Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy

Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin'ny aterineto, saingy nisy firoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy any Oman) mba hitoraka bilaogy sy hanokatra adihevitra ho an'ny daholobe eo amin'ny firenen-dry zareo, amin'ny fanamafisana fa “ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika”.

Muawiyah Alrawahi

Muawiyah Alrawahi. Sary avy amin'i Jillian C York

Ahoana no nanombohanao nitoraka bilaogy?

لعله ستضحك الإجابة، أو سيضحك منها كثيرون، في الحقيقة بدأت التدوين بسبب نصيحة من صديق، هو القاص وليد النبهاني. كنت أكتب الشعر الفصيح، والقصة القصيرة وتوقفت لفترة عن الكتابة الأدبية بعدما تغيرت الكثير من الرؤى التي كنت أؤمن بها في السابق، في فترة الدراسة الجامعية. بدأت أكتب نصوص ساخرة سريعة، وكان الهدف في البداية هو الكتابة عن المسكوت عنه، لم تكن تجربة البداية جادَّة، كنت أسميها [مهذونة] وهي كلمة تجمع بين التدوين والهذيان كما يقول الصوت باللغة العربية، وبعد سنة كاملة تعرضت لمجموعة من الضغوط الاجتماعية التي كادت أن تكون سببا لتوقفي، ولكن غيرت الموقع، وأرشفت المدونة السابقة وأنشأت مدونة جديدة باسمي وبدأت أكتبُ فيها ببعض الجدية، بعضها، وليس الكثير منها وحتى هذه اللحظة لا زلت مستمتعا بالكتابة، تجربة التدوين غيرت حياتي فعلاً، ولكنها كانت جحيما لا يطاق، جحيم اجتماعي من الصور النمطية التي تمارس دورَها الصعب. لا أحب أن أكون متململا أو شاكياً، ولكن التجربة لها جوانبها السيئة أيضا.
Angamba ianao hihomehy amin'ny valinteniko, na mety ho maro no hihomehy; ny marina dia nanomboka nitoraka bilaogy aho rehefa nilazan'ny namana iray, ilay mpanoratra Walid Al Nabhani, hoe tokony hanao izany. Nanoratra poezia (tononkalo) sy tantara aho, nefa naatoko izany taorian'ny fiovàna betsaka tamin'ny fomba fijeriko fony aho tany amin'ny Anjerimanontolo. Nanomboka nanoratra fanakianana somary amin'ny endrika hanihany aho [ho an'ny bilaogiko]. Ny tanjoko voalohany dia ny hanoratra momba ireo olana tsy mba resahana; tsy dia tamin'ny fomba matotra loatra tany am-piandohana. Io dia antsoiko hoe “Muhadhwana” izay teny ifangaroan'ny “fitorahana bilaogy” (tadween) sy ny “fahitàna manaloka” (hadhayan)  amin'ny teny Arabo. Taona iray taoriana dia niharàna tsindry ara-tsosialy maromaro aho izay nahatonga ahy somary nijanona mihitsy. Nefa novàko ny vohikala; Nataoko anaty tahiry ilay bilaogy tranainy ary nanomboka iray vaovao aho amin'ny anarako, ary dia nanomboka nanoratra tamin'ny fomba matotra aho ary tsy hoe dia tena matotra be manao ahoana akory. Hatreo dia mahafinaritra ahy ny manoratra. Ny zava-niainana tamin'ny fitorahana bilaogy dia tena nanova marina tokoa ny fiainako, saingy koa tena helo tsy hay zakaina – helo ara-tsosialin'ny fitsaratsaràna an-tendrony izay mihatra amiko foana. Tsy dia tia manome fahasahiranana na mitaraina aho, nefa ny zavatra iainana [amin'ny fitorahana bilaogy] dia misy lafiny ratsy koa.

Malaza ve ny fitorahana bilaogy ao Oman?

