Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

Christmas cookies

mofo krismasy avy amin'ny Photolinda eo amin'ny Flickr (CC-BY-NC)

Midika hoe ‘mody an-trano’ ny Krismasy ho an'ny olona maro – nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?

Sakafo eo an-toerana voatokana sy fahandrom-pianakaviana manana ny tsiambaratelony no tena mety aminao mba hananganana ny revy tena mety – na sakafo maraina Breziliana izany na rabanada, na Amerikana mofomamy marikivy misy lakirema kafe na mofomamy Bulgariana, banitsa.

Mazotoa homana ary mirary Krismasy avy amin'ny mpitoraka bilaogin'ny Global Voices izay mizara ny rohy!

Afrika Atsimo - ‘ms_kamini’ mitoraka bilaogy ao amin'ny Deelishuss! ary mizara fomba fahandro ho an'ny atody hafa indray izay tena tsara amin'ny andro mafana.

Tanzania – Manaova Pilau nentim-paharazana miaraka amin'ny torolalan'i Miriam Rose Kinunda ao amin'ny Ny tsiron'i Tanzania.

Inde – Na ny sary na ny soratra mikasika ny Fomba fahandroan-tsakafo Goan dia manazava ny fomba fanamboarana sakafo manokana mamy Goan.

Indonezia – mankahery ny vao niditra hiezaka hanao ny sakafo manokana Manado ny bilaogin-tsakafo Indoneziana, Cooking and Baking Laboratory amin'ny nahandro manokana coconut soufflé Klapertaart.

Azerbaijan – Nahazo ny tanora ny Krismasy any Baku, na dia tsy tena ankalazaina be aza izy any Azerbaijana. Manafatra ny filo strudel kosa i Aygun Janmammadova ho an'ireo izay tia olatra sy fromazy ary fanampina nahandro Azerbaijana no zaraina eo amin'ny Boky Nahandro AZ (AZ Cookbook).

Bulgaria – Manasongadina ny Banitsa, mofomamy malaza miaraka amin'ny safidina voatavo, fromazy na anana manarona i Hit the Road Travel Blog. Fomba fahandroan-tsakafo hafa eo amin'ny Yellow Kitchen Bulgariana.

Ukraine – Andramo hoy Veggie Prairie Girl dika Gerda, ny potsitr'entona mamy kutia, na hifaninano ny tenanao miaraka amin'ny lasopy misy lovia roambinifolon'ny alin'ny Krismasy nasehon'i Yasmin Coles eo amin'ny Friends Eat.

Estonia – anisan'ny sakafon'ny fotoam-pialan-tsasatra ny Red cabbage and beets eo amin'ny bilaogin-tsakafo Nami Nami.

France – AnyAlsace , karakaraina herinandro mialoha ny mofo krismasy bredela, ary tena miaraka tsara amin'ny sokola mafana na dite masiaka. Tadiavo ny dika tinao ao amin'ny bilaogy Frantsay Plumes d’Anges na La peau d’ourse.

Danemark – Mandahatra ny tsara indrindra amin'ny sakafo Krismasy Danois ny fiaraha-monina amin'ny aterineto ara-tsakafo Friends Eat ary nampiditra fampisehoana amin'ny alalan'ny horonan-tsary mikasika ny nentim-paharazana Ris à la mande. Manazava ny fomba fanao manodidina ny sakafo ny bilaogy EU Mom.

Amerika Latina – Mizara ny sakafo Krismasin'ny Amerika Latina lehibe ny seha-pifaneraserana Intermaniacos : Hallacas avy any Venezuela, Kolombiana buñuelos con natilla, vitel toné avy any Arzantina, tamal de puerco avy any México ary Peroviana panetón.

Mexico – manafatra ny ponche punch Krismasy Meksikana nentim-paharazana, ny mpanoratra mahaleo tena Lesley Téllez.

Perou – Ianaro ahoana ny fomba fanaovana nahandro klasika Perouviana, tamales, miaraka amin'ity horonan-tsary mikasika  ny reny sy ny zanakavavy miara-mahandro ity.

Porto Rico – Mizara horonan-tsary YouTube maneho ny sakafo Krismasy Portorikana feno ny tia mahandro sakafo Elba.

Trinidad & Tobago – Sarina Nicole aka. Nahita ny Trinidad's pastelles tena hafa kely ho an'ny vanim-potoana i Trini Gourmet.

Etazonia – Avy amin'ny Kentucky ny Get Cookingn'i Joi, no nanome ny fomba fahandro na ho an'ny mofo Krismasy na ny menakely Krismasy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.