Nahazo ny Mari-pankasitrahana Voalohany ho an'ny Fanaovan-gazetim-paritra ny HiperBarrio

Ny tariky ny HiperBarrio nandray ny mari-pankasitrahana. Sary avy amin'ny HiperBarrio

Ny Alarobia (1 Desambra) dia ny HiperBarrio avy any Colombia no nahazo ny First Community Journalism Award in Municipality of Medellín by Antioquia University (Mari-pankasitrahana Voalohany ho an'ny Fanaovan-gazetim-paritra tao Medellin ary avy amin'ny Anjerimanontolon'i Antioquia) tamin'ny sokajy Sehatra Mendrika indrindra anaty Tranonkala raha samy Vondrom-piarahamonina. Asongadin'ny Anjerimanontolon'i Antioquia avy amin'io mari-pankasitrahana io ny asan'ny mpanao gazety, ny fampielezam-peo, ny haino amanjery sy ny media niomerika. Ne Ben'ny Tananan'i Medellin no nanolotra ny maripankasitrahana. Hahazo 6 tapitrisa pesos Kolombiana ihany koa ny HiperBarrio miaraka amin'ilay mari-pankasitrahana.

Ny lanonana fanolorana ilay mari-pankasitrahana dia natao ny 1 Desambra 2010 tao amin'ny Trano fanaovam-pety Camilo Torres ao amin'ny Anjerimanontolon'i Antioquia. Manoratra i Álvaro Ramírez Ospina ao amin'ny bilaogin'ny HiperBarrio [es]:

Tao anatin'ireo fepetra voalaza ho an'ny sokajy  “Mari-pankasitrahana ho an'ny Vondrom-piarahamonina Mendrika indrindra anaty Tranonkala”, ny mpitsara dia mihevitra ny hankasitraka “ny tranonkala mendrika indrindra manokana votoaty ho an'ny fiarahamonina. Tokony hisy votoaty multimedia, fanentanana mihetsika, rss, fifanakalozana, ary rohy mankany amina tambajotra hafa sy votoaty hafa manita-tsaina, tena ilaina sy manaraka vanim-potoana, miaraka amina firafitra sy firesaka sahaza ny tranonkala!”

Mpikambana maro avy amin'ny HiperBarrio no nanatrika ny lanonana, indrindra indrindra fa ny HiperBarrio-Villactivos izay niara-nameno sehatra nandray ny mari-pankasitrahana.

Kelly Munera avy ao amin'ny Villactivos dia manoratra [es]:

Ireny valisoa ireny dia nahafahan'ny maro nahita fa azo atao tsara tokoa ny ho heno, fa ireo nofinofy dia zava-misy miandry fotsiny ny fotoana hahavaky felana, hitomboany ary hahamasahany toy ny voankazo eny am-potorany, mba ho takatr'ireo izay mila izany, mitombo isan'andro izy ireny. Ary dia antenaina fa ny fiotazana ny voankazo tsirairay dia ho anaty fankasitrahana tokoa.

Mari-pankasitrahana Voalohany ho an'ny Fanaovan-gazetim-paritra ho an'ny HiperBarrio. sary avy amin'i Kelly Munera

Betsaka ireo sary nandritry ny  lanonana no azo jerena ao amin’ ity pejy Facebook an'i Kelly Munera ity na ao amin'ny Sarimifandimbin'ny HiperBarrio ao amin'ny Flickr.

Anderson Valencia mitoraka voninkazo [es] ho an'ny tarika HiperBarrio noho io fisongadinana io.

Mety hanontany tena ianao hoe karazana fanaovan-gazetim-paritra toy inona no ataon'ireo mpikambana ao amin'ny HiperBarrio. Raha mamaky ny fanasongadinana nataonay tsy matetika mikasika ny tetikasa ianao dia hanana hevitra ihany. Na azonao atao ny mijery ny lahatsoratr'i Gabriels [es] momba ny fanjavonan'ny mpiray monina iray tao La Loma, na ny fitomboan'isan'ny jiolahy mitam-piadiana [es] mamafy horohoro amin'ny vahoaka.

Na izany aza, ireny tanora mpitoraka bilaogy ireny dia tsy hoe mamoaka fotsiny ny sary ratsin'ny fiarahamonina fa koa manasongadina ny tatitra mahabe fanantenana mikasika ireo olona tahaka an'ilay mpitendry lokanga Juan David Roldán, ireo izay miady mba hanova ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ny tontolo iainan-dry zareo:

Ao amin'ireo tanàna any  Medellin, tsy hoe akon'ny fipoahana sy kiakan-tomany fotsiny akory no misy, fa mba mandre ny feo sy ny rotsirotsin'ireo mpana-talenta goavana koa ny tsirairay. Raha misisika mafy manasongadina ny herisetra izahay sy ny gazety dia tsy mahatsapa akory fa mamela handalo mangina ny fisian'ireo olona maro tsy fantatra anarana, izay mifofotra miady hanova ny fiainana andavanandron-dry zareo sy ny vondrom-piarahamoniny. Amin'ny alalan'ity lahatsary ity no ankasitrahanay fa tsara lavitra indrindra ny mandray fitaovana (mozika) toy izay fitaovam-piadiana.

Asandratray ny asan'ilay mpanatalenta mana ny maha izy azy, Juan David Roldán, mpifanolo-bodirindrina amin'ny tanànan'i  Villatina, tovolahy tanora iray mafana fo manandratra ny feon'ny fanantenana miaraka amin'ny lokangany.

Ity ny fanehoan-kevitra iray [es] avy amina mpandray anjara, izay nanatrika ny fampiofanana nampanaovin'ny HiperBarrio.

Fanamarihana: Ny fitanisàna rehetra dia nadika avy amin'ny teny Espaniola niaraka tamin'ny fanampian'ny milina mpanao dikanteny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.