika ilay raharaha, na ny marimarina kokoa, ny Minisitra lefitra misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa, Mahmetkali Sarbyev, no manao izay [kaz]:

“Firenena ahitana karazam-pinoana maro i Kazakhstan. Raha mamela ny olona hisalobona voaly isika, avy rahampitso indray hisy mpianatra telopolo anaty kilasy iray hitafy zavatra hafa – dia tsy hitondra ho amin'ny zavatra tsara izany,” hoy izy manazava.

Timurr dia manoratra fa tsy hifanaraka amin'ny lalampanorenana ilay lalàna, satria ny lalampanorenana dia manome antoka ny fahalalahana ara-pinoana [kaz]::

“Jerena avy amin'ny zava-nitranga rehetra hatreto, tsy mihevitra mihitsy aho hoe ireo manampahefantsika na ireo minisitra dia tsy hahafantatra hoe manao zavatra mifanohitra amin'ny lalàna anie ry zareo. Saingy, izay aloha no zava-misy, nahoana no mbola ataon-dry zareo  ihany?”

Ny lahatsoratra niandohana dia nivoaka tao amin'ny neweurasia.net

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.