لا يمكنني أن أقول أن التدوين له تلك الشهرة في عُمان مثل بعض الدول، ولكن للأسف الشديد بسبب واقع الإعلام المرير والسيء للغاية في بلادنا أصبحت للمواقع الإلكترونية شهرة كبيرة ومصداقية وجرأة في نقد الواقع الاجتماعي والسياسي العُماني، ولعل أشهر الأمثلة على ذلك هي سبلة العرب، وسبلة عُمان، ومنتدى الحارة العُمانية، التي تمثل الإعلام البديل في عُمان. التدوين هُنا له تأثير مختلف، وله وظيفة تختلف عن التدوين المتعارف عليه، لديك مثلا المدون حمد الغيثي أحد الطليعيين في التدوين في عُمان ناقش قضايا فكرية ربما لم تكن لتناقشَ من قبل في الكتابة الإلكترونية، وكذلك مدونة مثل مدونة عبد الله الحراصي التي تناولَ فيها أشياء مهمة تتناول كسر المألوف في التفكير وتجاوزه، ومدونة مثل مدونة عمار المعمري التي كان له دور في كشف وثائق تتناول مشكلات حكومية، وكذلك تناول قضايا كثيرة لها علاقة بالحقوق القانونية للإنسان العُماني. المدونات الآن حاضرة في المشهد الإعلامي العُماني، وأصبحت محل تساؤل وحديث من قبل الناس، ولعلي ــ مع ثقتي الشديدة بأن الإعلام مهم للغاية ــ لا أجد المدونات ستقوم بدورِ الإعلام المؤسسي، ولكنها ستساهم في أن يتجاوز الإعلام المؤسسي تلك الخطوط الموضوعة والتي يرسمها شخوص من وفي الإعلام لا يريدون له أن يتغير أو أن يتقدم وأن يعبر عن البلاد وأن يمثلها خير تمثيل.
Tsy afaka miteny aho hoe malaza toy ny any amin'ny firenena hafa ny fitorahana bilaogy ao Oman. Na izany aza, indrisy fa noho ny toerana tsy manjary misy ny fampahalalam-baovao ao amin'ny firenenay, lasa be mpampiasa ireo sehatra fifanakalozan-dresaka (forum), ninoana kokoa, ary manana fahasahiana manakiana ny tontolo ara-tsosialy sy politika ao Oman. Angamba ny ohatra tsara be mpahalàla indrindra dia ny Sablat Al Arab, Sablat Oman, sy Al Harah Forum izay mipetraka ho toy safidy azo raisina raha resaka media ao Oman. Eto ny fitorahana bilaogy dia manana fiantraikany hafa mihitsy, ary manana anjara asa hafa tsy toy ny fitorahana bilaogy efa mahazatra. Ohatra anananao ny bilaogin'i Hamad Al Ghaithi, iray amin'ireo mpisava làlan'ny fitorahana bilaogy ao Oman, miresaka hevitra, izay angamba tsy mba firesaka mihitsy teo anivon'ny aterineto tany aloha tany. Avy eo dia misy ny bilaogy toy ny an'i Abdulla Al Harrasi izay ahitanao lohahevitra goavana izay maninana sy mandeha lavitra mihoatra ireo hevitra efa mipetraka. Ary bilaogy iray toy ny Ammar Al Mamari izay maka toerana mamoaka ireo antontan-taratasy sy mitrandraka ireo olan'ny governemanta, hatramin'ny resaka maro mahakasika ny zo araka ny lalàna tokony ho an'ireo Omanis. Hita eo amin'ny sehatry ny media Omanis ankehitriny ny bilaogy, ary nanjary toerana iray ho an'ny vahoaka mba hieritreretana sy hifampiresahana. Angamba – miaraka amin'ny faharesan-dahatro dia tena manan-danja be tokoa ny media – tsy dia mino loatra aho hoe ny bilaogy haka ny toeran'ny fampahalalam-baovao mahazatra, saingy kosa ry zareo ireo dia mandray anjara amin'ny fandingànana ny tsipika napetrak'iretsy avy ao, na mbola ao anatin'ny media izay maniry mihitsy ny hisian'ny fiovàna sy ny fivoarana, tsy fitaratry ny firenena velively ary tsy misolo tena azy araka ny tokony ho izy.

Inona no nataonao mba hampakàrana ny hetaheta / fahalinana  hitoraka bilaogy? Nahoana io no heverinao ho zava-dehibe?

