14 Desambra 2010

Tantara tamin'ny 14 Desambra 2010

Venezoela: Fijery sy fisainana mikasika ny fandrindràna ny Aterineto

  14 Desambra 2010

Androany (14 Desambra), ny Antenimieram-pirenena Venezoeliana dia hiady hevitra mikasika ny fanavaozana ny rafi-pirenena momba ny fifandraisan-davitra, tafiditra anatin'izany ny fametrahana Toeram-Pidirana amin'ny Tambajotra, ny fanaraha-maso ny vontoaty rehetra ifampizaràna eo anaty aterineto, ary ny fandraràna sasantsasany amin'ny karazana vontoaty (filàna ara-nofo, herisetra, ary ireo "maneho fitondrantena tsy mendrika"). Raha manhgina tsy andrenesam-peo ireo mpanao politika Venezoeliana, dia naneho ny heviny kosa ireo mponin'ny aterineto mikasika ny fahitan-dry zareo an'ity volavolan-dalàna ity.

Adihevitra mikasika ny Modely Sinoa

  14 Desambra 2010

Nitsidika an'i Sina ny Praiministra Britanika David Cameron tamin'ny volana lasa teo. Rehefa vitany ny lahateniny tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking dia nisy mpianatra nanontany azy hoe inona no azony notsoahina tamin'i Sina. Niteraka adihevitra mafana tamin'ireo mpitoraka bilaogy sy ny olona manam-pahaizana any Sina ny tantara. Ka inona marina ary izany ny tena dikan'ny teny hoe "Modely Sinoa"?