Rosia: Fanehoan-kevitra ao amin'ny aterineto mikasika ny fifandonana Koreana

Korontana ao Korea avy amin'ny Flickr-n'i gwydionwilliams

Miray sisintany amin'ny Sina sy i Korea Avaratra ny moron-dranomasin'i Rosia ao Primorsky Krai , ary manara-baovao akaiky mikasika ny fifampitifirana nisy teo amin'i Korea Avaratra sy Atsimo tamin'ny 23 Novambra mikasika ny nosy Yeonpyeong ny olona any an-toerana momba ny mety hisian'ny trangan'ady eo an-toerana.

Manaraka ny tantara avokoa ny loharanom-baovao rehetra eo an-toerana. Misy mpanohana kely ihany Korea Atsimo [RUS], ary tena nahazo kiana manokana mihitsy noho ny anjara asa raisiny ao amin'io ady io i Etazonia . Ireo mpanao politika eo an-toerana ihany koa aza moa dia resy lahatra mihitsy fa i Korea Atsimo mihitsy no niantsy ady [RUS].

Tsy naneho horohoro be araka ny niheverana azy ny mponin'i Primorsky Krai. Raha adika tsotsotra izany dia hoe tsy nirohotra nitaky ny tapakilany hiala sasatra amin'ny fitsangatsanganana Taombaovao mankany Korea Atsimo ny olona [RUS]. Ary tsy nofoanana ny sidina mivantana mankany Seoul sy Pyongyang [RUS] avy ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Vladivostok.

Na izany aza, nitatitra ny gazety eo an-toerana Vladnews fa nirohotra niala an'i Primorsky Krai ireo mponina Koreana Tavaratra [RUS] taorian'ny savorovoro. Raha ny hevitr'i VladNews, niteraka tranga tsy tsara loatra ara-toe-karena  ity toe-javatra ity satria ny mpiasa avy any Korea Avaratra no niantoka ny herm-pamokarana mora vidy indrindra tao amin'ny faritra.

Tao anaty tsikera iray nanaraka ny lahatsoratra tao amin'ny Vl.Ru, tranokalam-baovao iray ao an-toerana, momba ny hoe Korea Atsimo mampihantona ny fandefasana sakafo any Koera Avaratra , manohana ny iray amin'ireo hevitra mifono tetika, ny mpamaky iray , samidinah (самидинах):

[…] Южная провоцирует кимченировцев с подачи США.

[…] Россия уже никуда не лезет. Медвепут с […] (Обамой) уже обо всём договорились.

И скоро через нас будет осуществляться транзит пендырской армии.

…Niantsy ady tamin'ny mpanaraka an'i Kim Jong Il ny Tatsimo mba hiaraka amin'i Etazonia .

…Tsy miditra mihitsy i Rosia e. Efa nanaiky ny zavatra rehetra [miaraka amin'i Obama] i Medveput… Ary tsy ho ela dia hoentina ety amintsika ny tetezamitan'ny Tafika Pendyr .

(Naoty: ny teny hoe “Medveput” dia teny manaratsy kokoa ny fiarahan'ny filoha Medvedev sy ny praiministra teo aloha Putin. Ary ny teny hoe “Pendyr” kosa dia teny manaratsy ny “Amerikana”)

Mamaly ao anaty  lahatsoratra Vl.Ru hafa mikasika ny korontana, ny mpanakiana iray hafa, Mozg Cheloveka (Brain of a Human) , milaza ny olana [RUS] amin'ny mety hisian'ny ady vaovao :

Если начнется Ирак-2 (с вторжением америкосов в КНДР), то это будет пипец. Война в 200 километрах от Владивостока.

Raha manomboka koa i Irak-2 (miaraka amin'ny fananiham-bohitry ny Amerikana any DPRK), dia ho voaporitra isika rehetra. Ho 200 kilometatra miala an'i Vladivostok ny ady.

Olona iray hafa no manakiana amin'ny fomba mahatsikaiky ny hoe fomba ahoana no hiantefan'ny ady any amin'ny fihaonam-be vao hatao, ny Asia Pacific Economic Community (APEC) Summit izay nokasaina hatao any Vladivostok amin'ny 2012. Ambara ho avo efatra heny noho ny tetibola isan-taona natokana ho an'ny faritr'i Primosky Krai manontolo ny tetibola natokana ho an'ny fihaonan'ny APEC , ary avo dimy heny amin'ny habetsahan'ny tamin'ny lalao Olympika tany Vancouver. Milaza i Zhaba (Toad)  [RUS] hoe:

Эй, там, на распиле бабок саммита АТЭС! Пилите быстрее, похоже ваш саммит накрывается корейским медным тазом!

Eh, ianareo rehetra izay mangalatra ny volan'ny fihaonam-be APEC ! Angalaro haingana io, toa hirodana tsy ho ela mantsy ity fihaonam-benareo ity !

Mivoatra ny fiainana,  ary vetivety dia nikisaka ny vondrom-piarahamonin'ny aterineto tao Primorsky Krai nankany amin'ny resaka mikasika ny vokatry ny firotsahan'ny ranomandry vao haingana teo; ny fiomanana amin'ny fihaonam-ben'ny APEC sy ny resaka manan-danja lehibe hafa.

Sahala amin'ny toa vitsy ihany no mino ny mety hisian'ny ady tokoa .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.