Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa

Toniziana iray tsy an'asa no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy.

Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.

Hatrany anaty Facebook sy Twitter ary bilaogy, maneho ny firaisankinan-dry zareo amin'i Mohamed ireo mpampiasa aterineto, izy izay vao avy nahazo ny diplaomany tao amin'ny Anjerimanontolon'i Mahdia taona vitsy lasa izay, nefa tsy nety nahita asa. Mamelona irery ny ankohonany izy, nanapa-kevitra ny hitady fivelomana izy, ary niaraka tamin'ny fanohanan'ny fianakaviany dia nanomboka tamin'ny varotra voankazo sy anana teny amoron-dàlana ranamana. Kely dia kely no entin'ity raharaham-barotra ity ho azy, zara raha ampy hanao izay tsy hahamenatra ny fianakaviany. Saingy manaramaso eny foana ny manampahefana eo amin'ny tanàna ka matetika no màka  ireo entany. Nambarany azy ireo hoe tsy safidiny velively ny zavatra ataony toy izao fa mba ho ezaka fitazonana aina fotsiny. Isaky ny mihetsika dia tratry ny fandraofana foana ny entany, tratry  ny fanambaniana sy ompa izy ary nohazàina teny amin'ny faritry ny fiadidiana ny tanàna. Tamin'ny fotoana farany izay nitrangan'io, very fanantenana tanteraka eto amin'ity fiainana ity i  Mohamed ka nanapa-kevitra ny handao azy mandrakizay. Noraràhany solika ny tenany ary narehiny.

Tao amin'ny Facebook, maro ireo vondrona natsangana hiampangàna ny zava-nitranga. Atoa Filoha, mandoro tena ny Toniziana (Ar) dia isan'ireny. 24 ora latsaka monja, efa nahasarika mpikambana  2.500 ilay vondrona, ary hatramin'ny anio dia efa maherin'ny 10.000 ny mpanohana. 24 ora latsaka monja, dia efa voasivan'ny manampahefana ihany koa ilay izy, izay nanakombona ny aterineto tamin'ny tàna-maheriny.

Indreto dikasari-na fàfana roa, ilay faharoa dia mampiseho izay hitan'ireo Toniziana rehefa manàndrana miditra amin'ilay pejy ry zareo:

.

Nanoratra mikasika ny zava-nitranga ny mpitoraka bilaogy sasany no sady naneho ny hatezerany. Voasoratra amin'ny tenim-paritra Toniziana, lahatsoratra iray nosoratan'i Boukachen nitondra  ny lohateny hoe The Sidi Bouzid Holocaust (Ny sorona nataon'i Sidi Bouzid) :

الحكاية يا جماعة ميش جديدة، عندها سنين حالة المناطق الداخلية ميزيريا تتحد في تسليطها على الناس الظروف المناخية و تهميش هالمناطق بكل لامبالاة و فرح دائم و طحين مستمر. اما الحكاية ما تاقفش هنا، لأنو الاعلام المنحط متاع بلاد العم بوكشان يمارس تعتيم كامل عالحكاية،…

Tsy zava-baovao ny nitranga. Io tranga mahonena io dia efa nisy foana tany amin'ny faritra lavitra tany ary efa an-taona maro. Io dia vokatry ny fifangaroan'ny toetrandro sy ny fanilikilihana ireny faritra ireny, niampy  ny tsy firaharahàna tanteraka (nataon'ireo manampahefana). Saingy tsy hoe akory manao izay hampanginana io raharaha io ireo fampahalalam-baovaontsika dia hifarana eo ny tantara.

Tunisian Girl nanampy hoe:

Dernièrement , les immolations par le feu se sont multipliées en Tunisie .Les acteurs de ces actions sont généralement des citoyens tunisiens qui ont perdu tout espoir en une vie descente . Chômage et pauvreté sont au rendez-vous et ont envenimé leur existence.

Tsy nahita vahaolana hafa ny governemanta Toniziana afa-tsy ny nanivana ilay vohikala nanely ny tantara, ary dia nametraka sàkana ao an-tanànan-dry Sidi Bouzid, toerana izay idinan'ny olona eny an-dàlambe hanehoan-dry zareo ny hatezerany.

Ao amin'ny Twitter, mitohy hatrany koa ny haromontana, miaraka amin'ny tenifototra #sidibouzid trending among Tunisian users.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.