جميل أنك سألت هذا السؤال!! حقيقةً كنت من البداية مؤمناً أنَّ أحدا ما عليه أن يفعلَ ذلك، يفعل ماذا؟ عليه أن يكتب عن المجتمع وأن يجعل من هذه المنطقة العذراء البكر التي لم تطأها أقلام الكثير من الكتاب، منطقة متحركة قابلة لأن تكون مادة للكثير من الكتابات. كان دافعي بسيطة للغاية، وهو أنَّ القضية التي لا نتحدث عنها، هي قضية لن نحلها، لا يمكن أن نحل شيئا ما دام في خانة المسكوت عنه، الفكرة كانت بسيطة في البداية أنشأت مدونة وقمت بتعيين مجموعة ممن أسميتهم [مخبرين] وللكلمة قصد واضح كما ترين. كنت أدفع لهؤلاء بطاقات شحن هاتفية، طبعا ما عدا مخبرة واحدة أصبحت لاحقا أحد أشهر المدونات العُمانيات بعدما قررت إنشاء مدونتها الخاصَّة. لم تطل هذه التجربة طويلا لأنني استعضت عنها بالأصدقاء الذين تعرفت عليهم في عالم الأونلاين، وهذا ما جعلني أصل للكثير من المعلومات بسهولة أكثر من السابق، وهذا ما جعلني أيضا أكتب عددا كبيراً جدا من المقالات التي أشعر أنني فخور ببعضها. كنت أحاول جاهداً اجتذاب مجموعة من الكتاب عبر المنتديات، وكذلك الاتصال بعدد من الكتاب وإقناعهم بإنشاء مدونات، ومع الوقت بدأ التدوين يأخذ دورَه في المسألة، بدأت قضايا تناقشها المدونات تصلُ إلى التلفاز والإذاعة بل وقامت بعض القنوات العالمية بتغطية بعض نشاطات المدونين.
Mahafaly ahy ny nametrahanao izay fanontaniana izay! Ny marina, hatrany am-piandohana no efa noheveriko fa tokony hisy olona hanao an'izay – saingy inona marina anefa? Izy (na lahy io, na vavy) dia tsy mainrsy hanoratra mikasika ny fiarahamonina, ary manàngana avy amin'ity zaratany mbola virginy ity izay tsy mbola nokitihan'ny penin'ireo mpanoratra maro mihitsy, toerana iray mihetsiketsika afaka manome aingam-panahy ho ana mpanoratra marobe. Tsotra ny nandrisika ahy; ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika. Sarotra be ny hitadiavam-bahaolana ho an-javatra iray izay kobonina tsy resahana akory. Tsotra kely ny hevitra; ho fiandohana dia nanomboka bilaogy iray aho ary nampiasa vondron'olona nantsoiko hoe “mpanome vaovao” – mazava tsara ny dikan'ny teny, araka ny ahitanao azy. Aloako ny sandan'ny fàhana findain-dry zareo. Mazava loatra fa lasa iray isan'ny malaza amin'ireo Omani mpitoraka bilaogy ny mpanome vaovao iray nony taty aoriana, taorian'ny nanapahan-dramatoa io hevitra hanomboka ny bilaoginy azy manokana. Tsy dia naharitra loatra ny niainana an'izay zavatra izay  satria nosoloiko an'ireo namana izay nifandray tamiko teto anivon'ny aterineto ireo mpanome vaovao; nahafahako nahazo vaovao betsaka lavitra noho ny tany aloha izany, sy nanoratra lahatsoratra maro, izay azoko ireharehàna ny sasany amin'izy ireny. Nanao ezaka be aho hisarihana mpaneho hevitra maro ho amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka, sy hanatonana mpanoratra maro sady mandresy lahatra an-dry zareo hanomboka bilaogy. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nitàna ny toerany ny fitorahana bilaogy; nanomboka noraisin'ireo fampielezam-peo sy fahitalavitra ireo resaka nifanakalozana tanaty bilaogy. Misy sasany amin'ireo fahitalavitra iraisam-pirenena no nanomboka nanara-maso ny hetsiky ny sasany amin'ireo mpitoraka bilaogy.

Azonao lazaina anay ve ny momba ny sasany amin'ireo lahatsoratrao nahabe resaka indrindra? Setriny nanao ahoana no azonao avy amin'izy ireny?

