Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Sahara Andrefana: Mitarika resabe ny ampamoaka nataon'ny Wikileaks

Mitohy mameno ny tontolon'ny fitorahana bilaogy ny fanehoan-kevitra nateraky ny telegrama diplaomatika naparitaky ny tranonkala Wikileaks. Niteraka fanamarihana vitsivitsy ny ampamoaka manodidina ny fifandirana ao Sahara Andrefana.

Ali Amar dia Maraokana mpanao gazety. Manoratra ao amin'ny VoxMaroc [Fr], bilaogy iray ampiantranoin'ilay gazety frantsay mpivoaka isan'andro Le Monde, tsipihany ny hoe raha namoaka ho fanta-bahoaka ny am-po tsy milaokan'ireo diplaomaty amerikana mikasika ny fitantanana goragora sy ny kolikoly ao Maraoka ireo telegrama, dia mampiseho koa ny fanohanana tsy misy fepetra ataon'ny Amerikana amin'ny toerana raisin'ny fanjakana manoloana ny resaka Sahara Andrefana:

[A]ux yeux de Washington, le Maroc demeure une monarchie bananière, régentée par une clique proto mafieuse. La realpolitik reprend cependant le dessus lorsqu’il s’agit d’épauler le régime de Mohammed VI, sur la question du Sahara Occidental notamment : un rapport de l’ex ambassadeur Thomas Riley daté de 2009 soutient sans détour le plan d’autonomie préconisé par Rabat.

Eo imason'i Washington, i Maraoka dia mbola mitoetra hatrany ho fitondrana anaty tanin'akondro, fehezina vondron'olona manana fisainana mafia. Ny realpolitik, etsy nandaniny, mahazo vahana rehefa injay fa hoe resaka fanohanana ny fitondran'i Mohammed VI, indrindra fa hoe ny raharaha mikasika ny Sahara Andrefana manokana:ny  tatitra iray nosoratan'ilay masoivoho teo aloha, Thomas Riley, tamin'ny 2009 dia manohana mazava ny drafitra fizakantena novolavolain'i Rabat.

Manaiky i Stephen Zunes manoratra ho an'ny the Huffington Post. Ahiliny ireo fomba fijerin'ny diplaomaty iray tao anatina telegrama tamin'ny Aogositra 2009, satria toa navilana sy novàn'ny ideolojia, hoy izy, izay mampahatsiahy irony Ady Mangatsiaka (rohy nasisika):

Iny telegrama iny dia mampahatsiahy lalandava ny ezaka mafy vitan'ny Departemantam-panjakàna nandritra ny Ady Mangatsiaka, mba hitsipahan'ny lalàna ny tolona fanavotam-pirenena, amin'ny fanambaràna fa tsy inona akory ireny fa famoronana an'i Cuba, ny Fiombonana Sovietika, sy ireo firenena hafa mifaninana amin'ny herin'ny Etazonia. Arak'izany, tamin'ny fiverenana tamin'ny kabarin'ny Ady Mangatsiaka, nanisikisika i Jackson [ilay diplomaty, mpanoratra ny telegrama] fa “mitovy amin'ny Cuba ny ilany Polisario, izay neken'ny governemanta 80 mahery ho governemanta ara-dalàna any Sahara Andrefana. Tao amin'ilay telegrama, niantso ny fanohanan'ny Etazonia i Jackson amin'ny antson'ny Maraokana ho an'ny fanisàm-bahoaka sy fandinihana ny lamin'asa iraisam-pirenena any amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana sahanin'ny Polisario, fa tsy ny fanohanana ny antso iraisam-pirenena ho an'ny fampiharana ny zon'olombelon any amin'ireo faritra itoerana.

Ny telegrama nivoaka tamin'ny voalohandohan'ity volana ity dia milaza fa ny filoha Alzeriana dia mitady vahaolana ho an'ny ady, izay mety ahafahan'ny fireneny “hanadio tava”. Fayçal, manoratra ao amin'ny vohikalam-baovao Alzeriana Algerie Focus ary maneho hevitra [Fr]:

L’Algérie aurait-elle tourné le dos au Front Polisario ? La question mérite d’être posée, surtout quand on lit un câble du site WikiLeaks assez intriguant qui montre un Président algérien voulant en finir avec un problème devenu trop embarrassant pour l’Algérie.

Nitodi-damosina ny Ilany Polisario ve i Alzeria? Mendrika hapetraka ny fanontaniana, indrindra rehefa misy mamaky telegrama mahamenatra navoakan'ny vohikala Wikileaks, izay mampiseho ny Filoha Alzeriana te-hamaha olana ary lasa mahamenatra loatra ho an'i Alzeria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny