Côte d'Ivoire: maneho hevitra momba ny korontana politika ny mpitoraka bilaogy any Ghana

Côte d'Ivoire (Ivory Coast) dia firenena ao Afrika andrefana. Avy aty atsimo dia manatrika ny Ranomasimbe Atlantika izy, ary hodidin'i Ghana ao atsinanana, Liberia ao andrefana, Guinée ao avaratra andrefana, Mali ao avaratra, ary Burkina Faso ao avaratra atsinanana.

Ny fifandirana teo amin'ny vokam-pifidianana izay ho filoham-pirenena sy ny disadisa naterak'izany no lohateny lehibe ao amin'ny ankamaroan'ny vaovao manerana an'i Afrika sy Eoropa. Nohidin'ny fanjakana any Côte d'Ivoire daholo ny sisintaniny rehetra ary natsahatra ny fandefasana vaovao ao amin'ireo haino aman-jery any an-toerana.

Andeha hojerentsika ny fanehoan-kevitry ny mpitoraka bilaogy avy any Ghana manoloana ny zavamisy any Côte d'Ivoire.

Mac-Jordan (mpanoratra ity lahatsoratra ity) mitoraka bilaogy ao amin'ny Future Challenges, mangataka an'i Laurent Gbagbo hampitsahatra ny fibodoany toerana ho filoha:

Tokony hampitsahatra ny fobodoany ny fahefana ho filoha i Laurent Gbagbo ary hanaiky resy araka ny nolazain'ny anankiray amin'ireo praiministra taloha. Samy milaza i Laurent Gbagbo sy ny mpifanandrina taminy Alassane Ouattara fa nandresy tamin'ny fifidianana, kanefa tsy neken'ny fikambanam-be iraisam-pirenena ny an'i Gbagbo.

Ao amin'ny fiandohan'ny lahatsorany mitondra ny lohanteny hoe Ireo asa soa nataon'i Drogba sy ny fahadalan'i Gbagbo, ilay mpitoraka bilaogy avy any Ghana, Anny Osabutey milaza fa ny manahirana ho an'i Didier Drogba, kintan'ny baolina kitra any Côte d'Ivoire, izay nanangona vola tany Londres hanampiana amin'ny fananganana hopitaly any Abidjan, ity resaka politika ity.

Araka an'i  Anny:

Mizara roa ny firenena ankehitriny dia ny Atsimo sy ny Avaratra. Ity farany dia fehezin'ny mpioko izay ahitana ny maro amin'ireo nanohana an'i Ouattara. Miezaka ny hanatratra an'i Laurent Gbagbo izy ireo ka hilaza aminy hipetraka tsara ary hisaina tahaka ny olona fa tsy tahaka ny biby. Manelingelina ny asan'ilay mpanao baolina Didier Drogba izay nahavita nanangona ny mpiray tanindrazana rehetra monina any Londres, ny mpanakanto sy ireo mpilalao baolina kitra hafa nanangona vola hananganana hopitaly any an-tanindrazany ny fihetsika ataony, ary olona adala anankiray no mitady hanafoana izany fikasana izany.

Eo ambony; lahatsoratra hafa nosoratan'ity mpanoratra ity ihany; Quitte le Pouvoir, (Ialao ny fahefana) hafatra ho an'i  Laurent Gbagbo no nahazo fanamarihana manokana avy amin'ny mpamaky roa. Mike nilaza:

Tsy mpankafy an'i Gbagbo aho kanefa heveriko fa lasibatry ny tsy fahalalan'i Gbagbo ianao ary manohana ny zavatra efa fantatra sahady. Henoinay fotsiny izay ambaran'ny vahoaka raha mari-pototra. Ny Fitsarana avon'ny lalàm-panorenana no afaka mamerina mijery indray izany voka-pifidianana izany raha misy ilana azy. Ny Fitsarana avon'ny Lalàm-panorenana ihany no afaka mitsara ny filoha. Izay no zavatra nataony. Mba jereo kely ny isam-bato raha afaka hiteny ianareo na hangina satria ny fanambarana nataon'ny FMI, Frantsa sy Etazonia dia tsy midika afa-tsy fiarovana ny tombotsoany ihany. Ny mpitondra an'i Côte d'Ivoire dia ho an'ny vahoaka any Côte d'Ivoire fa tsy ho an'i Frantsa na Etazonia. Iza no nanao ny fianianan'i Ouattara? Azafady mba meteza ho Afrikana ka jereo tsara ny tena marina fa aza mety hofitahan'ny vaovao diso avoakan'ny BBC. Tsy mahaliana an'i Londres i Côte d'Ivoire ka izany no antony efa nanariany azy hatramin'ny elabe (efa ho valo taona izao). Hain'i Dr. Alassane tsara ny mandeha mangataka fanamarinana noho ny mamadika. Voasakana foana ny mpanao gazety iraisam-pirenena isaky ny misy zavatra taterina momba an'i Côte d'Ivoire. Tokony hanaja ny lalàna misy any Côte d'Ivoire izy ireo na horoahina tahaka ny zanaky ny mpivarotena.