لا أدري ما هو السبب، هل لأنني كائن طويل اللسان، أم لأنني ببساطة أكتب دون أن أحاول أن أكون مسالما سياسيا، عدة مقالات يمكنني أن أقول أنها سببت ضجة كبيرة للغاية وصداعا هائلاً لي، المؤسف في المسألة أنني أؤاخذ وكأنني [لا ينبغي أقول] بينما طرق قضية مسكوت عنها يفتح الباب للجميع، ببساطة عندما أكتب مثلا مقالاً أنادي فيه بتوسيع قاعدة بيع الكحول في عُمان، فإنني أيضا أفتح الباب لمن يريد منع الكحول، حتى هذه اللحظة لا يكتبون أنهم ليسوا مع بيع الكحول وأنهم ضده، ولكنهم ضدي عندما أكتب وجهة نظر في جانب اقتصادي له علاقة بعدالة السوق في عُمان. ردة الفعل التي تعرضت لها كانت بشكل كبير منها اجتماعية .. إزعاج متواصل وسوء فهم وتنميط من قبل الأصدقاء قبل الأعداء، وكأنما الكتابة فقط هي بحث عن الشهرة، ولا يدركون أنَّ الشهرةَ في هذه البلاد ليس شيئا جميلا، ليس شيئا يبحث عنه، بالطبع لا أنكر هناك عامل تسويقي يجب على كل إعلامي أن يأخذ به، ولكن أن يسوق من أجل التسويق تبدو الفكرة غبية للغاية. معظم ما أتلقاه من ردود يتمثل في البريد الإلكتروني، وأتعمد أحيانا نقل بعض المقالات إلى بعض المواقع الشهيرة في عُمان لكي أستفيد من وجهات النظر ومن طريقة المجادلة التي يتبعها الكتاب الإلكترونيون، المؤسف طبعا وجود عدد هائل من البشر ممن يهاجمون بأسماء مستعارة، وللأسف الشديد يحاسبونني على كلام لم أقلْه، يعني يستنبطون من كلامي ما لم أشر إليه، ولا أعتقد أن هذه الحالة ستزول إلا بعد أن يصلب الإعلام المؤسسي ظهره ويتجه للمجتمع، وأنا أتحدث عن عُمان في هذا السياق.
Tsy haiko hoe inona no antony – angamba noho izaho olona be resaka fotsiny – nefa koa satria aho miezaka manoratra tsotra tsy asiana fiandaniana ara-politika, azoko lazaina fa ny ankamaroan'ireo lahatsoratro dia niteraka fanehoan-kevitra mavesatra tokoa ary nisy fiantraikany goavana tamiko. Ny zavatra mampalahelo dia  ny fanenjehana ahy ho  (tsy azoko ampiasaina eto ilay teny), na dia misokatra ho an'ny rehetra aza ny varavarana ho ana lohahevitra izay tany aloha dia nokobonina mangina. Ohatra, rehefa nangataka ny hanalalahana ny resaka toaka ao Oman aho, dia nanokatra koa ny varavarana ho an'ireo te-handràra ny fisotroana – izay hatramin'io fotoana io dia tsy mbola nisy nanoratra ry zareo hoe momba na manohitra ny fivarotana toaka. Nefa manohitra ahy ry zareo nony injay aho manoratra fanehoan-kevitra mifandraika amin'ny ara-toekarena  sy ny lalàna mifehy ny varotra ao Oman. Ny fanehoan-kevitra tena nilaiko notantanina dia saika ny ara-tsosialy no betsaka… Fanelingelenana mitarazoka, sy tsy fifankahazoan-kevitra ary fitsaratsaràna an-tendrony avy amina namana aloha vao ny fahavalo, sahala amin'ny hoe làlana hitadiavana dera sy laza fotsiny ny fanoratana. Tsy fantatr'izy ireo fa tsy zava-tsoa ny laza eto amin'ity firenena ity, na hoe zavatra tokony hokatsahana. Ekena, tsy laviko fa misy endrika fampahafantarana tokony ho tandreman'ny mpanao gazety tsirairay ihany, saingy tena hevitr'adala ny manao dokam-barotra hitadiavana laza ho an-tena. Ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra voaraiko dia avy amin'ny mailaka, ary indraindray dia iniako avoaka any anaty tranonkala be mpahalala eto Oman ny lahatsoratra  mba hahafahana mahazo fomba fijery hafa, sy fomba fanao hafa avy amin'ny  adihevitra arahan'ireo mpanoratra maro anatin'ireny seha-pifanakalozana ireny. Indrisy fa misy olona mamelively amin'ny fampiasàna solonanarana, ary ny tena ratsy dia ny fanondroan-dry zareo ahy amina zavatra tsy nolazaiko; ny tiako ambara dia ny hoe manao tsoa-kevitra avy amin'izay nolazaiko ry zareo, izay tsy nosainiko akory. Tsy mihevitra ny hiovàn'io toe-javatra io aho mandra-pahazoan'ny media mahazatra làka tsara sy ifantohan'izy ireo amin'ny fiarahamonina. Ho an'i Oman irery no itenenako an'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.