Azerbaijan: nampidirina any an-tsekoly ny fandraràna ny Hijab (voaly fitondran'ny silamo)

A hijab-wearing student in Baku

Tamin'ny herinandro lasa dia an-jatony ny mpanao fihetsiketsehana nifamory nanoloana ny Ministeran'ny Fampianarana tao Baku, Azerbaijan, naneho ny hatezerany manohitra ny fepetra vaovao mandràra ny fisalobonana voaly (hijab) any an-tsekoly. Ny tatitra an-gazety dia milaza fa eo anelanelan'ny 12 sy 16 eo no voasambotra tamin'ireo mpanao fanehoan-kevitra.

Fihetsika iray izay ambaran'ny sasany fa natao hampanakaikezana kokoa an'ity firenena anjakan'ny finoana Silamo ity an'i Eraopa io, Manaraka ireo firenena sasantsasany amin'ny fandràrana ny fitondrana voaly any an-tsekoly i Azerbaijan. Io koa dia manaraka ireo fanakatonana moske maro tamin'ny faramparan'ny taona lasa noho ny lalàna vaovao mifehy ny finoana.

Tamada Tales manazava ny antony, amin'ny fomba mibaribary, nampidirana ilay fandraràna.

Ny fitsipiky ny sekoly any Azerbaijan dia mitaky amin'ny mpianatra any amin'ny  sekoly ambaratonga faharoa  hanao fanamiana mitovy, mampahatsiahy ny fanamiana iraisana fony tamin'ny vanimpotoanan'ny Sovieta. Naverina nampidirina eo amin'ny sekoly Azerbaijani indray ny fanamiana mitovy tamin'ity taona ity mba hisakanana ny fahasamihafana ara-tsosialy any anaty efitrano fianarana any, araka ny nametrahan'ireo manampahefana azy.

Ireo mpifikitra fatratra amin'ny finoana Silamo dia heverina ho vitsy an'isa any Azerbaijan, na dia maro aza ireo mpanara-maso avy any ivelany no mihevitra fa ny manahirana ny governemanta dia ny fisongan'ny fondamentalisme ara-pinoana ao amin'ny firenena. Mpitoraka bilaogy maro na izany aza no nahita azy ity  ho fanohintohinana ny zon'ny tsirairay sy mifanohitra amin'ny demaokrasia. Mametraka fisalasalana ny amin'ny maha-tena ilaina an'ilay hetsika. Ny bilaogy  @ gurbanoff, ohatra,  dia nandray an'io ho tsy azo leferina.

Bu axı demokratiya deyil, zorakılıqdır! Mənə maraqlı deyil, kim İslamı dəstəkləyir, kim islamiyətə qarşı çıxır, kim hicabı dəstəkləyir, kim soyunmağı… Məsələ ondadır ki, bir dövlətin xalqının geyimini əsgər kimi dəyişdirməyə çalışması sadəcə zorakılıq sayıla bilər.[…]

[…]Bu qədər absurd bir qərar ola bilməz zənnimcə. […]Mən dini rejim tərəfdarı deyiləm, amma din azadlığını sonuna qədər dəstəkləyirəm. […] Sadəcə geyimə olan hücum deyil bu, insanların inanclarına qarşı bir hörmətsizlikdir.

Tsy izao no demaokrasia, fa herisetra! Tsy raharahako ny hoe iza no manohana na manohitra ny Silamo, na iza no manohana na manohitra ny fitondrana hijab… Ny teboka avoitra dia ny hoe rehefa misy firenena iray manandrana manova izay fitafin'ny olona amin'ny fomba fiady toy izao dia herisetra izay .[…]

[…] Mihevitra aho fa tsy misy fanapahan-kevitra kidaladala noho izao. […] Tsy mpanohana fitondrana fehezim-pinoana aho, saingy manohana tanteraka ny fahalalahana ara-pinoana kosa. […] Tsy hoe fanenjehana fotsiny io fomba fitafy io izao, fa tsy fanajàna finoan'ny olona.

