- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chile: Bilaogy manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fampandrosoana, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika

Ny bilaogy Historia y Reforma [1] [es] (Ny Tantara sy Fihavaozana) dia nanangona ireo “hevitra samy hafa manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara [2] izay niparitaka tamina media  sy tambajotra ara-tsosialy samihafa. Mandritra izay fotoana izay ihany, dia afaka hahafantatra mikasika ireo hetsika isankarazany nokarakaraina mba hiarovana ny fampianarana ny Tantara eo amin'ny seha-panabeazana Shiliana  ihany koa ny mpamaky.”