Hongria: Ice-T sy ny lalàna Hongroa vaovao mifehy ny Media

Ao anatina tontolo iray somary mafampàna ihany noho  ilay lalàna Hongroa vaovao mifehy ny media, izay nanomboka nanankery ny 1 Janoary 2011, dia nanomboka nanadihady ny Tilos (HUN), fampielezam-peo iray tsy mitodika amin'ny fitadiavana tombontsoa ara-barotra ny National Media and Infocommunications Authority (Manampahefana miandrakitra ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana).

Hatramin'ny nametrahan'ny manampahefana ‘tsindrim-peo manokana ho fiarovana ny tombontsoan'ny mpanjifa sy ny mpampiasa’, dia andraisany fepetra ihany koa ny amin'ireo tanora mihaino, izay no zava-nitranga rehefa nilaza tamin'ilay fampielezampeo (HUN) Radio Tilos ry zareo fa hisy fanadihadiana hatao taorian'ny fanaraha-maso ny fandaharana nalefan'ilay fampielezam-peo. Ny fanarahamaso no nahita fa nandefa ny hiran'ilay mpiangaly gadona rap Ice-T nitondra ny lohateny hoe It's On ilay fampielezam-peo tamin'ny 2 Sept 2010 tamin'ny 5:53 hariva.

Fanakianana avy amin'ny Manampahefana ny filazàna fa hoe tsy nandefa fampitandremana mikasika ny fetran-taona ny  Tilos Rádió talohan'ny nandefasana ilay hira. Ilay taratasy ihany no milaza fa efa voasazy koa ilay fampielezam-peo tamin'ny 2003 sy 2005 noho ny fandefasana mozika miaty hafatra mivantana sy mazava. Nampiarahan-dry zareo tamina tabilao iray misy sertifika azo teo anelanelan'ny 2000 sy 2009 io mba hilazàna fa hoe mety misy ny tanora nahatakatra ny tononkira ary noho ny taonan'izy ireny dia mety ho nanefy ny toe-tsain-dry zareo ny votoatiny.

[…] Tao anatin'ilay hira, ireo zava-misy dia naseho tamin'ny alalan'ny tenin-jatovo izay na dia tsy dia azo takarina tanteraka aza ilay izy ho an'ireo fetran-taona arovana, ireo fiteny mahery ampiasainy mitondra ho amin'ny herisetra dia mety hitarika vokany goavana eo amin'ny mpihaino latsaky ny 16 taona. Ireo izay efa mba manana fahalalàna tsara ny teny [Anglisy] dia afaka hahazo fa ny teo-javatra ratsy iainan'ireo Amerikana manam-piaviana Afrikana, ny fampiasana ny mpivarotena, fivarotana sy fihinanana zava-mahadomelina, ary ny herisetra ara-batana dia tanisain'ilay mpanakanto ho toy ny asa andavanandro ary manana ny hasiny. It's On dia manasongadina ny  ‘kolontsaina ghetto’ amin'ny fampidirana fitondran-tena maherisetra sy fijery ny tontolo midadasika[…]

Ice-T, izay mitoraka tweet ao ambadiky ny solon'anarana hoe @FINALLEVEL, dia nahalala tamin'ny alàlan'ny lahatsoratra Tumblr nalefa tweet fa hoe “noraràna” ny mozikany any Hongria. Toy izao ny fanehoan-keviny:

RT @rog_r: @FINALLEVEL Miala tsiny, fa dia voarara amin'ny fomba ofisialy ianao http://j.mp/f73DhF > Reveko ilay izy! Mbola matahotra ahy foana izao tontolo izao. hahaha !

Na dia tsy mbola nisy toa azy aza ny vokatr'ilay fanarahamaso, ny National Media and Infocommunications Authority dia tsy maintsy hiatrika vava-ady maro noho io lalàna vaovao mifehy ny media io, izay naharaisana fanakianana iraisam-pirenena rahateo.

Nomen'ny Tilos Rádió anarana hoe “Ice-T-gate” ilay tranga sady nanangonany ireo fanehoankevitra naterak'ilay vaovao momba ny fanadihadiana. Maro ireo lahatsoratra tanaty bilaogy no nampibaribary fa ilay tononkira izay naraikitra tamin'ny teny Anglisy sy ny dikanteny amin'ny teny Hongroa eo amin'ilay taratasy avy amin'ny manampahefana dia feno diso fandika. Hongroa iray mpitoraka bilaogy izay nandefa ny dikan'ilay hira rap no nilaza (HUN) fa ny Manampahefana dia nampiasa  fandikàna izay efa nisy diso sahady tamin'ilay tononkira.

Na teo aza ireo resabe nanomboka tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany, efa nahazo valin-kafatra ho setrin'ny fanambaràna (HUN) ofisialy nomeny tamin'ny fanadihadiana ny Tilos Rádió . Ilay taratasy vaovao avy amin'ny Manampahefana koa dia  navoaka (HUN) tanatina bilaogy iray, Comment:com, miresaka ny votoatin'ny media. Ao anatin'ny taratasin'izy ireo, ny Manampahefana dia manindry manokana fa  “angamba ireo mafàna fo nefa mazàna tsy mitonona anarana mitolona ho amin'ny fahalalahan'ny aterineto dia afaka hahita ny antony maha-lavitra an'ny Lajos Kossuth an'i Ice-T, ilay tena [Hongroa] mpiaro ny fahalalahan'ny fanaovana gazety.”

Sixx of Comment:com dia nanasongadina andàlana vitsy avy amin'ilay taratasy izay nilazan'ny Manampahefana fa: araka ilay lalàna antsoina hoe Pacifica Foundation, dia aorian'ny amin'ny 10 ora alina ihany no azo alefa ny hiran'i Ice-T. “Raha tsy manaraka izany izy ireo, ny manampahefana Amerikana misahana ny media – ny kaomisiona Federaly miandraikitra ny Fifandraisana – dia mety hanasazy azy ireo amina lamandy izay tsy maintsy ho ambony lavitra noho ny tetibola isan-taonan'ny Tilos Rádió.

Ilay mpitoraka bilaogy ao amin'ny Comment:com dia nanondro fa ilay fanapahan-kevitry ny Amerikana lazain'ny Manampahefana eto dia tsy manankery intsony any Etazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.