Fomba fijery tahaka izay no noraisin'i Simasız quldurlar blogu izay nandray koa hoe ny Ministeran'ny Fampianarana dia tokony handinika bebe kokoa ireo olana fototra manangoly ny rafi-panabeazana.

Misir Mərdanov təhsil mərkəzlərində hicablı şəxslərə qadağa qoymaqdan danışır. Mərdanov yaxşı olardı ki, Azərbaycan təhsilinin səviyyəsindən, təhsildə olan rüşvətdən,[…] danışsın.

[…]

Azərbaycan təhsil sistemində hicab yox, azad təhsil, savadlı, azad, vicdanlı müəllim problemi var.[…]Mərdanov bu problemin necə həll edilməsindən danışsa yaxşı olar.

Miresaka momba ny fandraràna ny fitondràna voaly any an-tsekoly i Misir Mardanov.  Tokony hiresaka mikasika ny haavon'ny lentam-panabeazana sy ny kolikoly i Mardanov[…]

[…]

Tsy dia misy olana ny voaly eo amin'ny rafi-panabeazana any Azerbaijan. Ny olana misy dia ny fanabeazana mahaleotena, ary ireo beazina sy ny mpampianatra marina sy mahitsy sady malalaka […]

Nanaiky i Nota Bene .

[…] mənə elə gəlir ki, bu vahid məktəbli forması fikri də bəhanədir. Axı ali təhsil ocaqlarının ki, xüsusi bir forması yoxdur, bəs oraların bəzilərinə niyə başı bağlı qızlar buraxılmırlar?! Maraqlı sualdır, elə deyilmi?

Toa fialàna olana fotsiny ihany ity fanamiana iraisana any an-tsekoly ity. Ny Anjerimanontolo izao tsy manana fanamiana iraisana izany, koa nahoana ny ankizivavy misarom-boaly no tsy avela hiditra any amin'ny sasany amin'izy ireny?! Fanontaniana mahaliana an, sa tsy izany?

Na dia vitsy an'isa aza, nisy ihany ny mpitoraka bilaogy nankasitraka ilay fandraràna.  Ny bilaogin'i Reschadbabali nihevitra fa tsy tokony hisy toerana ho an'ny voaly any an-tsekoly ao anatina firenena tsy fehezin'ny finoana.

Yenə də dindarlar demokratiya davası edirlər. Təhsil nazirinin orta məktablərdə başörtüsünü qadağan etməsini bunlar insan haqqlarına hücum kimi qiymətləndirirlər […]

[…]

Din dövlətdən ayrıdı.[…] Məktəb də dövlətin olduğu yerdi. Bəs vicdan azadlığı? deyə o saat hazır sualın dillərində olduğu his edirəm. Vicdan azadlığı deyə inancını bəs niyə mənim beynimə yeritmək istəyirsən? Məcburammı ki sənin həqiqətlərini qəbul edim?

Manao tantara be momba ny demaokrasia indray ny olon'ny finoana. Ny fomba itantanan-dry zareo ny fandraràna ny voaly any an-tsekoly nataon'ny Ministeran'ny Fanabeazana dia toy ny hoe fanitsakitsahana ny zon'olombelona […].

[…]

Misaraka amin'ny fanjakana ny resa-pinoana. Any amin'ny fanjakana ny Sekoly. Ahoana ny amin'ny fahalalahana ara-pinoana? Izany no fanontaniana tsapako ho tokony hapetraka. Nahoana àry ianao no hanery ahy hanaraka ny finoanao amin'ny firesahana ny fahalalahana ara-pinoana? Tsy maintsy ny marina aminao ve no hekeko?

Raha ny tatitra, toy ny androany, nisy ireo raiamandreny sasany no nanapa-kevitra tsy handefa ny zanany vavy tany an-tsekoly ho fanoherana ny ambaran'izy ireo fa fanavakavahana. Eny antsefantsefany eny anefa, ny video avy amin'ny hetsika fanoherana tamin'ny herinandro lasa dia nampiseho fa lehilahy no betsaka tamin'ireo  mpanao fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.