Tonizia: Mpisolovava voadaroka noho izy ireo mijoro ho an'i Sidi Bouzid

Nijoro ireo mpisolovava Toniziana nanomboka tamin'ny trangan'i Sidi Bouzid – ary dia nanefa ny sandan'izany.

Tsy nitsahatra ny nanohitra izy ireo mba hanoherana ny mahazo an'i Sidi Bouzid sy ny zavatra iainana ara-tsosialy ao Tonizia. Izay no antony nandraisan'ny governemanta fepetra ‘hanafay’ azy ireo. Isan'andro, vaovao mikasika fangalàna an-keriny, fisamborana, na fanafihana mpisolovava no mivoaka amin'ny vohikalan'ireo tambajotra sosialy..

Tao anaty lahatsorany, Hetsiky ny mpisolovava tamin'ny Talata 28 Desambra 2010 (Lawyers’Demonstration Tuesday 28th, 2010), dia nanoratra i Tunisian Girl :

Taorian'io, nandeha tany amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ireo mpisolovava ary nikiaka ny teny fanevany indray. Ny sasany tamin'ireny dia natodiny ho an'ireo mpitsara izay nangataka azy ireo hahaleotena.
Nony tamin'ny tolakandro, roa tamin'ireo mpisolovava nandray anjara tamin'ny hetsika no nosamborina, ireto avy izy ireo: Chokri Belaid sy Abderrahmen Ayadi.

Na izany aza, ny 31 Desambra 2010 no tena andro ratsy ho an'ireo mpisolovava. Satria dia tsy nisalasala mihitsy ireo manamboninahitry ny polisy nidaroka azy ireo rehefa iny ry zareo nifamory tao amin'ny  Bar House (Avy amin'ny mpandika : Toerana natao ho an'ny Barreau), manoloana ny Lapan'ny Fitsarana ao Tunis. Nampiasa ny kibainy ireo mpitandro filaminana izay niteraka ratra maro tamin'ireo mpisolovava.

Tao amin'ny Twitter, ireo mponin'ny aterineto dia naneho ny fanohanan'izy ireo sy nanely ny feo mikasika ny herisetra natao hikendrena ireo mpisolovava:
Hoy i Moalla nandefa tweet:

Le 31 décembre 2010 restera à jamais comme le “vendredi de la matraque” pour les avocats tunisiens. Honte à la dictature! #SidiBouzid

Ho an'ireo Toniziana mpisolovava dia hitoetra mandrakizay ho ilay “Zomàn'ny vely kibay” ny andron'ny 31 Desambra 2010. Henatra ho an'ny fitondrana jadona!

Mbola tao amin'ny Twitter ihany, nanoratra i  Osama F Moushraf:

تعرّض عشرات المحامين في تونس إلى اعتداءات عنيفة من قبل الشرطة http://bit.ly/hLq6Ty #sidibouzid RT

Ampolony ireo mpisolovava eto Tonizia no niharan'ny fanafihana maherisetran'ny polisy

Niampanga ny zava-nitranga ireo mponin'ny aterineto:

Assad Tounsi dia nandefa tweet:

فضيحة فضيحة فضيحة فضيحة فضيحة فضيحة تونس .. المحامون يضربون ويعتقلون والشعب يتفرج

Zava-dozan'i Tonizia zava-doza zava-doza zava-doza zava-doza zava-doza .. Mpisolovava darohana sy samborina ary dia mitazam-potsiny ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.