Nana Yaw Sarpong tsy dia hoe tsy mitovy hevitra amin'izany:

Tena tsara be ny fanontaniana nataon'i Mike hoe nahoana ny Amerikana no mitady ny hanilihana an'i Gbagbo. Naharitra niaraka taminy teo ihany ry zareo nandritra ny 10 taona noho izany… heveriko fa resy izy, kanefa hainy tsara ny mampiasa ny lalàm-panorenana hitongilana mankany aminy.

Ny tena tsy mampino, dia lohateny lehibe ao amin'ny Novisi hoe “Gbagbo adala” izay nahasarika fanehoan-kevitra anankiroa mahaliana ary fintinina tahaka izao.

Sankofa mihevitra fa mampiahiahy ny zava-misy:

Hatrany am-panomanana azy dia efa nampiahiahy ity fifidianana ity. Heveriko fa na dia mamotika ny firenena aza ny fizirizirian'i Gbagbo hitazona ny sezany ho filoham-pirenena na misy inona na misy inona, tsy azoko antoka koa anefa fa tena nandresy mazava i Ouattara. Tena fanimban-javatra izao zava-misy izao.

Nana Fredua-Agyeman mifanehatra amin'ny Novisi ao amin'ny fanehoan-keviny:

Novisi, iny no olona vendrana indrindra fantatro hatramin'izao. Mankarary ny foko ny mieritreritra fa vokatry ny fitadiavana seza ataon'ny olona anankiray no mahatonga izany ho anton'ny fahafatesana ho an'ny hafa. Omaly tao amin'ny Talokparty, namaky tantara nosoratako manokana ho azy aho. Halako mainty io lehilahy io. Iza no manambara sahady ny vokatry ny fifidianana : ny vaomiera momba ny fifidianana sa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Raha miteny ny mpikarakara ny fifidianana fa i Alassane Ouattara no nandresy dia milaza kosa ny Fitsarana momba ny lalàm-panorenana fa i Gbagbo no filoha. Fahadalana be izany.

Ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohanteny hoe “Tragicomedy of the 21st Century (Tantara mampalahelo mampihomehy tamin'ny tamin-jato faha-21 – Gbagbo mifanehatra amin'ny vahoaka any Côte d'Ivoire”, Nana-Yaw Sarpong maneho ny heviny mikasika ny raharaha miseho any Côte d'Ivoire:

Tsy mahafantatra olona aho – na lahy na vavy – ka hoe tena vendrana tahaka an'i Laurent Gbagbo izay te hangalatra ny voka-pifidianana amin'ny alalan'ny lalàmpanorenana. Efa nohalavainy hatramin'ny 10 taona ny fahazoany mijanona amin'ny sezany, nahemotra ny fifidianana – tsy midika ve fa izany no lalana tokana ara-dalàna heveriny handresena indray ka hijanonany ho filoha – indrindra fanitsakitsahana ny lalàm-panorenana any Côte d'Ivoire. Gbagbo, raha tena olona misaina, dia tokony hiala amin'ny fitondrana kanefa mandà izany izy, ohatry ny olona ambany. Hitany fa efa akaiky ho faty izy, ka izao sahady izy dia efa mizaka ny nataony.

Mpiara-manorina ny bilaogy Ghanablogging.com , Kajsa manaiky ny voalazan'ny BBC mikasika an'i Côte d'Ivoire izay milaza ny lasan'i Côte d'Ivoire miserana fotsiny sy hoe Ouattara dia mpilatsaka hofidiana filoha izay soketaina ho tsy Ivoariana mamerina ny taona 1999:

Tamin'ny maraina aho izao no nahita tweets roa tao amin'ny fiverenan'i tweet ahy manokana mikasika an'i Côte d'Ivoire;

BBC fanadihadihana: milaza ny firenena mikambana fa esoriny amin'izay ny olona tsy ilaina intsony any Côte d'Ivoire : http://bbc.in/gPnqKe #CIV2010

Baldaufji fanehoan-kevitry ny media sy ny masoivoho– csmonitor.com by @sahelblog http://bit.ly/fF4UL6

Mac-Jordan: melohin'ny firenena mikambana ny toetra mahamenatra ataon'i Gbagbo; firenena mikambana manome izay tokony ho an'i Ouattara ay hampanjaka ny fandriampahalemana. #CIV2010 http://is.gd/iis3Y

Enhanced by Zemanta

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.